Barbados: Ireo Famantaran-dàlana

(Marihina fa tamin'ny 22 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

bdos_crossroads

Namoaka ity sarin'ny famantaran-dàlana eo amin'ny sampanan-dalana any ambanivohitr'i Barbados ity ny bilaogeran-tsary Barbados in Focus (Mifantoka amin'i Barbados). “Tsy maintsy mila mandray fanapahan-kevitra ianao na aiza misy anao eto amin'izao tontolo izao na aiza,” hoy izy nanoratra. “Mahasahana izao tontolo izao ny famantaran-dàlana.”  Na izany aza, misy ny karazana famantaran-dàlana mety natao manokana ho an'ny toerana iray toy ny asehon'ny sary eto ambany.

barbados_bus_sign

Hoy ny Barbados in Focus hoe: “Hita manerana ny nosy ity famantaran-dàlana ho an'ny Bus Stop (Fiatoan'ny fitateram-bahoaka) ity. Raha toa ka very ianao dia jereo fotsiny raha manondro ny fivoahana ny tanàndehibe na ny fizorana ho any an-tanàndehibe ny fiandrasana fitateram-bahoaka. Soava Dia…. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.