Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena

Vahoaka marobe nilahatra tao amin'ny trano fandatsaham-bato tamin'ny andiany faha-2 tamin'ny fifidianana solombavambahoakan'i Assam 2006 tao Rupahi, Nowgaon, Assam tamin'ny 10 aprily 2006. Sary avy amin'ny Flickr-n'ny Public.Resource.Org CC BY 2.0.

Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistram-pirenena momba ny olom-pirenena (NRC) nohavaozina.

Araka ny filazan'ny governemanta Assam, natao ny fanavaozana ny firaketana ireo olom-pirenena 33 tapitrisa ao Assam mba hamantarana sy hanesorana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh mpifanolo-bodirindrina. Satria mihamitombo ny fihenjanana sy ny fihetseham-po, miharatsy sahady ny vokatr'izany fihetsika izany raha nitsambikina tanaty lava-drano ny vehivavy iray 60 taona rehefa nahare tsaho fa voahilika tamin'ny lisitra izy.

Tamin'ny volana jona lasa teo, navoaka ny endrika voalohan'ny rejistra, izay nanaisotra mpangataka 4,1 tapitrisa. Niteraka tsikera avy ao amin'ny antoko manokan'ny fanjakana ny famoahana farany ary niteraka tahotra ho an'ireo mponina voahilika ao Assam.

Inona ny atao hoe NRC?

Ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) dia rejistry ny governemanta misy ny anarana sy ny vaovao mifandraika amin'ny mombamomba ny olom-pirenena Indiana rehetra. Natao ny rejistra taorian'ny fanisam-bahoaka 1951 tany India ary, vao haingana no nasiam-panavaozana izany. Ny fanjakana avaratra-atsinanana Assam no fanjakana voalohany any India nanavao ny NRC.

Raha te-hisoratra ho an'ny NRC, dia tsy maintsy nampiseho antontan-taratasy porofo ny olona ao Assam fa teraka tao Assam talohan'ny 25 martsa 1971, fe-potoana ofisialy, izy ireo na ny razambeny. Nilaza ny mpanao politika fa amin'ny alalan'ny rejistry ny olom-pirenena no vahaolana amin'ny fifandonana ara-poko sy ara-pinoana satria manana ny roatokon'ny olompirenena no Bengalis izay maro Miozolomana ihany koa.

Overcrowded train transferring refugees during the partition of India, 1947. This was considered to be the largest migration in human history. Image via Wikipedia. Public Domain

Fiaran-dalamby hipoka olona namindra ireo mpitsoa-ponenana nandritra ny fizarazarana tany India, 1947. Ity no noheverina ho fifindra-monina goavana  indrindra teo amin'ny tantaran'ny olombelona. Sary avy amin'ny Wikipedia.

Miha-lalina ny fihetseham-po tsy tia Bengali ao amin'ny fanjakan'i Assam. Taorian'ny fivakisan'i India tamin'ny taona 1947 noho ny fivavahana, nisy ny fifindra-monina faobe nitranga satria nifindra monina tany amin'ireo fanjakana Indianina mifanakaiky, toa an'i Bengal Atsinanana sy Assam, ankoatra ny hafa ny Bengali Haindò, raha nifindra tany Bangladesh kosa ny Silamo avy tamin'ireo toerana ireo. Na izany aza, niteraka fihenjanana teo amin'ireo mponina teo an-toerana sy ny vazimba teratany Assamey izany fifindra-monina izany ka nahatonga ny fananganana hetsika anti-Bengali tahaka ny Bongal Kheda (roahy ny Bengali).

Nohamafisina tao Assam tamin'ny taona 1970 taorian'ny ady fanafahana an'i Bangladesh izay nahitana firohotry ny mpitsoa-ponenana hafa avy any Bangladesh ny hetsika fanoherana ny mpifindra-monina. Tamin'ny taona 1980, nandefa memorandum voalohany mitaky ny fanavaozana ny NRC mba handroahana ny “vahiny” ny Sendikan'ny Mpianatra Assam Rehetra (AASU). Tamin'ny taona 1983, maherin'ny 2000 ireo Bengaly maty novonoina tany Assam tamin'ny vono olona ara-poko taorian'ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra Indiana tamin'izany fotoana izany, Indira Gandhi, hanome zo hifidy ho an'ny mpifindra-monina avy any Bangladesh. Tsy nisy voampanga na dia ny iray aza tamin'ireo nahavanon-doza. Tao India, matetika nampiasaina toy ny fanevatevana ny marika «Bangladeshita», ary matetika noheverina ho Silamo sy tsy ara-dalàna ireo mpifindra monina Bangladeshita.

Nanomboka tamin'ny taona 2013 ny fizotran'ny fanavaozana ny NRC ao Assam rehefa nanome baiko noho ny fangatahana nataon'ny ONG iray antsoina hoe Assam Public Works ny Fitsarana Tampony any India. Satria mandroso amin'ny fanavaozana ny rejistra ny governemanta Bharatiya Janata Party (BJP) elatra ankavanana, mihevitra ireo Bengaly Miozolomana marobe ao Assam fa izy ireo no kendrena voalohany amin'ny fanilihana.

