Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jona, 2010

Tantara tamin'ny Jona, 2010

26 Jona 2010

Kolombia: manavotra takalon'aina 4 nalain'ny FARC an-keriny tamin'ny 1998 ny Tafika

Tamin'ny alahady 13 Jona tamin'ny mitataovovonana, raha niomana ny hijery ny lalao fiadiana tompon-daka erantany amin'ny baolina kitra ifanandrinan'i Alemana sy Aostralia ny ankamaroan'ireo Kolombiana, nivoaka ny vaovao: minitra vitsy vao haingana, nambaran’ny Filoha Uribe ny fanavotana ny Jeneraly Luis Mendieta sy ny Kolonely Enrique Murillo, Manamboninahitra ao amin'ny Polisim-pirenen'i...

25 Jona 2010

Rosia: Famakafakana ny hetraketraka atao amin'ny mpitoraka bilaogy

Akon'ny RuNet

Tato anatin'ny 5 taona izao dia mpitoraka bilaogy miteny rosiana 40 eo ho eo no lasibatry ny piraty informatika (hackers) ka izany hetraketraka izany dia tarihan'ny vondrona mitondra ny anarana hoe The Brigade of Hell (Ny Brigadin'ny Afobe). Mihetraketraka ireo mpitoraka bilaogy miresaka politika sy varotra izy ireo. Raha mihena...

24 Jona 2010

Ejipta: Fa iza i Mister Ejipta?

Tarek Mohammed Abdel Gawad, 26 taona, no voahosotra ho lehilahy tsara tarehy indrindra any Ajipta tamin'ity taona 2010 ity (Mister Ejipta 2010). Izy koa no solontenan'i Ejipta tamin'ny fifaninanana Mister World 2010 (lehilahy tsara indrindra maneran-tany 2010) natao tany Incheon, tany Korea, vao haingana. Araka ny voalazan'ny Universal Queen: Ny tena...

50 taona taty aoriana, fahaleovantena sy ozon'ny harena voajanaharin'ireo tany Afrikana mampiasa ny teny frantsay

Mankalaza ny faha 50 taona nahazoana ny fahaleovantenany ny tany Afrikana mampiasa ny teny frantsay amin’ity taona 2010 ity. Ho fanamarihaa io fitsingerenana io dia nisy fihaonan’ny Afrika-Frantsa tany Nice, Frantsa noho ny fifandraisana marisarisa eo amin’ny Frantsa sy ireo zanataniny teo aloha lasa resabe eny anivon'ny serasera. Maro ny...

Iran: sarisarin'i Mir-Hossein Mousavi mampisafoaka ireo maitso

Mpanao sariitatra Iraniana lehibe iray sady mpitoraka blaogy mipetraka any Canada, Nikahang Kowsar, dia namoaka sariitatry ny filoha mpitarika ny, Mir-H0ssein Mousavi izay niteraka fanehoan-kevitra maro tao amin'ny media sosialy Iraniana. Mampiseho an'i Mousavi mipetraka eo latabatra iray afaka 10 taona aorian'izao, manoratra ny fanambarany faha-300.

Etazonia: video momba ny fodian'ireo miaramila Amerikana ao amin'ny YouTube

mambabo ny fihetseham-pon'ny olona ny fotoana hiverenan'ny miaramila avy namita ny andraikiny. Ao amin'ny YouTube, dia nitombo isa ireo video mampiseho ny fiverenan'ireo miaramila tato anatin'ny taona maro lasa.

21 Jona 2010

Kenya: Maneho hevitra momba ny fanapoahana baomba tany amin'ny kianjan'i Uhuru ireo mpitoraka blaogy

Olona enina no maty ary 75 no naratra tamin'ilay fipoahana nandritra ny  hetsika ara-politika tany Nairobi tamin'ny Alahady. Nokarakarain'ny vondrona “Tsia” io hetsika io, izay manohitra ny fampihàrana ny lalampanorenana vaovao. Ireo mpitondra fivavahana any Kenya dia nanameloka ny fitondràna tamin'iny fipoahana iny. Ny Filoha Mwai Kibaki sy ny Praiminisitra...

20 Jona 2010

Korea Atsimo sy Avaratra: Tankina noho ny Mondial ny fifampihenjanana

Somary nihanalefaka kely ny fifankahalàna nisy teo amin'ireo Korea roa tonta izay tsy nitsaha-nisondrotra nanomboka tamin'ny faharendrehan'ny sambo mpiady iray an'ny Korea Atsimo noho ny tifitra nolazaina fa avy amin'i Korea Avaratra, noho ny fientanentanam-po miakatra dia miakatra izay tsy misy afa-tsy ny Mondial ihany no mahavita izany. Rakotra fanohanana...

Holandy: Vehivavy roa nosamborina tany amin'ny Mondial fa manao dokambarotra labiera tsy ara-dalàna

Vehivavy Holandey roa miasa any amina orinasa mpamokatra labiera Bavaria any Pays-Bas  no nosamborina noho ny fanaovana dokambarotra ho ana labiera izay tsy mpanohana ofisialy ny Fiadiana ny Tompondaka erantany akory nandritra ny lalao nifanandrinan'i Holandy sy i Danemark tany Afrika Atsimo tamin'ny Alatsinainy teo. Anisan'ireo vehivavy bikàna 30 manao...

China: Fanentanana ny mba hampiasàna ny tena anarana eo anivon'ny aterineto

GV Mpisolovava

Ho an'ny maro amin'ny mafana fo amin'ny fampielezam-baovao, ny fametrahana ny tena anarana eo anivon'ny aterineto dia fanitsakitsahana ny fiainana manokana, kanefa, ao  China, misy sasantsasany amin'ireo olon-tsotra mafana fo no manentana ny hametrahana ny tena anaran'ny tena amin'izay rehetra atao eo anivon'ny aterineto mba hioharana ny tahotra. Tamin'ny volana...