Holandy: Vehivavy roa nosamborina tany amin'ny Mondial fa manao dokambarotra labiera tsy ara-dalàna

Vehivavy Holandey roa miasa any amina orinasa mpamokatra labiera Bavaria any Pays-Bas  no nosamborina noho ny fanaovana dokambarotra ho ana labiera izay tsy mpanohana ofisialy ny Fiadiana ny Tompondaka erantany akory nandritra ny lalao nifanandrinan'i Holandy sy i Danemark tany Afrika Atsimo tamin'ny Alatsinainy teo. Anisan'ireo vehivavy bikàna 30 manao akanjo miloko laoranjy izy ireo, izay antsoina hoe “raoby holandey”, izay anisan'ny atolotra miaraka amin'ireo fitambarana fanomezana avy amin'ilay mpamokatra labiera holandey (azonao atao ny mijery sary maro momba ny Bavaria ao amin'ny pejy flickr).

Navoaka ny kianja ireo vehivavy rehetra nandritra ny lalao tamin'ny Alatsinainy. Ireo vehivavy holandey roa, izay noraisina ho “mpitarika” ilay dokambarotra kosa nosamborina tamin'ny Alarobia vao mangiran-dratsy ary noampangaina ho nanao varotra tsy ara-dalàna. Navotsotra niaraka tamina sazy 10 000 Rand (1000 Euro eo ho eo) izy ireo tamin'ny Alarobia tolakandro; ary hiakatra fitsaràna amin'ny 22 Jona. Araka ireo tati-baovao maro, mety hahazo sazy enim-bolana an-tranomaizina izy ireo noho ny tsy fanarahan-dalàna tsy nahazo alalana hanao hetsika ara-barotra ao anatiny na manodidina ireo Kianja hanaovana ny Fiadiana Tompon-daka iraisam-pirenena.

Naneho hevitra momba ny zava-nitranga [nl] ny Minisitry ny Raharaham-bahiny holandey, Maxime Verhagen, tao amin'ny Twitter-ny mba hamaliana ny fanontanian'ireo mpampiasa Twitter holandey:

NL ambassade heeft Z-A om opheldering gevraagd, celstraf vanwege het dragen van oranje jurkjes is onzinnig @willemboele

Nangata-panazavàna avy amin'ny SA ny masoivoho holandey, tsy mitombina mihitsy ny sazy fampidirana am-ponja noho ny fanaovana akanjo miloko laoranjy @willemboele

Nandroso hevitra ny hifampitory [nl] amin'ny FIFA any amin'ny fitsaràna koa izy:

Als FIFA een probleem heeft met oranje jurkjes kunnen ze dat juridisch uitvechten met het bedrijf, arrestatie is buiten proportie @edwinv73

Raha manana olana amin'ny akanjo laoranjy ny FIFA dia afaka mitory ny orinasa any amin'ny fitsaràna, mihoa-pampana kosa ny fisamborana olona @edwinv73

Namaly [nl] i @edwinv73, mpampiasa Twitter:

@MaximeVerhagen het is wel goed voor de economie. Bavaria gaat wel nu wereld veroveren. Succes met het vrij krijgen

@MaximeVerhagen amin'ny lafiny iray dia tsara ho an'ny toe-karena koa izany. Hahazo laka manerana izao tontolo izao i Bavaria. Mirary soa amin'ny famoahana azy ireo

Naneso [nl] ny tranga iray manontolo ireo mpampiasa Twitter sasany, toa an'i @SportKnowhowXL:

Op verzoek van hoofdsponsor Hyundai heeft de #fifa besloten dat de Japanse ster Keisuke Honda niet meer aan het #wk2010 mag meedoen #bavaria

Noho ny fangatahan'ny mpanohana voalohany, Hyundai, nanapa-kevitra ny #fifa fa tsy ho afaka handray anjara amin'ny #worldcup2010 intsony ilay mpilalao Japoney malaza Keisuke Honda. #bavaria

Nisy kaonty Twitter manokana noforonina mba hanohanana ireo vehivavy ary hamoahana vaovao farany momba azy ireo: @freethebabes [nl].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.