Mibitsika ny kanton'i Azia Atsimo

Kanto amin'ny kamiaon'i Pakistana. Sary avy amin'i carol mitchell tao amin'ny Flickr. CC BY-NC-ND 2.0

Vao haingana, nanempotra ny Twitter ny tenifototra iray, #SouthAsianArtists (Mpanakanton'iAziaAtsimo). Taona fahatelo misesy izao hanoloran'ireo mpanakanto ao Afghanistana, Bangladesh, Bhoutan, India, Maldiva, Nepal, Pakistana sy Sri Lanka ny asany ao ambanin'ity tenifototra ity ao anatin'ny ezaka iray hanaovan-javatra momba ny tsy fahampian'ny solotena Aziatika any amin'ireo habaka famoronana an-tambajotra.

Nitarika ity hevitra ny hankalaza ny asan'ireo mpanao kanto ao Azia Atsimo ity i Fatima Wajid, mpianatra amin'ny taona faharoa mikasika ny fampitàna ara-jery ao amin'ny Kolejy Nasionalin'ny kanto ao Rawalpindi any Pakistana:

(Avereno Bitsihana mba hanaparitahana ilay hafatra!) Miverina indray ny #SouthAsianArtists amin'ity faran'ny herinandro 12-13 Okt ity! Tsotra ireo fitsipika: resaho kely ny mombamomba anao miaraka amin'ny asanao! Raisinay am-pifaliana ireo mpanakanto eo an-toerana sy ny am-pielezana!! Mba zarazarao azafady mba hampitana ilay hafatra ✨✨✨ pic.twitter.com/ZuGl0MP84Z

— fatima ♡♡♡ (@fatimajpeg) 10 Oktobra 2019

Tonga dia namaly ilay hafatra ireo namany mpanakanto:

Salama, mpanakanto Bengali izay tia manao sary hosodoko vehivavy Bengali aho. Nibadabada tany anaty taratasy sora-tanana ihany koa aho ary tao anatin'ny sorakaliana Arabo mihitsy aza#SouthAsianArtists pt4 pic.twitter.com/9OqNicy4Y3

— NM (@nmdiariesx) 17 Oktobra 2019

Raha niresaka tamin'ny Global Voices, nanazava ny niandohan'ilay tenifototra i Wajid:

Telo taona lasa izay, nanomboka ny tenifototra #DrawingWhileBlack ny mpanao sary iray nonina tany Los Angeles, Annabelle Hayford, mba hanasongadinana sy hankalazana ireo rehetra mainty hoditra mpanakanto manerana ny tany. Nampitsiry fahatongavan-tsaina tato amiko izany fa any amin'ny ankamaroan'ireo tambajotra sosialy sy sehatra natokana hiresahana ny kanto, tsy hita ireo mpanakanto Desi. Tena nanahirana ahy be ny tsy fahampian'ny fahitàna an'i Azia Atsimo teny anivon'ireo habaka famoronana an-tambajotra. Izany no antony namoronako ny #SouthAsianArtists niaraka tamin'ny Annabelle mba hankalazana sy hanasongadinana ireo mpanakanto Aziatika Atsimo eo anoloan'ny mponina manerana ny tany. Hetsika an-tambajotra izany satria manampy amin'ny fandrodanana ireo fetra sy mampifandray haingana ny olona rehetra manerana ny tany ny Aterineto. Nifandray araka izay maha-metimety azy, ny fahafahana sy endrik'ilay hetsika tao an-tambajotra ireo manan-talenta maro eny an-toerana sy ny any am-pielezana.

Tamin'ny traikefan'i Wajid, manohitra ireo kanto famoronana ny ankamaroan'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana, izay manakana ny olona hanohy ny fitiavany ny kanto. Nilaza izy fa nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny hery famoronana sy ny dingana arahin'ireo mpanakanto izany tsy fahampiana fankaherezana na fankasitrahana avy tamin'ny vondrom-piaharamonina amin'ny ankapobeny izany: “Tena ilaina ny fanehoana amin'ny fomba miabo ireo mpanakanto Desi mba hamoronana fiarahamonina liampandrosoana sy mivoatra ara-kolontsaina.”

Noho izany, natao mba hanolorana ny asan'ireo mpanakanto lahy sy vavy avy amin'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra ilay tenifototra nataony.

