Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir

Mpitandro filaminana ivelan'ny tafika indiàna niatrana ao Srinagar taorian'ny nametrahan'ny fitondrana tsy fahazoana mivoaka alina tamin'ireo faritra sasantsasany tao amin'ny lemak'i Kashmir. Sary navoaka tamin'ny 25 May 2019. Avy amin'ny kaonty Instangram an'i Ieshan Wani. Nahazoana alalana.
Tamin'ny 5 Aogositra teo, nofoanan'ny governemanta Indiana izay tarihin'i BJP ny andininy faha 370 tao amin'ny lalàm-panorenana Indiana izay nanaiky ny sata fizakantena manokana ho an'ny Fanjakan'i Jammu sy Kashmir izay nifandroritana, tamin'ny fizaràna azy ho faritany roa – Jammu & Kashmir ary Ladakh. Noho ny tahotra an'ireo fihetsiketsehana sy hetsipanoherana, tsy navelan'ireo manampahefana hivoaka ny tranony ireo mpitarika politika anjatony sy ireo mpiara-miasa aminy no sady tsy navela ho afaka hiditra amin'ireo tambajotra finday, antso an-tariby ary tambajotra aterineto.
Urgent: Severe internet disruption registered in #Srinagar, #Kashmir with backbone access largely severed by India from 18:00 UTC; information blackout poses immediate risk to safety and rights of individuals; incident ongoing #KeepItOn
📰 https://t.co/ENx1iLc4nQ pic.twitter.com/jv0KMbp3CM— NetBlocks.org (@netblocks) August 4, 2019
Maika: misy korontanana be hita amin'ny aterineto voarakitra ao #Srinagar, #Kashmir miaraka amin'ny fidirana amin'ny backbone notapahan'i India amin'ny ampahany goavana, nanomboka tamin'ny 18h 00 UTC; mametraka loza avy hatrany ho an'ny fiarovana sy ny zon'ireo olona ilay fanapahana, tranga mbola tsy mifarana #KeepItOn
📰 https://t.co/ENx1iLc4nQ pic.twitter.com/jv0KMbp3CM
Miaraka amin'ny tsy fisiana fifandraisana ao anatin'i Kashmir, mampiasa Twitter ireo mpanao Aterineto any rehetra any mba hizaràna vaovao. Io no mahatonga ny governemanta Indiana handray fepetra amin'ireo kaonty Twitter sasantsasany izay ahiahiany ho manaparitaka vaovao diso mikasika ny hetsika mahabe adihevitra ao Kashmir.
Ny 12 Aogositra, nilaza ireo media teo an-toerana fa nangataka ny Twitter ny minisitry ny Atitany Indiana mba “hampiato” an'ireo kaonty valo nanaparitaka “vaovao tsy marim-pototra sy ireo tsaho hanakorontanana ny fandriampahalemana sy fitoniana” ao Kashmir. Nampangain'ny governemanta ireo kaonty ireo ho nanao “fanentanana manohitra an'i India momba an'i Kashmir sy ny andininy faha 370″, manitsakitsaka ny lalàna Indiana mikasika ireo teknolojiam-baovao. Ny andininy faha 69A amin'ny lalàna mikasika an'ireo teknolojiam-baovao ao India dia mandrara ny vontoatiny rehetra lazaina ho mandrahona ny “fiarovana ny Fanjakana, ny fiandrianam-pirenena, ny maha-iray tsy mivaky na ny fiarovana an'i India”.
Ny marina, ampangain'ny governemanta Indiana sy ireo mpanara-dia azy ho “diso” na ho toy ny hetsika fampielezankevitra tarihin'ny Sampam-pitsikilovana na ny Tafika Pakistaney izay vaovao kely mipongatra mikasika ny zavamisy ao Kashmir. Efa hatry ny ela no nampangain‘i India i Pakistana ho nanampy ireo mpikatroka mba hitsofoka any Kashmir mba hanatanteraka asa fanakorontanana ao. Namaly ny fanalàna ny zo fizakantena ho an'i Kashmir i Pakistana tamin'ny alalan'ny fampiatoany ireo fifanakalozana ara-barotra amin'i India sy tamin'ny alalan'ny fampihenana ireo fifandraisany amin'i India.
Ohatra, nampametra-panontaniana ny fandrakofana nataon'ny BBC taorian'ny tatitra nataony tamin'ny 9 Aogositra hoe nitifitra ary nampiasa entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Soura, Srinagar. Nilaza ny governemanta Indiana fa tsy nisy velively ny fihetsiketsehana ary tonga tao amin'ny Twitter ireo mpanaratsy mba hamely ny BBC sy hiampanga azy ho nandefa “vaovao diso”. Etsy andininy, ny hery famoretana an'ny (CRPF), polisin'ny ao Jammu sy Kashmir, ary ireo masoivoho hafa misahana ny fiarovana dia nampitandrina an'ireo Indiàna mpampiasa media sosialy mba tsy hinohino foana an'ireo “vaovao diso” aparitaka eo amin'ireo media sosialy.
