Jereo i Afrika Tsy Ho Asehon'ny Media Anao Mandrakizay

Screenshot of some of the images found under the hashtag #TheAfricaTheMedia

Pikantsarin'ny sasantsasany amin'ny sary hita amin'ny hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou ao amin'ny Twitter.

Ny fandokoana an'i Afrika nataon'ny gazety be mpanaraka, indrindra fa ny fampitam-baovao tandrefana, no mandoko azy ho toerana maizina, ratsy, tsy misy fanantenana anjakan'ny ady an-trano, vondrona mitam-piadiana, kolikoly, fanitsakitsahana ireo karazam-pahafahana, hanoanana, korontan'ny fifehezana ny tanandehibe ary ny fahakiviana tanteraka. Mahatonga ny olona tsy mbola nandeha taty Afrika ho diso eritreritra momba ny kaontinanta izany.

Niara-nirona ary ny Afrikana ato amin'ny Twitter hampiseho ny hatsarana, ny fahamaroana sy ny havaovaon'ny maritrano maoderina eto amin'ny kaontinanta izay zara raha asehon'ny fampitam-baovao tandrefana amin'ny mpijery, mpihaino ary ny mpamaky azy izany. Nanomboka tamin'ny hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou nataon'ny mpisera Twitter Mango izany:

Miaraha aminay hampiseho ny hatsaràn'i Afrika

Vetivety monja taorian'izany, maro ireo mpisera nanatevin-daharana ny ezaka. Indro ny santionan'ny sioka hita tao amin'ny fanentanana.

Nairobi, Kenya:

Antananarivo, Madagasikara:

Khartoum, Sodàna:

African food:

BadassAfricanne: “Afrikana mihinana bibikely”

Mariazy Afrikana:

Limpopo, Afrika Atsimo:

Somalia:

Lagos, Nigeria:

Ao Lagos tanàna iray manontolo naorina avy amin'ny tany tamin'ny ranomasina. Fandrosoana mivaingana

Ogandà:

Côte d'Ivoire:

Soweto, Afrika Atsimo:

Tanàna ambanivohitra Afrikana:

Tanàna nentim-paharazana Afrikana isan-karazany

Aswan, Ejipta:

Trano Nubia ao Aswan, Ejipta

Cape Verde:

Tanindrazan'ny fianakaviako mahafinaritra ao Cape Verde

Misy ny fitomboan'ny faniriana lalina eo amin'ny Afrikana hifehy ny fitantaran-dry zareo ary ohatra iray amin'izany ny hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou. Misy koa ny tranonkala tahaka an'i Africa is Country sy ny This is Uganda miezaka ny hanova ny famariparitana an'i Afrika ao amin'ny fampitam-baovao lehibe.

Fanamarihana avy amin'ny tonia amin'ny teny malagasy : manasa anao izahay hitsidika ny Global Voices teny malagasy niavian'ity lahatsoratra ity raha toeran-kafa no ahitanao azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.