Miasa amin'ny famoronana andiana tantara an-tsary misy maherifo avy ao amin'ny kolontsaina eny an-toerana i Umair Najeeb, avy any Pakistàna:

Salama oh, Umair no anarako. Pakistaney mpanao sary sy mpanetsika sary. Miasa amin'ny tantara an-tsary ahitàna ireo maherifo eto an-toerana aho ankehitriny! #SouthAsianArtists pic.twitter.com/MyH25epxgw

— umair. (@UmairNajeebKhan) 13 Oktobra 2019

Nibitsika i Shehzil Malik, mpamorona endrika, mpanao sary ary mpiaro ny vehivavy izay tia ny famoronnana ho an'ny fiovàna ara-tsosialy:

Salama oh, Shehzil no anarako, Pakistaney mpanao sary ary tia manao sarina vehivavy amin'ny alalan'ny pov-ko mpiaro ny vehivavy aho! ???

Ary koa, ity tenifototra ity no tsara indrindra mba hahitàna kanto mahafinaritra!#SouthAsianArtists pic.twitter.com/M2aA8Hyu2J

— Shehzil Malik (@shehzilm) 13 Oktobra 2019

Nampiakatra asa vitsivitsy tsara be tao an-tambajotra i Des, mpanakanto avy ao Kashmir:

Salama daholo ry mpirevy isany!
Des no anarako ary Kashmiri aho! Matihanina amin'ny fanaovana printy aho ary manao sarina karandoha, oloba goaibe sy olondia maro!

pic.twitter.com/ADwBYoFY65

— ?CrypticTeeth? (@CrypticTeeth) 12 Oktobra 2019

Nandray anjara tamin'izany ihany koa i Sarika, Amerikana-Indiana mpanakanto amin'ny fampivoarana ara-tsary:

Salama, Sariko no anarako! Amerikana-Indiana mpanakanto amin'ny fampivoarana ara-tsary aho. Mamorona sary ho an'ny fandaharana PBS Kids/Amazon aho. Amin'ny fotoana fialàko sasatra, manao sary maherifo sy mpandihy balerina aho. #SouthAsianArtists pic.twitter.com/ANmrsy7mwz

— Sarika M (@mynabirdy) 12 Oktobra 2019

Iray tamin'ireo mpanakanto tanora indrindra i Esha, mpanakanto vao misandratra ao Bangladesh:

Salama ‘nareo, Esha/Mai no anarako, 16 taona, avy aty Bangladesh aho !! Tia manao sarin'olona aho, indrindra vehivavy tsara tarehy!! Matetika manao kanto nentim-paharazana amin'ny pensily hazo aho fa indraindray mibadabada amin'ny niomerika!! #SouthAsianArtists pic.twitter.com/JoUBrE1o4P

— আলুর চিপ//Mai (@iwantsyrniki) 12 Oktobra 2019

Raha toa ka samy naseho tao amin'ilay asa kanto izay nozaraina tao ambanin'ilay tenifototra avokoa ny fahalahy sy ny fahavavy, vehivavy avokoa ny ankamaroan'ireo mpanakanto nandray anjara — porofo fa na miezaka ny hanery ny vehivavy amin'ny sehatra manokana (ary amin'ny tranga sasany, ao anatin'ny rindrindra efatra) aza ny fenitra ara-kolontsaina, efa mitaky ny toerany ao amin'ny kanto sy ny famoronana maro hafa ireo vehivavy ankehitriny. Nanome aingampanahy bebe kokoa ho an'i Wajid ny hamaroan'ireo vehivavy nizara ny asa kantony:

Tsy dia manana fahafahana maro ireo vehivavy mpanakanto mba hanolorana ny asany. Traikefa mahagaga ny fahitàna vehivavy Desi maro manan-talenta mampiasa ilay tenifototra mba hanasongadinany ny tenany. Kasaiko ny handrakitra tsara izany asa izany amin'ny hoavy no sady koa hampidititra ireo mpanakanto nasongadina tao amin'ny #SouthAsianArtists ao anatina tetikasa feno hery famoronana bebe kokoa.

Izany no tombontsoa iray hafa azo avy amin'ilay tenifototra. Fomba vaovao ary tsy lafo mba hifandraisana amin'ny olona manerana ny tany sy hamelàna azy ireo hanolotra ny asany ny fanintonana ny sain'ny olona an-tambajotra amin'ny asan'ireo mpanakanto Aziatika Tatsimo. Mampanalavitra azy ireo amin'ireo làlan'ny fampirantiana kanto nentim-paharazana izany, manalalaka ny kantony ary mahatonga izany ho afaka jeren'ny mpijery bebe kokoa, amin'ny fanomezana azy ireo ny fifantohana ilainy, fa tsy ireo sary ratsy mikasika ireo mpanakanto tsy maintsy mijaly noho ny lazany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.