Manana antony roa fanampiny hitarainana momba ny fifamoivoizana ny renivohitr'i Bangladesh

Eo an-dalana ny fanamboarana Metro ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Sary avy amin'i Sharifuzzaman Aayan. Ambany lisansa CC BY-SA 5.1 

Fantatra hatry ny ela amin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana i Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Antenaina hamaha ny olan'ny fitohanana isan'andro manerana ny tanàna ny tetikasa ankehitriny MRT zotra 6 manana halavana 20km. Saingy niteraka aretin'andoha hatrany ho an'ireo mpivezivezy ity tetikasa izay natao hanamaivanana ny olan'ny fitohanan'ny fiara ity.

Nahatonga ny tanàna ho “tsy mihetsika” ara-bakiteny ny fifamoivoizana mifandraika amin'ny fananganana. Taorian'ny nanambaran'ny governemanta drafitra hanamboatra zotra MRT roa fanampiny, kanefa mbola tsy vita akory ny zotra MRT 6 tany am-boalohany, niditra media sosialy ny mponin'i Dhaka mba haneho ny fahasorenan'izy ireo.

Olan'ny Lalamby Metro ao Dahaka

Nanomboka tao Dhaka tamin'ny taona 2016 ny fanamboarana ny Metrorail voalohany (MRT Zotra 6) ary nahemotra hatramin'ny taona 2021 ny famitana azy.

Vao mainka nampitombo ny olana amin'ny fitohanana ny fanamboarana, satria manery ny arabe. Nakatona ny atsasaky ny arabe any amin'ny toerana sasany, nahatonga ny fifamoivoizana ho mahatsiravina ka marobe ireo fiara miandry mandritra ny ora maro. Miteraka vovoka betsaka ihany koa ny fananganana ary miteraka tabataba.

Abdul Awal, mpamaky iray, milaza momba ny fijaliana tao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratra ao amin'ny Daily Prothom Alo:

এক মেট্রোরেলের কাজের জন্য জ্যামে বসে থাকতে থাকতে পশ্চাৎদেশ যে পরিমান ঘা হয়েছে তা শুকাতে শুকাতেই আরও কয়েক বছর লাগবে, তার উপর আরও দুইটা!!! এই জীবনে আর ঘা শুকানো হচ্ছে না বস!!!

Mila taona maro vao ho sitrana ny fanaintainan'ny lamosina niaretako nandritra ny fitohanan'ny fiara noho ny fananganana ny làlana Metro voalohany. Milaza ianao fa mbola hisy roa fanampiny !! Tsy ho sitrana mihitsy aho mandritra ny fiainako !!

Tao amin'ny pejy Facebook-n'i Prothom Alo, mpamaky iray antsoina hoe Raisa Mallick manoratra hoe:

জ্যামে জীবন শেষ, বাংলার মানুষ মুক্তি চায়, দয়া করে মেট্রোরেল প্রকল্পের কাজ শেষ করেন, আর নতুন কিছু উদ্ভোদন করেন না, মতিঝিল থেকে মিরপুরে যাওয়া আসা করতে সময় লাগে ৫ থেকে ৬ ঘন্টা, আপনারাতো সিগনাল দিয়ে রাস্তা বন্ধ করে চলেন, সাধারণ মানুষের কি পরিমান কষ্ট হয় বুঝেন না।

Mijaly be ny olona noho ny fitohanan'ny fifamoivoizana, te-hiala sasatra ny olona, ​​mba vitao azafady ny tetikasa Metrorail voalohany, ary aza manomboka zava-baovao akory alohan'izany. Adiny 5-6 ora ny miala ao Motijheel mankany Mirpur. Mivezivezy amin'ny fahazoan-dalana manokana ireo mpanao lalàna, tsy ho takatrareo ny fahorianay.

Noho ny fananganana Metrorail, niharatsy ny fifamoivoizana ao Dhaka. Saripikan'i Aktar Ahsan. Avy amin'ny Flickr, navoaka tamin'ny alàlan'ny lisansa Creative Commons. 

