Ora vitsy monja no nahafantaran'ny filoha Tiorka, Recep Tayyip Erdogan ny hadisoana nataony nandritra ny fitenenany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny antokony tao Ankara tamin'ny 8 Mey.
Niresaka ny tenany voalohany tamin'ny fampiasana ny “izy”, nilaza ny Filoha Erodgan hoe: “Zavatra iray no kasain'ny fahavalony – handrava an'i Recep Tayyip Erdoğan.”
Hoy izy nanohy: “Raha miteny ny firenentsika indray andro any hoe “tamam“, dia hifindra eo an-kilany isika”.
Amin'ny teny Tiorka, ny “tamam” midika hoe “ampy izay”. Ary izany indrindra no nolazain'ny Tiorka ho setrin'ny filazana nataon'ny filoha.
Ankilan'ireo mpanohitra ara-politika an'i Erdogan mahateny, mpikambana marobe eo amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny no niditra Twitter mba hilaza hoe “ampy izay”. Nalaza manerana izao tontolo izao sy manerana an'i Torkia ny #Tamam tamin'ny 8 sy 9 Mey.
T A M A M now shared over 1 million times. pic.twitter.com/P42owQSJue
— Piotr Zalewski (@p_zalewski) May 8, 2018
T A M A M nisy nizara maherin'ny in-1 tapitrisa.
Ho valifaty, nanomboka nahazo hery ihany koa ny tenirohy “#Devam” midika hoe “mitohy” na “manohy”. Saingy tsy mitovy mihitsy ny fampitahana ireo tenirohy roa ireo.
Nanaraka ireo tenirohy roa sady nizara ity i Akin Unver, mpiara-miasa ao amin'ny Fandaharan'asa momba Fikarohana Antserasera ao amin'ny Ivon-toeran'ny Fikarohana Politika Ivelany sy Ara-toekarena :
Istanbul focus: 1) #TAMAM 2) #DEVAM
Ankara focus: 1) #TAMAM 2) #DEVAM (too many bots, most dots contain 100s of content) pic.twitter.com/1rVwYlymwx— Akin Unver (@AkinUnver) May 9, 2018
Fifantohan'i Istanbul: 1) #TAMAM 2) #DEVAM
Fifantohan'i Ankara: 1) #TAMAM 2) #DEVAM (roboto maro loatra, ahitana votoaty an-jatony 100 ny ankamaroan'ny teboka)
Upon popular request; some simple distribution maps of Turkey's #TAMAM vs #DEVAM contest; one of the largest political hashtag wars in Internet history.
1- #TAMAM global dist
2- #DEVAM global dist
3- #TAMAM national dist
4- #DEVAM national dist pic.twitter.com/DiMuqsQZQa— Akin Unver (@AkinUnver) May 9, 2018
Noho ny fangatahan'ny besinimaro; sarintany sasany fitsinjarana tsotra momba ny #TAMAM mifandrina amin'ny #DEVAM ao Torkia; iray amin'ireo ady tenirohy ara-politika lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny aterineto.
1- #TAMAM manerantany
2- #DEVAM manerantany
3- #TAMAM eo amin'ny firenena
4- #DEVAM eo amin'ny firenena
“One of the largest political hashtag wars in internet history” is raging in Turkey between #TAMAM and #DEVAM.
Find out more ?https://t.co/z2wviYuKe6
— BBC_HaveYourSay (@BBC_HaveYourSay) May 9, 2018
“Iray amin'ireo ady tenirohy ara-politika lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny aterineto” ny #TAMAM sy #DEVAM no hita ao Torkia .
Jereo bebe kokoa ?https://t.co/z2wviYuKe6
eminiz. son kararımız. ?T A M A M #tamam pic.twitter.com/1I4yWgN6YJ
— Erbil Gözüaçık (@erbil_gozuacik) May 9, 2018
Mino izahay. Ity no fanapahankevitsika farany [Hoy ny vakin'ny eo ambony: Mino ve ianao fa te hivoaka? Eny na Tsia
“What have i done?” T A M A M #Tamampic.twitter.com/qC5fcJCbkU
— Ismail Küpeli (@ismail_kupeli) May 8, 2018
Ny hafa indray niantso ny hanesorana ny filazana hamehana (tany misy hotakotaka) ao Torkia – izay ampiasan'i Erdogan hanamarinana ny fifidianana mialoha, kasaina hatao amin'ny 24 jona izao – mba hisian'ny fifidianana malalaka sy marina any Torkia.
