Vonjitaitra ao Pakistana 2007


(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 2007)

Tsy misy vaovao intsony ato anatin'ity pejy ity: Jereo ny pejy Fandrakofana Manokana ato amin'ny Global Voices momba ny Famonoana an'i Benazir Bhutto.


Protest at Lahore High Court 05 Nov ‘07Ny fahatelon'ny volana Novambra 2007, nanambara ny Filohan'i Pakistana sady Lohan'ny Tafika, Pervez Musharraf, fa latsaka an-katerena ny firenena. Namoaka Baiko Vonjimaika momba ny Làlampanorenana ny governemanta. Na dia niditra an-keriny tao amin'ny Fitsarana Tampony tao Islamabad aza ny Tafika, ary nihazona ny Lehiben'ny Fitsaràna Iftikar Chaudhry, niakatra ny fahamatoran'io olana io rehefa notapahana ireo fantsona fahitalavitra tsy miankina, nosakanana ireo finday tao an-toerana ary nahena ny fidirana Aterineto.

Namaly io toejavatra io ireo bilaogera ao Pakistana, na dia mety hampidi-doza ny fiarovana ny tenan'izy ireo aza ny fanakianana ny governemanta sy ny fanaovana hetsika. Tsy izao no fotoana voalohany nanehoan'ireo bilaogera tao amin'ny firenena ny tsy fankasitrahan-dry zareo. Teo aloha, rehefa nosakanan'ny governemanta ny fidirana tamin'ireo bilaogy nampiantranoan'ny Blogger.com, nisy hetsika anaty aterineto mitondra ny anarana hoe “Don't Block the Blog” natao. Nitotona aminà fotoana niakaran'ny fanafihana ireo olompirenena tao amin'ny firenena ny Vonjitaitra ao Pakistana, ireo daroka baomba tao Karachi no iray tamin'ireo fanafihana farany indrindra.

Filaharan'ny Zava-niseho tato amin'ny Global Voices

Des 27 – RIP: Benazir Bhutto an'i Pakistana
Nov 08 – Pakistana: Hetsipanoheran'ny mpianatra, Mpitandro Filaminana sy ny Fiainana Ambanin'ny Tany
Nov 08 – Pakistana: Fomba Fijery avy any Afovoany Atsinanana
Nov 07 – Pakistana: Fandriampahalemana, Fikatrohana Mafana Fo ary Vonjitaitra
Nov 06 – Pakistana: Tafika avokoa, tsy misy Lalàna
Nov 05 – Fandrakofana Manokana ataon'ny Global Voices momba ny Vonjitaitra ao Pakistana
Nov 05 – Pakistana: Media, Fihetsehana ary Vonjitaitra
Nov 03 – Fahalatsahana An-kateren'i Pakistana
Nov 03 – Pakistana: Fanambaràna Fahalatsahana an-katerena – Tsy misy Vaovao, Tsy Misy Aterineto.


‘Free the mediaMisintóna dika iray (PDF) an'ny The Emergency Telegraph, bokikely fampahalalàna novokarin'ireo mpianatra mpikatroka mafana fo tsy miankina ao amin'ny Emergency Times. Boky torolàlana ho an'ireo mpikatroka mafana fo manoro ireo fomba hiatrehana ny fahatapahan'ny media izy io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.