
Sinin-drano milahatra hofenoina ao Chennai, India. Sary tao amin'ny Flickr, avy amin'i McKay Savage. CC-By-2.0
Ao avaratr'i India, olona an-tapitrisany no miatrika ny hatezeran'ny tondradrano. Saingy tantara hafa kosa ny any atsimon'i India. Nandrakitra tsy fisian-drotsakorana mihitsy i Chennai, renivohitr'i Tamil Nadu tamin'ny taon-dasa raha nifarana mialoha kosa ny talio (mousson) tany atsimo-andrefana. Nahatonga ny tanàna hizaka tsio-drivotra maina nandritra ny 200 andro, rehefa tsy nety nisokatra ny lanitra.
Araka ny Fanarahamaso ny Haintany any Azia Atsimo, ratsy lavitra tsy araka ny fiheveran'ny olona ny haintany any amin'ny faritra atsimon'ny firenena. Maherin'ny 44 isanjaton'i India no miatrika haintany, ary miatrika “haintany henjana” ny 17 isanjato mahery.
Ahitana mponina 9 tapitrisa eo ho eo, anisan'ireo tanàna enina mitombo haingana be eto an-tany i Chennai. Tsy zava-baovao ho an'ireo mponiny ny loza voajanahary. Nahitana haintany sy tondra-drano miverimberina ny tanàna saingy zava-dratsy ny tsy fisian'ny orana tao ho ao.
Nandritra ny asara, nanjary filàna fototra tsy fahita firy tao an-tanàna ny rano madio. Maina ny paompy ary tsy afaka manome rano mihitsy ny kaominina.
Tonga tao an-tanàna tamin'ny 12 jolay ny fiaran-dalamby voalohany avy any Vellore nitondra rano 2,5 tapitrisa litatra. Na dia maro aza ny rano voatondro ho tonga avy any amin'ireo tanàna manodidina, dia tsy azo inoana hamaly ny tsy fahampiana misy ankehitriny izany.
To help Tamil Nadu overcome the water crisis, Railways has dispatched 25 lakh litres of water today from Jolarpettai in Vellore to Villivakkam in Chennai.
The special arrangement will continue in operation until the water shortage is resolved in Tamil Nadu. pic.twitter.com/y56WMqi7MV
— Piyush Goyal (@PiyushGoyal) July 12, 2019
Ho fanampiana an'i Tamil Nadu handresy ny krizin-drano, nandefa rano 25 litatra lakh ny lalamby androany manomboka ao Jolarpettai any Vellore ka hatrany Villivakkam any Chennai.
Hitohy hiasa mandra-pivahan'ny tsy fahampian-drano ao Tamil Nadu ny fandaminana manokana.
Talohan'ny nanapahan'ny governemanta hevitra fa hanafatra rano mba hanamaivanana ny olana ao an-tanàna, dia efa nitodika tamin'ny fitehirizan-drano ny mponin'i Chennai mba hamaliana ny hetahetany. Nahitana vehivavy miandry filaharana lavabe eny an-dalambe miaraka amin'ny siny plastika, miandry ny anjarany hahazo rano tamin'ity asara ity.
Na ny mpiasa aza tratran'ny fiantraikan'izany. Orinasan'ny Teknolojiam-baovao maromaro no nangataka tamin'ny mpiasa ao aminy mba hiasa any an-trano satria tsy afaka nanome rano ao amin'ny biraony izy ireo. Tsy ilaina intsony ny milaza fa nivadika ambony ambany ny fiainana andavanandron'ny olona.
Rajani Vaidyanathan, mpanora-gazety malaza maneran-tany nisioka hoe:
The southern city of #Chennai is one of India's largest and richest. Yet millions now rely on water trucks as taps have run dry. There's a scramble when the truck arrives – sometimes it can even get tense. In the area we visited families get 5 buckets a day.#ChennaiWaterCrisis pic.twitter.com/stj3EUluj2
— Rajini Vaidyanathan (@BBCRajiniV) July 12, 2019
Iray amin'ireo lehibe indrindra sy manankarena indrindra ao India ny tanàna atsimon'i #Chennai. Na izany aza dia an-tapitrisany maro no miantehitra amin'ny kamiao mitondra rano satria efa maina ny paompy. Misy ny korontana rehefa tonga ny kamio – indraindray mety ho mafy mihitsy aza. Tany amin'ny faritra notsidihinay, dia nahazo siny 5 misy rano isan'andro ny fianakaviana.
Rehefa nilatsaka ihany ny orana tamin'ny 15 sy 16 jolay, na dia avy be aza, dia toy ny rano indray mitete amin'ny tany maina izany. Miankina amin'ny fitehirizan-drano lehibe efatra ny tanàna ahafahana mamaly ny filàny rano. Poondi, Cholavaram, Puzhal, ary Malayambakkam ireo tanàna ireo. Na dia izany aza, tsy manana ny iray isanjaton'ny rano amin'ny fitambaran'ny zakany akory ireo fitehirizan-drano ireo.
Tsy tonga tao anatin'ny iray andro ny krizy amin'ny rano any Chennai. Nilaza ny tatitra tamin'ny taona 2016 avy amin'ny CareEarth Trust, ONG na FTMF miasa amin'ny fiarovana ny zavaboahary fa aloka matroka tsy araka ny tokony ho izy intsony ny honahonan'i (tany mando) Chennai ankehitriny. Tao anatin'ny efa-polo taona monja, nidina ho 15 isanjato sisa raha 80 isanjato ny ampahany manontolo amin'ny faritra mando amin'ny jeografian'ny tanàna.
