Tonizia: Fanehoan-kevitra Manoloana Ny Fitsidihan'i Sarkozy

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2008 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Tamin'ny herinandro lasa, naneho hevitra momba ny fitsidihana ofisialy nataon'ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy ny tontolon'ny bilaogy Toniziana.

Cos-maux-polis nanoratra lahatsoratra maro momba izany fitsidihana izany, mitsikera ny sasany tamin'ireo fanambaran'i Sarkozy ho mpanavakava-bolonkoditra :

Décidément les déclarations de Nicolas Sarkozy sur le sol africain ont de quoi interroger. Voici qu'à l'occasion de son voyage officiel en Tunisie, le Président de la République a laissé percevoir sa conception du partenariat Nord-Sud : “Vous avez une main d'œuvre qui ne demande qu'à être formée, nous avons beaucoup d'intelligence et beaucoup de formation (…)”.

Miharihary fa mampanontany tena tokoa ireo fanambaran'i Nicolas Sarkozy tao amin'ny tany Afrikanina. Nandritra ny fitsidihany ofisialy tao Tonizia, naneho ny heviny momba ny fiarahamiasa Avaratra-Atsimo ny Filohan'ny Repoblika: “Manana mpiasa mangataka ny mba hiofana ianareo, manana faharanitan-tsaina marobe sy fiofanana marobe izahay (…)”.

Namerina ny vaovao nolazain'ny Bakchich ihany koa izy:

Lors du voyage officiel en Tunisie, Nicolas Sarkozy aurait déclaré en off : “À chaque fois que je viens (en Tunisie), il y a une grève de la faim. Chaque fois que je pars, la grève s'arrête. Je le constate, c'est tout”. Il aurait ajouté : “Bien sûr qu'il n'y a pas de démocratie en Tunisie. Mais on n'y a pas les mêmes critères qu'en France”.

Nandritra ny fitsidihana ofisialy tao Tonizia, toa nilaza koa i Nicolas Sarkozy hoe : “Isaky ny mankaty Tonizia aho, misy ny fitokonana tsy hisakafo. Isaky ny mody aho, mijanona ny fitokonana tsy hisakafo. Hitako fotsiny izany, izay ihany”. Toa nilaza koa izy hoe: “Eny tokoa, tsy misy demaokrasia ao Tonizia. Saingy tsy manana fepetra mitovy amin'i Frantsa izy”.

Bilaogera Toniziana zizou from Djerba, namoaka lahatsoratra momba ny faharefon'ny mpanohitra Toniziana, ary nilaza fa tena mila fanovana, no sady nankasitraka ny fahombiazan'i Sarkozy :

Comme tout le monde l'a constaté, le président francais a choisi son camp et l'a montré clairement. Sarkozy a choisi de jouer la carte du gouvernement alors que la partie visible de l'opposition, gonflée à bloc apres les évènements de Redeyef, l'attendait comme un messie. Une énième greve de la faim a été organisée et les contacts ont été pris bien à l'avance avec des journalistes qui connaissent déjà le pitch… Les propos du président Francais avaient le mérite d'être clairs et sa position est tout à fait compréhensible et limite prévisible.

Araka ny hitan'ny rehetra, nifidy ny antokony ny filoha Frantsay ary naneho izany mazava. Nisafidy hilalao ny karatry ny governemanta i Sarkozy raha niandry azy toy ny Mesia ny antokon'ny mpanohitra lasa sahisahy taorian'ny tranga tao Redeyef. Nisy ny fitokonana hafa tsy hisakafo nokarakaraina ary natao mialoha ny fifandraisana tamin'ny mpanao gazety izay efa mahafantatra izany… Mendrika ho mazava tsara ny fanambaran'ny filoha Frantsay ary azo takarina tsara ny fanapahan-kevitra noraisiny.

Mpandrindra ny hetsika hisian'ny fahalalaham-pitenena ao amin'ny Global Voices, Sami Ben Gharbia, nanoratra amim-panesoana momba izany fitsidihana izany ary nilaza fa “nifidy an'i Ben Ali i Sarkozy”, nametraka lahatsary misy ireo saribakoly Frantsay malaza tamin'ny fandaharana “Les guignols de l'info” ihany koa izy :

http://blip.tv/play/1SEBAA

Hoy izy nanoratra:

Il écrit :

Au deuxième jour de sa deuxième visite d'État en Tunisie, Nicolas Sarkozy est resté fidèle à la diplomatie des contrats, que certains veulent qualifier de “Realpolitik”, et nous apporte la bonne nouvelle : “l'espace des libertés progresse en Tunisie”. Enfin ! Ben Ali a eu droit aux louanges de la part de quelqu'un qui ne veut pas s'ériger “en donneur de leçons” sur les droits de l'Homme.

Ny andro faharoa tamin'ny fitsidihany tao Tonizia, nanaja ny fifanekena ara-diplaomasia i Nicolas Sarkozy; izay tian'ny sasany sokajiana fa “Realpolitik”, ary mitondra vaovao mahafaly ho antsika: “mivoatra ny sehatry ny fahalalahana ao tonizia”. Farany! nahazo dera avy amin'ny olona tsy te hiseho ho “mpanome lesona” momba ny zon'Olombelona i Ben Ali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.