· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2018

Japana: Ny Ady Atrehan'Ireo Mitondra Ny Otrikaretina VHC

  14 Mey 2018

Tsy zava-baovao ao Japàna intsony ny tantaran'ireo fanomezana rà maloto. Ny taona 1980, marary maro nanaraka fitsaboana mikasika ny tsy fahampian-drà no nahazo ny otrikaretina VIH vokatry ny rà maloto nampidirina taminy, nohon'ny tsy fahampian'ny fanarahamaso avy amin'ny governemanta sy ireo Orinasa fivarotampanafody mahakasika ny fanapahankevitra tany aloha noraisin'ny FDA hanaisotra ny fankatoavany ireo vokatra.

Shina : Olona Mpiahy Ireo Blaogera Mafana Fo?

  10 Mey 2018

Ahoana no hamaritana ilay blaogera MSN Spaces roa amby roampolo taona Zeng Jinyan? Loza mitatao ho an'ny filaminan'ny firenena ve ? Mpikatroka mafana fo miady amin'ny SIDA izay mitondra fanohanana, fifaliana ary fanantenana ho an'ireo kamboty tsy tambo isaina nateraky ny otrik'aretina SIDA ve ? Vehivavy tanora iray lasa mpanao hiringiriny taorian'ny nakan'ny fanjakana an-keriny ny vadiny nandritry ny iray volana mahery ? Mpiahy mitondra tenin'ireo niharan'ny tsy rariny ao anatin'ny faribolana sosialy ao Shina kanefa tsy mahateny ve ?

Bangladesh: Kolontsaina vondron'orinasa sy fiainana manokan'ny mpiasa

  07 Mey 2018

Miasa amin'ny banky ho fivelomany ny Bangladeshita mpiasa iray ary manoratra ao amin'ny sehatra fibilaogina amin'ny teny Bangla Bandh Bhanger Awaaj amin'ny anarana Megh (rahona). Taorian'ny fivoriana fanao isam-bolana tsy misy dikany tao amin'ny banky iasany, naneho ny hatezerany tamin'ny lahatsoratra bilaogy izy vao haingana.