Three rivers, four water bodies, five wetlands, and six forests have completely dried in #Chennai despite having better water resources and rains than any other metro cities, the report said. #groundwater #watercrisis #WaterCrisisinChennai https://t.co/HKc2BNmsoB
— Firstpost (@firstpost) June 20, 2019
Renirano telo, vatan-drano efatra, lemaka dimy ary ala enina no maina tanteraka eto #Chennai na dia manana loharano sy orana tsara kokoa noho ny tanàna metro hafa aza, hoy ny tatitra.
Tsy dia nanao zavatra betsaka tamin'ny resaka rano ny fihitaran'i Chennai haingana ho tangoron-tanàndehibe izay tsy misy drafitra voarindra. Niteraka fahasimban'ny ala izany, nanamaina ny rano ary nitombo ny filàna loharano madio sisa tavela.
Satria mamely ao an-tanàna tsy mbola nisy hatramin'izay ny zava-misy henjana amin'ny krizin'ny rano, mizara ny fahasorenany amin'ny tsy fisian'ny drafitra izay nahatonga an'izao fotoan-tsarotra izao ny olona. Sanjoy K Roy avy ao New Delhi nisioka hoe:
#ChennaiWaterCrisis citizens and politicians alike are to blame for the crises. Limited future planning, bankrupt governments and zero vision. The city needs major investment into desalination plants as do all coastal cities which could become net exporters of water.
— Sanjoy K Roy (@SanjoyRoyTWA) June 24, 2019
Samy omena tsiny noho ny #ChennaiWaterCrisis ny olom-pirenena sy ny mpanao politika. Drafitra amin'ny hoavy voafetra, governemanta bankirompitra sy tsy manana vina. Mila fampiasam-bola lehibe ho an'ny orinasan'ny mpanala sira ny tanàna, tahaka ny ataon'ireo tanàna rehetra amoron-tsiraka izay mety ho lasa mpanondrana rano.
Mpahay tontolo iainana sady mpandraharaha Sandip Burman nisioka hoe:
The 2nd most populous country in the world lacks data and planning to tackle climate change. We have the #ChennaiWaterCrisis in front of us proving the same. Time to call for environment intervention yet? #TimeForChange #WaterCrisishttps://t.co/Dv0s615NQB
— Pradip Burman (@PradipBurmanIND) June 26, 2019
Tsy manana tahiry ary mikasa ny hiady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny firenena faha-2 be mponina indrindra eto an-tany. Miatrika ny #ChennaiWaterCrisis eo anoloantsika isika izay manaporofo izany. Fotoana izao hiantsoana ny fidirana an-tsehatra ho an'ny tontolo iainana?
Nametraka lakolosy fanairana manerana ny tanàna lehibe hafa ny krizin-drano tsy mbola fahita tany Chennai. Matahotra ny olona sao ny tanànany no mety ho manaraka hiharan'ny tsy fahampian-drano. Mpanora-gazety Anusha Puppala nisioka hoe:
What happened in #Chennai can also happen to #Hyderabad & also other cities as well. Before we regret let's talk about water conservation methods so that our future generations don't suffer #WaterScarcity .Do share ur ideas on same?#ChennaiWaterCrisis #ChennaiWaterScarcity pic.twitter.com/5ulRkIdhVl
— Anusha Puppala (@anusha_puppala) June 25, 2019
Ny zava-nitranga tany #Chennai dia mety hitranga ao #Hyderabad sy ny tanàna hafa koa. Alohan'ny hanenenantsika, dia andao hiresaka momba ny fomba fikajiana ny rano mba tsy hijalian'ny taranaka any aoriana amin'ny fahakelezan-drano. Tsy mitovy hevitra ve isika?
Tarun Kumar avy any Bangalore nisioka hoe:
High time for people and goverment to be worried about water scarcity and environment changes. Today it is chennai tomorrow it will be bangalore or delhi or some other city. We can not let this continue. #SaveWater #ChennaiWaterCrisis #Bengaluru
— tarun kumar (@KumarTarun9331) June 26, 2019
Fotoana lehibe izao ho an'ny olona sy ny governemanta handinihana ny tsy fahampian'ny rano sy ny fiovan'ny tontolo iainana. Chennai androany, ary mety ho bangalore na delhi na tanàna hafa rahampitso. Tsy avelantsika hitohy izany.
Voalanjalanja tsara ny ahiahian'izy ireo. Tamin'ny herintaona, nametraka tatitra fanairana ny Niti Ayog, vondrona fanovozan-kevitra ao amin'ny Governemanta Indianina. Araka izany tatitra izany, tanàna 21 any India, anisan'izany i Chennai no mety ho ritra rano ambanin'ny tany amin'ny taona 2020. Olona 100 tapitrisa eo ho eo manerana ny firenena no voakasik'izany. Raha jerena fa ho avy tsy ho ela ny taona 2020, mety ho somary matroka ny ho avy miandry.
Paul Pradeep Chris avy ao Chennai nisioka hoe:
Manapakkam pond clean-up by citizens..
As the water crisis is becoming more, people are coming out to clean & restore water bodies..#cleanup #SaveWater #manapakkamPond #ChennaiWaterCrisis #environnement #Chennai #Manapakkam #TrashTroopers #water #ValasaiVenghais #PaulPradeep pic.twitter.com/Qz66XCUyc1— Paul Pradeep Chris (@cnpaulpradeep) June 23, 2019
Dobo Manapakkam diovin'ny olom-pirenena ..
Satria mihamafy hatrany ny krizin-drano, mivoaka ny olona hanadio sy hamerina ny vatan-drano.
Antenaina fa hanampy amin'ny famahana ny krizin-drano ny fanairana ankehitriny. Azo antoka fa nahatonga ny olan'ny fiarovana ny rano ho tena zavamisy araka ny hita izany.