Etazonia: video momba ny fodian'ireo miaramila Amerikana ao amin'ny YouTube

Taorian'ireo volana nolaniana ho an'ny hafa; ary taona maro niadiana ho an'ny hafa – dia mambabo ny fihetseham-pon'ny olona tokoa ny fotoana iverenan'ny miaramila avy namita andraikitra. Ao amin'ny YouTube, dia nitombo isa ireo video mampiseho ny fiverenan'ireo miaramila tato anatin'ny taona maro lasa.

Ato amin'ity video ity, dia nikikiaka ny renim-pianakaviana iray rehefa nahita ny zanany lahy nody an-trano taorian'ny enim-bolana katroka tany Afghanistan. Raha ny fahitàna azy, hoy ny reniny, dia “nihalehibe” izy.

Ny fanampohana ny renin'izy ireo dia fomba fanao, farafaha-keliny ho an'ny sasany amin'ireo miaramila. Nanome fanomezana goavana tsy manam-paharoa ho an-dreniny  noho ny fitsingerintaonan'ny reniny ity miaramila iray ity.

Ny miaramila iray hafa indray dia nanampoka ny zanany tamin'ny nitsidihany azy tany an-tsekoliny. Tsy dia misy fifamalian-dresaka firy ao amin'ny video fa ireo teny hoe “Dada” dia midika zava-dehibe ho an'ireo mpijery.

Tsy ireo zanaka ihany no mahita ireo olon-tiany mandao ny tokantrano hanompo ny firenena. Ato amin'ity video farany ity, dia mamy noho ny mamy ity fodiana ity. Nahazo arahaba feno fitiavana avy amin'ny alikany ity miaramila iray ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.