Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fihetsehampon'ny Ethiopiana Anaty Fiaraha-Mifaly na Fiaraha-Miory, Tsikera Tamin'ny Famotsorana ireo Bilaogera

Free Zone9 Bloggers collage, circulated widely on Twitter.

Petaka Free Zone9 Bloggers, miely fatratra ao amin'ny Twitter.

Tamin'ny Avrily 2014, Nofonjain'ny governemanta Ethiopiana ny mpikambana enina ao amin'ny Zone 9 bloggers sy ny mpanao gazety telo ao amin'ny firenena goavana indrindra amin'ny fangejana blaogera sy mpanao gazety. Taorian'ny fisamborana azy ireo dia nampangaina araka ny Fanambarana 2009 iadiana amin'ny fampihorohoroana, drafi-dalàna nahazo ny fanohanan'ny governemantan'i Etazonia, natao hikendrena ireo andian-jiolahy tahaka ny Al Shabaab ao amin'i Tandrok'i Afrika, ireo blaogera sy ireo mpanao gazety. Lasa fitaovana politika avy eo ilay lalàna, natao hanagadràna mpanao gazety tahaka an'i Eskinder Nega sy Reeyot Alemu.

Nosintonina ireo vesatra niampanga ny blaogeran'ny Zone9: Zelalem Kiberet, Tesfalem Waldyes, Asmamaw Hailegiorgis, Mahlet Fantahun ary Edom Kassaye ary navotsotra avokoa izy dimy ireo. Mpikambana efatra nanorina ny vondrona kosa no mbola hiatrika ny vesatra ao an-tranomaizina. Ireto avy izy ireo: Befeqadu Hailu, Natnael Feleke, Atnaf Berahane ary Abel Wabela.

Navotsotra ihany koa tamin'ny zoma lasa teo ny mpanao gazety Reeyot Alemu izay nampangaina ihany koa tamin'io lalàna io tamin'ny 2011.

Nampiseho ny tsi-finoany i Bilena, namana akaikin'ny blaogeran'ny Zone9, tamin'ny fandrenesana ny vaovao ato amin'ity sioka manaraka ity :

Mihinjaky ny hafaliana sy ny tsi-finoana aho!!! dimy minitra miala an'i Tesfalem no misy ahy. Hahita azy aho tena marina ve izao???

Miteraka fifangaroharoam-pihetsehampo amin'olona maro ny tsy fahafantarana izay mahazo ny sisa amin'ireo mpanaogazety sy bilaogeran'ny Zone9.  Mahlet Solomon, mpandrindra ny fitia tsy mba hetra ho an'ny Zone9, izao dia sady nampiseho fifaliana no nampiseho alahelo :

NIeritreritra fa nihinjaky ny hafaliana aho, fa tsy faly ihany koa aho ary manahy rehefa mahatsapa fa ny fianakavian'i Natty, Abel,…

Mpisolovava Ethiopiana Aklile Solomon nanao izao fomba fanaraha-maso izao :

As happy as i am to see them walking free and reunited with their loved ones i cant help but wonder how good a news this really is. They were just released, no explanation, no reason, no justification???? The Ministry of Justice dropped the charges which means they can be charged again. A life filled with fear is what i see, afraid of the unkown and what could happen next….what about the rest? How are they “
different?

Amin'izao hafaliako izao hahita azy ireo afaka sy afa-miaraka indray amin'ireo olon-tiany dia tsy voatanako ny mieritreritra ny tena fahatsaran'ity vaovao ity. Vao navotsotra izy ireo, tsy misy fanazavana, tsy misy antony, tsy misy fanamarinana???? Nosintonin'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny vesatra fiampangana izay midika fa mbola azo hiampangana azy ireo indray. Fiainana feno tahotra no hitako, tahotry ny tsy fantatra sy izay mety hitranga manaraka… Ahoana ireo sisa? Fa ahoana ny naha-hafa azy ireo?