Azo antoka fa hampitombo ny fitohanan'ny fifamoivoizana any Dhaka ny fananganana lalamby metro roa fanampiny. Nangataka i Ayub Rahman:

মাফ চাই। আর না।
যা শুরু করছেন তা আগে শেষ করেন!
We don't want the quantities,
we want quality

Mamelà ny helokay. Tsy hisy intsony!
Vitao izay natombokareo!
Tsy mila habetsahana izahay,
fa mila fahatsarana

Ny sasany kosa nanolo-kevitra solona Metrorail fanampiny hafa mba hampihenana ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao Dhaka. Ashfaqul Arefin nanoratra hoe:

[…] জ্যাম কমাতে হলে কয়েক স্তরের যোগাযোগ ব্যবস্থা চালু করতে হবে: সড়ক, মেট্রোরেল এবং পানিপথ। ঢাকার শহরের ম্যাপ দেখলে বুঝতে পারবেন যে, ঢাকার লেক গুলোকে জায়গায় জায়গায় একটু সংযোগ করে দিতে পারলে ধানমন্ডি থেকে গুলশান পর্যন্ত পানিপথেও যাতায়াত করা যাবে, পথে পড়বে কলাবাগান, কাওরানবাজার, হাতিরপুল, তেজগাঁও, নয়াটোলা, মীরবাগ, রামপুরা, বাড্ডা, মহাখালী ও নিকেতন। ফলে চাপ কমবে সড়ক ও মেট্রোরেলের উপর।

[…] Mba hampihenana ny fitohanan'ny fiara, dia mila ampidirina ny ambaratonga maro amin'ny fifandraisana: arabe, lalamby metro ary làlan-drano. Raha mijery ny sarintanin'ny tanànan'i Dhaka, azonao tsara fa raha afaka mifandray amin'ny farihin'i Dhaka ianao, dia afaka miala ao Dhanmondi mankany Gulshan amin'ny fandalavona amin'ny ny rano amin'ny toerana samihafa. Vokatr'izany dia hihena ny fitohanana eny amin'ny arabe sy ny lalamby metro.

Dhaka megacity dia manana mponina manodidina ny 19,84 tapitrisa. Saripikan'i Ahnaf Saber. Nahazoan-dàlana CC BY-SA 5.1. Dhaka megacity has an estimated population of 19.84 million people. Photo by Ahnaf Saber. Used under CC BY-SA 5.1 license.

Misy ny fiainana ivelan'i Dhaka

Mitangorona ao amin'ny renivohitra Dhaka ireo birao, fitsarana, orinasa, ny asa, ny fampianarana, ny fitsaboana – ny zava-drehetra eto amin'ny firenena.  Tsapa ny tsy fisian'ny hetsika fampandrosoana any amin'ireo tanàna any ivelan'i Dhaka. Na izany ho an'ny asa sahaza na tolotra ara-pitsaboana tsara kokoa, dia tsy maintsy mankao Dhaka ny olona. Mpamaky iray antsoina hoe Akhtaruzzaman milaza ny iray amin'ireo famoizana niaretany rehefa tsy nahazo fitsaboana tao amin'ny tanàna iray ivelan'i Dhaka:

সবকিছুই দরকারি, সাস্থ খাতে উন্নয়ন খুব জরুরী হয়ে পড়েছে। আমার চাচা স্ট্রোক করার পর দেখলাম কোন জেলা শহরে চিকিৎসা নাই বাধ্য হয়ে ঢাকায় নিয়ে এসে দেখি তার গোল্ডেন আওয়ার অনেক আগেই শেষ হয়ে গেছে । মেট্রোরেল দরকার তার চাইতে বেশি দরকার প্রত্যেক জেলা শহরে specialized হসপিটাল ।

Ilaina ny zavatra rehetra. Saingy voalohany, tena ilaina maika ny fampandrosoana eo amin'ny sehatry ny fahasalamana. Rehefa narary lamosina mafy ny dadatoako, tsy ahitana fitsaboana sahaza ho an'ny aretiny ireo tanàna tsy lavitra. Rehefa avy nikaroka hatraiza hatraiza, voatery nankany Dhaka mba hitsabo azy, hitako fa tara loatra ho azy izany. Alohan'ny lalamby Metro, mila hopitaly manokana any amin'ny tanàna distrika tsirairay isika.

Azhar Alam manolo-kevitra hametraka orinasa any amin'ireo distrika ivelan'i Dhaka:

এতো টাকা ব্যায় মেট্রোরেলে না করে ঢাকার বাইরের জেলা গুলোতে এই টাকা ব্যায় করে শিল্প কারখানা গড়ে তুললে মানুষ ঢাকামূখী কম হবে আর কর্মসংস্থানও বাড়বে।

Tsy mila mandany vola be amin'ny lalamby Metro, hampitombo ny asa ny fampiasana ny vola eo amin'ireo orinasa any amin'ny distrika ivelan'i Dhaka ary tsy mila mankany Dhaka intsony ny olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.