Zambia : Nahatonga Resabe Ilay Fiara Raitra Vaovao An'ny Zanaky ny Filoha

Toy ny hoe tsy misy fetrany ny ampamoaka ara-politika ho an'ireo Zambiana ankehitriny. Eo afovoan'ny fanadihadiana ny zanakalahin'i Banda, filoha teo aloha, noho ny fandanim-bola mampiahiahy talohan'ny fifidianana, dia ilay zanaky ny Filoha vaovao Mulenga Sata ankehitriny no eo anivon'ny resabe taorian'ny fanambaràn'ny Tale mpanantanteraka ny Komitim-bahoaka Gregory Chifire fa hoe vao nahazo fiara roa lafo vidy mitentina 1,8 miliara Kwacha zambiana (eo ho eo amin'ny  200.000 dolara eo).

Ireo Zambiana dia naneho hevitra momba ilay ampamoaka tao amin'ny vohikala Zambian Watchdog :

Mpimpa milaza hoe :

Tsy mivadika amin'ny teny faneva politikan'ny PF  hoe vola bebe kokoa mankany am-paosinao, Tsy hitanay izany vola izany, mbola mandeha mandry eny am-pandriana tsy nihinana afa tsy sakafo in-dray mandeha ihany izahay, kanefa ny mpray vodirindrina aminay mividy fiara raitra mitentina 1 miliara. Adray izany ohatra asehonao Andriamatoa Filoha. Azafady mba araho izay tenenin'ny vavanao, natao ho an'ny fianakavianao akaiky izany. Andriamanitra o, iantrao izahay!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

Ilay zanaky ny filoha Michael Sata (mitàna camera). sary natolotry ny Zambian Watchdog.

KimZ dia manampy hoe :

Mukanwa mukikopo, ary nahoana no manontany ny zanak'i RB isika raha toa ka fantantsika fa manana tombony amin'ny fividianana fananana toy ny zanaky ny filoha rehetra izy ? sa kosa ve nataon'ny zanak'ilay rangahy tianao ilay izy ka dia tsy mampaninona ? Amin'izao fotoana izao, ny olona dia mankahala ny K2.1 miliaraan'i Liato ary Liato dia ministra nandritra ny fotoana naharitra. Mulenga, izay ny rainy dia tsy mbola nahavita 90 andro tao amin'ny biraony akory dia nandany K 1,8 miliara hatreto. Azaonao an-tsaina izany hoe ohatrinona no ho laniny anatin'ny 5 taona fotoam-pitondran'ny rainy ity firenena ity.

Ilay lahatsoratra dia manamarika fa ny laharam-pahamehan'i Mulenga dia ny maha-mpanafatra alika ho an'ny tsena Zambiana ary amin'izany i Sipho dia manàla azy somary mampihomehy amin'ny hoe :

naine ndeya muku order ama puppies kuti wa wina!!! [dikan-teny : na dia hanomboka ny fanafàrana alika aza aho, angamba mety handresy aho/ho lasa mpanankarena].

Amin'ny fanamarihana iray matomatotra kokoa, Kabanshi mitaraina hoe :

Tena mampalahelo ny mahita fa satria ve ny rainy filoha dia tsy manana zo ny hanana fiara tahaka io izy, raha ny olona tahaka ahy izao no manana izany dia tsy misy miraharaha, maneho ity fanambarana ity aho sy ny olona maro hafa fa mila mampiseho fahamatorana ny fomba fitsikeranareo ny olana momba ny tombontsoam-pirenena. Ny zava-misy dia mamaky tsikera ratsy be ianareo izay tsy misy dikany akory satria fotsiny hoe ny olona manana mpijery izay heverin'izao karazana olona rehetra izao fa manam-baovao. Io lehilahy izay milaza azy ho mpitarika io ONG io izay vao androany vao mba henoko ny momba azy dia tsy hitondra afa tsy tantara izay mety noresahiny sy ireo namany tany an-trano fisotroana ary mazava ho azy fa io gazety io dia mihevitra fa marina ny zavatra rehetra na tsy misy loharanom-baovao azo itokiana akory aza. Mahamenatra!!!

Black Doyo dia miaro ny zanakalahin'i Sata :

O re olona a, mba jereo ny zava-misy ! Mulenga anie ka Injeniera sivily ambony e. Manam-pahaizana io zalahy io.

Ireo mponina anaty aterineto koa dia naneho ny heviny tamin'ny hetsika tsy manam-paharoa teo amin'ny politika Zambiana taorian'ny fangatahan'ny filoha ny sampan-draharaha mpampihatra ny lalàna ao amin'ny firenena, mba hanadihadiana ny zanany ary nandrisika an'Andriamatoa Chifire hanambara ny fihetsika mampiahiahy rehetra misy ifandraisana amin'ilay fianakaviana voalohany any amin'ny tomponandraikitr'ilay sampan-draharaha mahefa hampihatra ny lalàna.

Niresaka izany tao amin'ny Tumfweko.com, Tumbo Tumbo dia miteny hoe :

Ingahindriana Sata dia nanao izay zavatra tsy vitan'i RB sy ireo filoha hafa na oviana na oviana mihitsy. Ny fametrahana ny zanany ho eo amin'ny DEC sy ny polisy dia maha-te hidera.  Tokony hitandrina fatratra i Chifire, toy ireo bilaogy sasany izay mitsara ny hafa any anaty gazety, tsy lazaina intsony ireo voaendrikendrika manana fotoana hamaliana na hiarovan-tena. MULENGA Sata dia olona mahalala fomba.
Manantena aho fa Chifire dia manana porofo.

I Sata koa dia tokony hilaza sy hamoaka ho hitam-poko hitam-pirenena ny nitranga tamin'ilay tatitra nangatahany tamin'ny kabinetra, ary hanadihady ireo elatra momba ny DR MITI, izay nofoanana tao anatin'ny 24 ora ny fanendrena azy ho Ambasadaoro tany amin'ny WHO, ao “Genève”. Manana lanja goavana ny fanehoan-kevitry ny daholobe ho an'ny Zambiana, tahaka izany koa ny an'ny zanany lahy, MULENGA. Manana antoka isika, Ingahindriana Sata, Filoha tsy azo hozongozonina. Avelao Miti sy MULENGA ho voadion'ny fanadihadian'ny elatry ny GRZ!!! Ampahibemaso!!!

Mulenga, tamin'ny alalan'ireo mpisolovavany, dia nanome 48 ora an'i Gregory Chifire mba hialàna tsiny na hitondra azy eny amin'ny tribonaly. Chifire dia milaza fa tsy matahotra izy ary efa miandry ny polisy fotsiny hiantso azy mba hilazany izay zavatra fantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.