
Sarin'i Pierre Nkuruzinza, filoham-pirenena ao Borondi. Sary navoaka tao amin'ny Sehatra Fitafàna Toekarena Maneran-tany, nampiasàna ny Creative Commons.
Niteraka fisian'ny hetsi-panoheran'ny vahoaka maro be ny andrana nataon'ny Filoham-pirenen'i Borondi Pierre Nkurunziza hampitombo ny fe-potoam-pitondrany firenena izay voafetra ho indroa ihany ary taoriana kelin'izany dia niharan'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby nataon'ny tafika izy tamin'ny 13 Mey 2015 raha namonjy fivorian'ny faritra tany Tanzania. Nampihemotra ny fiverenany tao Borondi izany fanonganam-panjakana izany.
Mitotaly 18 ireo firenena Afrikanina izay tsy misy fetrany ny fotoam-pitondrana firenena, eny na dia maneho aza ireo fikarohana vaovao natao fa indroa ihany no fetra farany zakan'ny ankamaroan'ny vahoaka Afrikanina hitondran'ny filoha iray firenena. Mbola misarangotra fahefana ihany anefa ireo Mpanao politika, eny na dia efa hita soritra eny amin'ny endriky ny olona tsirairay aza fa efa tsy te hitsiky intsony izy ireo, kanefa araka ny torohevitry ny dokotera dia ilain'ny fahasalamana ny mihomehy na dia kely fotsiny aza.
Niteraka bitsika nifanesisesy nifangaro hanihany ilay fanonganam-panjakana tao Borondi, indrindra indrindra fa avy any amin'ireo vahoaka Ogande izay manana filoham-pirenena mikasa ny hitondra firenena fanindiminy.
Nanoratra i Kemigisa Jacky, teratany Ogande iray mpianatra ho mpanao gazety, mikasika ny fanambarana nataon'i Nkurunziza araka ny tatitra heno izay milaza fa neken'Andriamanitra ny fangatahany fe-potoam-pitondrana fanintelony:
But I am curious to know what God is now telling Nkurunziza! Considering it was God who okayed 3rd term run. #AskNkurunziza
— kemigisa jacky (@JackyKemigisa) May 13, 2015
Fa tiako ho fantatra hoe inona no bitsihan'Andriamanitra amin'i Nkurunziza amin'izao fotoana izao! Raha toa ka Izy no nankasitraka ny fangatahan'i Nkurunziza hitondra fanintelony ny firenena . #AskNkurunziza
Manontany an'i Nkurunziza i MartinAhabwe, Ogande mpampiasa Twitter, :
Any improvement on your Maths chief,which term is it now,1st,2nd or Zero? #AskNkurunziza
— MartinAhabwe (@AhabweMartin) May 13, 2015
Mila manatsara ny kajikajinao ianao sefo, fe-potoam-pitondrana fahafiry izany izao,voalohany, faharoa sa Tsy misy? #AskNkurunziza
Nisy olona sasantsasany namorona ny tenifototra #NkurunzizaPlaylist, ka ao izy ireo no mizara ny lohatenin'ireo hira atolony ho an'i Nkurunziza.
Ity lahatsary YouTube eto ambany ity dia navoakan'i Mkandamizaji tao amin'ny Twitter ary nampiasàny ny #NkurunzizaPlaylist. Talohan'ny niverenan'i Nkurunziza avy any Tanzania ho any Borondi ary taorian'ilay fanonganam-panjakana io. Ny lohatenin'ilay hira dia “Hody Any Amiko Aho” an'i Morgan Heritage:
Nisafidy ny hiran'i Tupac Shakur, ilay teratany Amerikana mpihira ny gadona Rap kosa i Allan Ssenyonga, teratany Ogande mpampianatra sady mpanoratra :
It's me against the world – 2Pac (Nkurunziza is on the extreme right) #NkurunzizaPlaylist pic.twitter.com/QK4eKkwkYy
— Allan Ssenyonga (@ssojo81) May 13, 2015
Izaho irery no miady amin'izao tontolo izao – 2Pac (Ary amin'ny sisiny ankavanana indrindra i Nkurunziza) #NkurunzizaPlaylist pic.twitter.com/QK4eKkwkYy
Ilay mpanakanto Amerikana Tyrese kosa no niantefan'ny safidin'i Ellis Ralph, Ogande iray mpampiasa Twitter :
How You Gonna Act Like That – Tyrese #NkurunzizaPlaylist
— Ellis Ralph (@akorabirungi) May 13, 2015
Inona No Mahatonga Anao Hanao Toy Izao? – Tyrese #NkurunzizaPlaylist
Ny mpihira R.Kelly kosa no nosafidian'i Odokonyero, mpianatra momba ny farmasia:
#BurundiCoup #NkurunzizaPlaylist If I Could Turn Back The Hands Of Time | R.Kelly.
— Odokonyero (@OdoKent) May 13, 2015
#BurundiCoup #NkurunzizaPlaylist Raha Mba Afaka Namerina Ny Fotoan-dasa moa aho | R.Kelly.
Nisafidy an'i Imogen Heap, ilay teratany Anglisy mpihira sady mpamoron-kira kosa i Elizabeth Paulat, mpanao gazety mahaleo tena mipetraka ao Kampala, Oganda:
HA! Amazing #NkurunzizaPlaylist I'll add “Hide and Seek” by Imogen Heap https://t.co/74fnVHxcPd
— Lizabeth Paulat (@LizabethPaulat) May 13, 2015
HA! Dia mahagaga loatra #NkurunzizaPlaylist Mbola ampiako an'ilay hira hirain'i Imogen Heap hoe “Manao Fangalam-piery” https://t.co/74fnVHxcPd
@mmnjug kosa dia nisafidy an'i Mark Morrisson, ilay teratany Anglisy mpihira mpanao ny gadona R&B :
#NkurunzizaPlaylist – Return of the Mack!
— mmnjug™ (@mmnjug) May 15, 2015
#NkurunzizaPlaylist – Ny fiverenan'ilay Maty!
Naka sary an-tsaina an'i Nkurunziza tafahitsoka aminà trano iray ao Tanzania i Royco Guy :
When yo stranded in Tanzania and you only got 1 suit pic.twitter.com/8kwaSSYfqX
— The Royco Guy (@Currie_Powder) May 13, 2015
Rehefa tafahitsoka ao Tanzani ianao ary trano lehibe iray ihany no azonao ipetrahana pic.twitter.com/8kwaSSYfqX
Nandefa fisainana teo ihany koa izy ny amin'ny fomba fikarakaran'ny mpiasan'ny trano fandraisam-bahiny azy amin'ny maha ‘filoham-pirenena teo aloha azy':
When the hotel manager in Dar Es Salaam asks you to get out of the VIP room coz it's only reserved for presidents…. pic.twitter.com/D5QKNhZ2NW
— The Royco Guy (@Currie_Powder) May 13, 2015
Rehefa roahan'ny lehibe mpitantana ny hotely ao Dar Es Salaam hivoaka ny efitra voatokana ho an'ny OLONA MANAM-BONINAHITRA ianao satria natokana ho an'ny filoham-pirenena ihany izany…. pic.twitter.com/D5QKNhZ2NW
Na eo aza ny krizy politika izay mandrendrika an'i Borondi, dia ny mitsiky ihany no fanafody tsara indrindra.