Eskedar Alemu, rahavavin'i Reeyot Alemu, nizara sariny miaraka amin'ny rahavaviny ary mampiseho ny hafaliana tamin'ny fisaorana ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fanentanana ho famotsorana azy:

በጣም ደስ ብሎኛል !
ሁሌ ነገሪ የሆነች እህቴ ዛሬ አ|ጠገቤ አለች ለዚህም ደስ ብሎኛል ! ይህ ደስታ የኔ ብቻ አይደለም ስለ ሉልዬ ( ርዕዮት) የምትጨነቁ በሙሉ ነው፣ ልክ እንደ እህቴ እና ወንድሜ የምሳሳላቸው ማህሌት ፋንታሁን፣ ኤዶም ካሳዬ፣ ተስፋለም ወልደየስ፣ ዘላለም ክብረት፣ አስማማው ሀ/ጊዮርጊስ ከእስር ተፈተውልኛል፣ደስታዬም ይበልጥ ድርብ ሆኖልኛል ፣ ቀሪዎችም ከእስር እንደሚፈቱ እምኔቴ ፅኑ ነው፡፡ለሁሉ ነገር ፈጣሪ የተመሰገነ ይሁን .አሜን !!!

Mihiratra tanteraka ny androko faly aho fa ny ahy rehetra sady rahavaviko dia eto akaikiko, tsy izaho irery no mizara izany hafaliako izany fa ireo izay miahy fatratra azy ihany koa ary ny tena mampitombo ny fifaliako dia ny nanafahana ihany koa an'i Mahlet,Edom,Tesfalem,Zelalem ary Asmamaw ary manantenafa ho afahana ihany koa ny ambiny ary isaorana Andriamanitra

Maro ny tombatombana manodidina ny antom-pamotsorana. Misy ny sasantsasany mandresy lahatra fa ny famotsorana azy ireo dia nipongatra avy amin'ny fikasana fitsidihan'n'ny filoha Obama ny firenena amin'ity volana ity. Maneso ny fihetsiky ny governemanta i Alemayehu:

as #obamascare driven from the popular #obamacare tag

tahaka ny tahotra Obama [Obamascare] avy amin'ilay Fiahiana Obama [Obamacare] malaza.

Temesgen Feseha nanamarika:

I was getting annoyed with all the fuss about obama coming here. The city is supposed to be in lockdown for the safety of his visit. But After hearing that some of the bloggers and journalists were being released, i think it’s worth it. Now i hope the US President comes to visit every year. Every month if he's not busy. Or even saying he's coming, even if he doesn't.‪#‎LeasingFreedomOfSpeech‬ ‪#‎FreedomOfSpeechIsVisiting‬

Leo tamin'ity resaka fientanentanana tsy mahazatra amin'ity fitsidihan'i Obama ho avy ity aho. Heverina hihidy tanteraka ny tanàna mba hampilamina ny fitsidihany. Saingy taorian'ny nandrenesana fa navotsotra ny sasantsasany tamin'ireo blaogera sy mpanao gazety dia nieritreritra aho fa nilaina ilay izy. Ankehitriny manantena aho fa ho avy isan-taona ny filohan'i Etazonia. Isam-bolana raha tsy sahirana izy. Na miteny hoe ho avy izy na dia tsy ho avy aza.

Samuel Gebru tsy resy lahatra fa ny fitsidihan'ny Filoha Obama no nanafaingana ny famotsorana azy ireo :

Simply put, the terrorism charges against journalists like Tesfalem Waldyes and Reeyot Alemu were absurd and groundless to begin with but don't be mistaken, their releases have nothing to do with President Barack Obama's upcoming visit to Ethiopia.

Mipetraka tsotra, fahadalana sy tsy misy fototra ny fiampangana fampihorohoroana ireo mpanao gazety tahaka an'i Tesfalem Waldyes sy Reeyot Alemu ho fanombohana saingy aza diso fihevitra, tsy misy ifandraisany amin'ny fitsidihan'ny Filoha Obama ho avy io ny famotsorana azy ireo.

Misy ireo sasantsasany manombana fa ny famotsorana dia mety misy ifandraisany amin'ny Valandresaka Momba ny Famatsiam-bola ho amin'ny Fampandrosoana (#FFD3) tohanan'ny Firenena Mikambana, izay tontosaina ao Addis Ababa. Jomanex, namana akaikin'ny vondrona Zone9,

Fampandrosoana ao anatin'ny jadona no “fanambinan'ny” olona vitsivitsy, Ohatra amin'izany i Ethiopia.

Ary  mailaka i Mekdi G tamin'ny fanondroana ny fifanoherankevitra hita ao amin'ny fampandrosoana an'i Ethiopia:

Raha tena miahy ho amin'ny fampandrosoana tokoa ianao dia atsaharo ny famonoana amin'ny anaran'ny fampihorohoroana ny nofinofin'ny tanora Ethiopiana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.