Pakistan: Fahafatesan'i Bhutto sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fifidianana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)

Mbola ao anatin'ny dona, The Emergency Times, izay manara-maso akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha ara-politika ao Pakistana, manoratra hoe:

At this tragic moment in the history of Pakistan, we at the Emergency Times are shocked beyond words at this intolerable and brutal act of the murder, along with others, of possibly the most popular leader of our country. No words can adequately condemn this barbaric act, which can only lead to more death and destruction for this tortured land. Her death will leave a gaping chasm in our country's leadership. One can only hope, beyond hope, that the perpetrators are brought to justice.
May God help us all.

Amin'izao fotoana mampalahelo eo amin'ny tantaran'i Pakistana izao, tohina tsy mahita lazaina izahay ato amin'ny Emergency Times manoloana ity fihetsika vono olona tsy misy fandeferana sy feno herisetra nihatra tamin'ny mpitarika malaza indrindra (angamba) ao amin'ny firenentsika. Tsy misy teny ampy hanamelohana ity fihetsika feno habibiana ity, izay mety hitarika fahafatesana sy fandringanana bebe kokoa ho an'ity tany nampijaliana ity. Hamela hantsana goavana ao amin'ny fitantanana ny firenentsika ny fahafatesany. Ny hany antenaina, ankoatra ny fanantenana, dia hoentina eo anatrehan'ny fitsarana ireo nahavanon-doza

Pickled Politics manome rohy mankany amin'ny vaovao ary mpaneho hevitra iray manoratra hoe “Ny famonoana ireo olo-malaza ara-politika dia marika ratsy ho an'ny fiarahamonina, satria manaporofo mazava ny tsy fahampian'ny fahatokisana sy ny fanajana ireo andrim-panjakana sy ny fiarahamonina izany. Ny hany fanantenana dia hoentina eo anatrehan'ny fitsarana ireo mpanao heloka bevava.

Nisy fomba fijery hafa koa nipoitra, mijery an'i Bhutto ho mety ho mpitarika sy mpiantsehatra amin'ny politika iraisam-pirenena. Counter Terrorism Blog nilaza hoe:

She was someone who the U.S. could actually work with to seek a way forward for Pakistan in light of the profound challenges posed by religious intolerance and political extremism, the drug trade, governmental institutions that do not provide essential services in many areas of the country, and Pakistan's troubled relationships with of its immediate neighbors — Afghanistan, India, and Iran.

Her faults were also profound, as the well-documented grand corruption cases brought against her and her husband attest. She did indeed treat her country like it was a family-owned business, with corrosive results. These includied her removal from power in 1990 and again in 1996 as the corruption both weakened her politically and played a significant role in her inability to deliver the reforms needed to make Pakistan's government responsive to the needs of its people

Izy dia olona mety afaka miaraka miasa amin'i Etazonia mba hitady lalana ho an'i Pakistana manoloana ireo fanamby lalina nateraky ny tsy fandeferana ara-pinoana sy ny extremisma ara-politika, ny fivarotana zava-mahadomelina, ireo andrim-panjakana izay tsy manome tolotra ilaina any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena, ary ny fifandraisana mikorontana eo amin”i Pakistana sy ireo mpifanolo-bodirindrina akaiky azy – Afganistana, India ary Iran.

Lalina ihany koa fahadisoana nataony, araka ny fanamarinana momba ireo tranga kolikoly goavana hanenjehana azy sy ny vadiny ary voarakitra tsara. Tena nitondra ny fireneny toy ny orinasam-pianakaviana tokoa izy, ary nahitana vokatra mahatsiravina. Anisan'izany ny fanesorana azy teo amin'ny fahefana tamin'ny taona 1990 sy tamin'ny taona 1996 raha namparefo ny politikany ny kolikoly ary nandray anjara mavitrika tamin'ny tsy fahafahany nanome ny fanavaozana ilaina mba hahatonga ny governemantan'i Pakistana hihaino ny filàn'ny vahoakany.

The Moderate Voice kosa manana tantara fohy momba an'i Benazir Bhutto, anisan'izany ny vaovao momba ny rainy izay efa Praiministra tao Pakistana ihany koa, ary voaheloka ho faty tamin'ny taona 70 noho ny fiampangana mitovy amin'izay natrehan'i Benazir taty aoriana.

Avy amin'ny sisintany, Indian Muslims maneho hevitra momba ny famonoana, ary miady hevitra momba ireo  teorian'ny teti-dratsy samihafa.

The hands of Nawaz Sharif cannot be completely ignored as he too had his reason for her removal: He now is the only national level leader who has experience as a Prime Minister. He is now sure to take over as PM of Pakistan. The chances of this conspiracy are rare but you never know with these opportunistic and individualistic politicians.

Tsy azo tsinontsinoavina tanteraka ny tànan'i Nawaz Sharif satria manana ny anton'ny fanesorana azy koa izy: Izy irery no hany mpitarika ny firenena manana traikefa amin'ny maha-praiminisitra. Azony antoka izao ny fifehezana amin'ny maha-praiminisitra ao Pakistana. Mety ho tsy misy izany teti-dratsy ity saingy tsy fantatrao velively ny amin'ireo mpanao politika mpanararaotra sy tia tena

Mandritra izany fotoana izany, nahazo fanehoan-kevitra an-jatony ny lahatsoratr'i Sepia Mutiny momba ny fahafatesan'i Bhutto. Hoy ny mpitsikera iray

One wonders if she truly felt she would be safe in Pakistan. Love of country and desire to contribute aside, is there some shred of a risk-taking thrill inherent in this endeavor she had embarked upon? Some level of martyrlike delusion, however deeply buried? Can any of us imagine being devoted enough to any political cause to risk our life so boldly? Was it worth it, Benazir?

Truly sad. Whither Pakistan?

Misy ny manontany tena raha tena nahatsapa voaaro izy tany Pakistana. Ny fitiavana ny firenena sy ny faniriana handray anjara, misy ahiahy tamin'ny fandraisana fahasahiana nidirany ve? Ambaratongam-pahadisoam-pijery ho maritiora, na dia nalevina impito mandifotra olona aza? Azontsika sary an-tsaina ve ny manokan-tena ho an'ny fotokevitra ara-politika ka lasa sahisahy foana eo amin'ny fiainantsika? Sarobidy ve izany, Benazir?

Tena mampalahelo. Ho aiza i Pakistan?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.