OHCHR | Turkey must lift state of emergency restrictions for credible elections to take place https://t.co/VomTC22cwT
— Emma Sinclair-Webb (@esinclairwebb) May 9, 2018
OHCHR | Tsy maintsy manaisotra ny “firenena latsaka an-katerena” i Torkia mba hisian'ny fifidianana madio
Nampiasa ny tenirohy koa ny mpamorona an'i Wikipedia Jimmy Wales mba hiantso an'i Erdogan hanaisotra ny fandraràna ny Wikipedia, izay nakatona nandritra ny herintaona tao Tiorkia.
I love Turkey. I love the Turkish culture and people. The beautiful city of Istanbul… great food, great wine, great culture. I call on Erdogan to unblock Wikipedia and to listen to the people! #tamam#wemissturkey
— Jimmy Wales (@jimmy_wales) May 8, 2018
Tiako i Tiorkia. Tiako ny kolontsaina sy ny vahoaka Tiorka. Ny tanàna mahafinartr'i Istanbul … sakafo matsiro, divay tsara, kolontsaina lehibe. Miantso an'i Erdogan aho mba hanokatra ny Wikipedia ary hihaino ny vahoaka!
Nanao ny lalany tao amin'ny Instagram ihany koa ny #Tamam:
Haingana avy hatrany ireo manampahefana nitsipaka ny fitomboan'ny fanohanana ny “tamam” antserasera ary nilaza fa nalefan'ny raboto manam-pifandraisana amin'ny PKK sy FETO ny hafatra.
Nilaza ny mpitondra tenin'ny AKP, Mahir Unal hoe:
Most of the tweets with the hashtag TAMAM are posted from countries where FETÖ and PKK are active. They are bot accounts. We can understand Greece. But what about those at home?’
Ny ankamaroan'ny sioka amin'ny tenirohy TAMAM dia navoaka avy amin'ireo firenena mampavitrika ny FETÖ sy ny PKK. Kaonty raboto izy ireo. Azonay takarina (kôpy) ny (ataon'i) Gresy. Ahoana kosa ny amin'ireo ao an-tanindrazana? ‘
Nilaza ny mpitondratenin'ny filoha İbrahim Kalın nandritra ny valan-dresaka tamin'ny mpanao gazety tamin'ny 9 mey hoe:
The attacks via social media bots will not come up with any results. We consider reality, not the virtual world. We believe our nation will say ‘continue’ instead. It is not important for us. Citizens will have the last word in the polls.
Tsy hisy vokany ny fanafihana amin'ny alàlan'ny raboto media sosialy. Mihevitra ny zava-misy isika, fa tsy ny tontolo virtoaly. Mino isika fa hilaza hoe ‘mitohy’ ny firenentsika. Tsy zava-dehibe amintsika izany. Ny olom-pirenena no hanana ny teny farany amin'ny fandahatsam-bato.
Deputy PM Bozdağ: “They [those who are saying #Tamam] are dreaming, June 24 will be the day their dream turns into a nightmare.” https://t.co/9YwGXtNsLh
— Has Avrat (@hasavrat) May 9, 2018
Praiminisitra lefitra Bozdağ: “Manonofy ry zareo [milaza #Tamam], ho andro hivadihan'ny nofinofin'izy ireo ho nofiratsy ny 24 Jiona.”
Ny Minisitry ny raharaham-bahiny Mevlut Cavusoglu kosa nampiasa ny #Devam mba hanipika fa miankina amin'ny filoha Erdogan ny ho avin'i Torkia.
Büyük hayallerimiz, büyük sevdamız var! Daha müreffeh, daha güçlü bir Türkiye için, kutlu davamıza DEVAM. pic.twitter.com/UbllAGfa1b
— Mevlüt Çavuşoğlu (@MevlutCavusoglu) May 8, 2018
Manana fanantenana lehibe sy fitiavana lehibe isika! Amin'ny tolontsika voatahy ho an'i Torkia feno fanambinana sy matanjaka
Sary eo amin'ny lahatsoratra: Sehatra velona iombonana, fitiavana iraisana, lasa iraisana, hoavy iombonana i Torkia.
Nitondra an'i Torkia nandritra ny 15 taona ny filoha Erdogan. Nitaky fifidianana mialoha ihany koa izy, izay hotontosaina amin'ny 24 Jiona. Raha mandresy amin'ireo fifidianana ireo izy, dia hitoetra eo amin'ny fitondrana mandritra ny fito taona manaraka indray i Erdogan.