Hevitra diso, fa tsy dingana diso fotsiny

Betsaka ny fiampangana sy tsikera manohitra an'ity lisitra NRC farany ity, anisan'izany tsikera izany ny tsy fanarahan-dalàna tamin'ny anarana voafidy – nisy ny sasany tao amin'ny fianakaviana iray nampidirina tanaty lisitra raha tsy tafiditra kosa ny hafa. Na ny BJP eo amin'ny fitondrana aza dia nitsikera ny NRC farany.

Mpikambana teo aloha tao amin'ny parlemanta sady minisitra teo aloha, Jyotiraditya M. Scindia nisioka hoe:

Nampidirina ny anaran'ny ray aman-dreny, tavela kosa ny an'ireo zanaka vavy. Tafiditra ireo rahavavy, tavela ireo rahalahy. Voaisotra ny fianakavian'ny mpiasan'ny governemanta teo aloha (ary na dia ny filoham-pirenena teo aloha koa aza!).

Mahagaga ny tsy fanarahan-dalàna nivoaka tamin'ny fampiharana #NRC.

Mamata Banerjee, Lehiben'ny Minisi-panjakana ao Bengal nisioka hoe:

Tsy fantatro taloha ny savoritaka tamin'ny NRC. Satria mihamaro ny vaovao tonga, tafintohina isika mahita fa voahilika tanaty lisitra ny anaran'ireo olona 1 lakh Gorkha mahery. (1/3)

Matoandahatsoratra tao amin'ny Indian Express nilaza hoe:

Instead of blaming the process, political parties need to recognise, perhaps, the flaw that lies in the imagination that produced the NRC. Modern societies are shaped by migration and it may be futile to engage in costly exercises to identify “outsiders”.

Raha tokony hanameloka ny dingana natao, mila manaiky, angamba, ny lesoka izay mitoetra ao anatin'ny saina izay namolavola ny NRC ny antoko politika. Ny fiaraha-monina maoderina dia novolavolain'ny fifindra-monina ary tsy misy dikany ny miditra amin'ny fanazarana mandany vola hamantarana ny “ivelany-tsy izy”.

Inona no hitranga amin'ireo voahilika?

Hahazo 120 andro hampiakarana sy hanaporofoana ny maha-olompirenena azy ao amin'ireo vondron-paritra ara-pitsarana antsoina hoe tribonalin'ny vahiny ireo izay voahilika tao anatin'ny NRC, efa miasa ny sasany amin'ireo tribonaly ireo. Ny tribonaly no hanapa-kevitra momba ireo raharaha ireo ao anatin'ny enim-bolana manomboka amin'ny fotoana nampakarana ny raharaha. Araka ny tatitra, tribonaly hatramin'ny 400 no andrasana hamaha ny olana amin'ny lisitra.

Alaivo sary an-tsaina hoe mampilahatra mitsangana ireo Indiana 1,3 miliara mba hamantarana fa Miozolomana Bangladeshy ireo lakhs vitsivitsy [manondro ny 100.000 ny lakh]. Tsy hamantatra ireo Pakistaney tsy ara-dalàna sns any India ny NRC fa mba hamonoana, indrindra ny Bengali Haindò any Pakistan Atsinanana, izay nitsoaka hatramin'ny fizarazaran'i Bengal.

Notaterina fa tamin'ireo olona 1,9 tapitrisa izay tsy voatanisa tao anaty lisitra, 1,3 tapitrisa no Haindoa izay Bangladeshita Haindò ny 1,1 tapitrisa. Nampanantena ny governemanta BJP fa hanome fialofana ho an'ireo Haindò enjehina manerana izao tontolo izao. Ka ho hita eo ny fomba handraisan'izy ireo ny vokatry ny lisitra aorian'ny fizotran'ny fitsarana.

Araka ny tatitra, rehefa lany ny vahaolana rehetra araka ny lalàna, hogadraina ao amin'ny toby fitananana ireo mpifidra-monina lazaina fa “tsy ara-dalàna” mandra-pandroaka azy ireo.

Matoky ny Minisitry ny Fitantanam-bola ao Assam, Himanta Biswa Sarma fa hamerina ireo olona ireo i Bangladesh “ny naman'i India”.

Na izany aza, naneho hevitra mikasika ny vaovao ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Bangladeshita, AK Abdul Momen tamin'ny filazany fa olana anatiny ao India ny NRC. Tsy mieritreritra izy fa avy any Bangladesh ireo izay voahilika tao anaty lisitra:

There is no reason why Bangladeshis should move to India. Bangladesh is doing much better and therefore it does not look like there is any interest in any Bangladeshi to go to India.

Tsy misy antony tokony hifindran'ny Bangladeshita any India. Milamina tsara kokoa i Bangladesh ary noho izany dia toa tsy misy tombontsoa handehanan'ny Bangladeshita any India.

Manampy ny olona ao anaty fahoriana ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Citizens for Justice and Peace (CJP) amin'ny alàlan'ny fanokafana laharana an-tariby fanampiana maimaim-poana amin'ny amin'ny fiteny efatra mba hanomezana vaovao marina momba ny fizotran-draharaha.

Na dia izany aza, manjavozavo ny hoavin'ireo olona an-tapitrisany voahilika tao anaty lisitra.

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra i Vishal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.