Nofaranan'ny vehivavy Hazara ny fitokonana tsy hanendry hanina hanoherana ny famonoana azy ireo rehefa nanaiky ny hifampiresaka ny lehiben'ny tafika pakistaney

Mpanandra-tenin'ny zon'olombelona sy mpizatra lalàna Jalila Haidar. Sary avy amin'ny kaonty Facebook an'i Jalila Haidar. Nahazoana alalana.

Nahomby tamin'ny fanerena ny lehiben'ny tafika ao amin'ny firenena hifampiresaka amin'ny mpitarika ny vondrom-piarahamonina amin'ny fitohizan'ny famonoana ny Hazaras ny fitokonana tsy hanendry hanina nataon'ny vehivavy Hazara notarihan'i Jalila Haidar, mpahay lalàna malaza sady mpikatroky ny zon'olombelona avy amin'ny vondrom-piarahamonina Hazara vitsy an'isa ao Pakistan.

Nanomboka tamin'ny 28 Avrily 2018 ny fitokonana. Nitoby teo an-tokotanin'ny klioban-gazety tao Quetta, renivohitry ny faritanin'i Balochistan Pakistaney ny mpandray anjara. Tao amin'ny lahatsary Facebook i Haider niteny hoe:

We demand that the Chief of Army Staff, Qamar Javaid Bajwa, must come to Quetta dressed as a civilian and listen to the cries of the 3,000 widows and 10,000 orphans

Mangataka ny Lehiben'ny Tafika, