· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Oktobra, 2018

Feo avy ao amin'ny Wiki

  24 Oktobra 2018

Ampahany amin'ny majikan'ny olombelona sy ny ara-teknika ahafahan'ny Global Voices miasa ny wiki velona, izay ahafahan'ny mpiserasera manerantany milaza amintsika momba ny bilaogy sy ny tranonkala tokony hodinihantsika, sy ahafahantsika miara-manova tahirin-kevitra toy ny ny Torolàlana ho an'ny bilaogy tsy mitonona anarana.

Pakistana : Misokatra ny fihazàna mba hahitàna an'i Baituallah Mehsud

  18 Oktobra 2018

Nampangaina ho namono ilay Praiminisitra teo aloha, i Benazir Bhutto i Mehsud, ilay lehilahy karohina fatratra ao Pakistana. Tomponandraikitra tamin'ny fanafihana ilay akademian'ny polisy tao Lahore  ihany koa izy ary ahiana ho tomponandraikitra tamin'ny fanafihana maro samihafa mitovy amin'izany. 50 tapitrisa roupia no atolotra izay hahita azy.

Bangladesh: Ireo Fifidianana 2008 Sy Ny Fikatrohana Anaty Aterineto

  16 Oktobra 2018

Fifidianana tao Bangladesh ny 29 Desambra 2008, fifidianana solombavambahoaka efa tena nandrasana fatratra. Fampielezankevitra mizotra amin'ny fomba tena samihafa amin'ny fifidianana filoham-pirenena natao vao tsy ela akory tao Etazonia, ka tany ireo median'ny olom-pirenena, ny fanentanana fifidianana sy ny fanangonambola, amin'ny aterineto, dia tena nanan-danja tokoa

Sri Lanka : Nampiakatra adi-hevitra i Akon

  16 Oktobra 2018

Mety hanontany tena angamba ianao hoe inona no mety ho vokatry ny rakikira iray? Niteraka adihevitra tao Sri Lanka ilay lahatsarin’i Akon izay sady mpihira no mpamoron-kira R&B, Sexy Chick, izay mampiseho andian-jatovovavy zara fa mitafy sady mandihy amin'ny fety iray eo amoron’ny dobo filomanosana sady manoloana ny sarivongan’i Boddha.