Ny lisitr'ireo kaonty Twitter kendrena ho foanana dia ahitana an'ireo kaonty an'ny Kashmiri mpikatroka monina ao Islamabad: Madiha Shakil Khan (@Red4Kashmir), mpanao gazety Pakistaney, Arshad Sharif (@arsched) mpanoratra sy mpilaza vaovao ary mpanentana amin'ny fahitalavitra , Mary Scully (@mscully94) britanika mpanao gazety tsy miankina, sy ny Feon'i Kashmir (@kashmir787), izay iray tamin'ireo kaonty an'ny Our Voice Matter, tranonkala media an'ny olom-pirenena miorina ao Pakistàna. Tohin'ny fanafoanan'i India ny andininy faha 370, nampiasaina ireo kaonty ireo mba hianmpangàna ireo politika sy fomba fanao Indiana ao Kashmir ary koa mba hanohanana ny fizakantenan'ilay faritra. Tsy nandraisan'ny Twitter fepetra mihitsy ny momba ireo kaonty ireo ary, tamin'ny fotoanan'ny namoahana ny lahatsoratra, mbola afaka nidirana avy any India nidirana hatrany ireo kaonty efatra ireo.
Mitazona ny politika “firenena nesorina” ny Twitter, politika hahafahan'ilay orinasa manivana ireo bitsika na ireo kaonty manokana ao anatin'ny firenena iray, ho valin'ny didy iray avy amin'ny governemanta manaporofo fa tsy ara-dalàna ireo bitsika raha araka ireo lalànany eo an-toerana. Mandefa tsy ankiato fangatahana famafàna any amin'ny Twitter hatrany ireo tomponandraikitra Indiana noho io politika io. Araka ny tatitra nataon'ny Transparency, nandritra ny enim-bolana faharoa tamin'ny taona 2018, naharay fangatahana fanafoanana miisa 667 avy tamin'ireo tomponandraikitra Indiana ny Twitter ka kaonty 2 228 no voakasik'izany, 2 isanjato tamin'ireny fangatahana ireny no nomen'ilay vovonana valiny nahafapo.
Araka ny voalazan'ireo media, ireo kaonty efatra hafa lasibatry ny governemanta Indiana mba ho foanana dia ny: @sageelaniii,@sadaf2k19, @RiazKha613 ary ny @RiazKha723. Ny kaonty @sageelaniii dia nibitsika tamin'ny anaran'i Syed Ali Geelani, Kashmiri iray mpitarika mpitaky fizakantena, na dia nolazaina aza fa tsy tena kaontiny izany. Naaton'ny Twitter ny kaontin'i @sageelaniii sy @sadaf2k19 noho ny antony fanitsakitsahana ireo fitsipika mifehy ny vovonana, na dia tsy mazava aza hoe fitsipika inona. Tsy nisy valiny mihitsy ny fikarohana natao mikasika ny kaonty @RiazKha613, raha toa ny fikarohana ny kaonty @RiazKha723 nilaza fa “tsy misy” ilay kaonty.
Rehefa nifampiresahin'ny Outlook India, trano famoaham-baovao iray, dia nilaza ny Twitter fa tsy maneho hevitra mikasika ny fanafoanana an'ireo kaontin'olona tsirairay ry zareo. Araka ny voalazan'ny mpitondra tenin'ny Twitter manao hoe:
Noho ireo antony tsiambaratelo sy fiarovana dia tsy maneho hevitra momba ireo kaonty manokana izahay . In-droa isantaona no avoaka ao anaty Tatitray Mangaraharaha ireo fangatahana ara-dalàna alefa aty amin'ny Twitter.
Koa satria mbola miato ny fidirana amin'ny Aterineto sy amin'ireo tambajotran-telefona ao Kashmir, dia mbola manohy miresaka amin'ny Twitter sy ireo vovonana media sosialy hafa hatrany ireo vahoaka Kashmiris erantany sy ireo manohana ny adiny ho amin'ny fizakantena, mba hanehoan'izy ireo ny firaisankinany. Na dia afaka mangataka amin'ny Twitter aza ny governemanta Indiana mba hanivana an'ireo kaonty izay manitsakitsaka ny lalànany, ny fanontaniana mbola mila valiny dia ny hoe firy amin'izy ireo amin'ny farany no ho vitany ampanginina.
“Mbola marobe ireo avo feo no maneho hevitra eo amin'ny Twitter sy FB manohitra ny fanjanahantany sy ny fibodoana ataon'ny Indiana, ary koa ny #StandingWithKashmir”, nanoratra teo amin'ny Facebook i Mary Scully, izay ny kaontiny dia anisany iray amin'ireo kaonty valo tokony ho foanana.”
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...