Muharram ao Pakistàna: Sahy manaja ny Ashura

Miozolmana manatrika ny fombafomba manokana tamin'ny 9 Septambra 2019 nandritra ny Ashura, fotoana fisaonana tao amin'ny tanànan'i Faisalabad. Sary an'ny mpanoratra ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ny andro voalohany amin'ny Muharram, volana masina ho an'ny Miozolmana rehetra, no manamarika ny fiandohan'ny Taombaovao Silamo. Ashura, na ny andro fahafolo amin'ny  Muharram, dia fotoana fisaonana ankalazàn'ireo vondrom-piarahamonina miozolmana Shiita an'ilay martiora Imam Hussain, zanakalahin'i Hazrat Ali ary zafikelin'ny Mpaminany  Muhammad.

Ry zareo silamo Shiita no mandrafitra ny 15-20% amin'ny vahoaka ao Pakistàna, Sionita ny ambiny. Zava-mahazatra ny fahitàna herisetra atao amin'ireo Shiita sy ireo vondrom-piarahamonin'ny shiita Hazara noho ny resaka foko niaviana. Na misy aza io, isantaona dia marobe ny olona tonga hanaja ny Muharram, saingy asiana fanamafisana ny fepetra fiarovana fandriampahalemana.

Tamin'ity taona ity, mihoatra ny 70.000 ireo manamboninahitry ny polisy no nahetsika tany amin'ny toerana samihafa tao Pakistàna, ary notapahana tamin'ny ampahany ny tolotra fifandraisana finday.

Fahatontosàna tanaty filaminana ny Ashura tao Pakistàna. Tsy nisy fitaterana tranga tsy niriana niseho nanerana ny firenena. Tsara ny asa nataon'ireo  masoivoho mpitandro filaminana. Mashallah

Polisy mijoro miambina eo amin'ny sakana an-dàlana iray nandritra ny andro fisaonana Ashura tao Faisalabad, Pakistàna, 9 Septambra 2019. Sary an'ny mpanoratra ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Ny tantaran'ny Muharram

Taonjato 14 lasa izay, ny Ashura no andro iray manamarika ny andro namonoan'ny kalifa faharoa Yazid I, nandritra ny Ady tao Karbala, an'i Imam Hussain, zafikelin'ny Mpaminany Muhammad, sy ny zanany lahy mbola tanora. Ny Fisaonana rehefa Muharram dia fitambarana fombafomba hajain'ireo Miozolmana Shiita manokana, ary ny Ashura dia fialantsasatra lehibe any amin'ireo firenena marobe ao anatin'ny tontolo miozolmana.

Tena masina noho ny masina ho an'ireo miozolmana rehetra ny volan'ny Muharram, ary indrindra fa ny tena mampalahelo indrindra ho an'ireo miozolmana Shiita, izay, amin'ny fankalazany ny nahafatesan'i Imam Hussein sy ny fianakaviany, dia lavin-dry zareo ny handray anjara aminà fety firavoravoana isankarazany. Tafiditra ao anatin'ireo fombafomba ny fisalorana fitafy mainty, ny fanajana ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo, ny fifadiankanina, ny fampijaliana tena amin'ny vely rojovy imasom-bahoaka, ny fandidiana ny hoditra aminà antsy na zava-maranitra, ary ny fanaovana fombam-pisaonana manao valala manjohy hitan'ny besinimaro.

Ity andron'ny Ashura ity dia tsy hoe fotsiny mampahatsiahy anay ny sorona nataon'i Imam Hussain RA, fa lesona iray ihany koa hitolomana sy tsy hilavoana lefona ho anà tanjona iray ara-drariny. Ity andro ity dia fahatsiarovana iray ny fanaovana sorona ny zavatra rehetra ho an'ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana eo anatrehan'ny endrika samihafan'ny fanaovana an-tendrony

Ireo sary ato anaty lahatsoratra dia mampiseho olona, toerana ary ny fombafomba rehefa  Muharram araka izay nanapihan'ny mpanoratra azy tao Faisalabad, Pakistàna.

Lelihaly iray mandrehitra jiro solitany nandritra ny Ashura, faisaonna tao an-tanànan'i Faisalabad ny 9 Septambra 2019. Sary an'ny mpanoratra, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Ali Hassan (havia) sy ireo namany nijoro ho alaina sary tamin'ny Muharram faha-9,  Faisalabad, Pakistàna. Sary an'ny mpanoratra, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Mpivarotra mivarotra ireo kojakoja mifanaraka amin'ny fombafomban'ny faha-9-n'ny Muharram ,Faisalabad, Pakistàna. Sary an'ny mpanoratra, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Mpivarotra amoron-dàlana miandry ireo mpanjifa nandritra ny andro fisaonana Ashura tao  Faisalabad , 9 Septambra 2019. Sary an'ny mpanoratra, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Fandrehetana jiro solitany tamin'ny faha-9-n'ny Muharram  tao Faisalabad, Pakistàna. Sary an'ny mpanoratra, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Vehivavy mafana fo mivavaka.  Sary an'i Anas Saleem, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Olona miantsena ho an'ny fankalazàna ny Ashura, eny amoron-dàlana ao Faisalabad, Pakistàna. Sary an'i Anas Saleem, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Ankizilahy iray mifantina peratra eny amoron-dàlana, tamin'ny faha-9-n'ny Muharram tao Faisalabad, Pakistan. Sary an'i Anas Saleem, nahazoana alànana ny fampiasàna azy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.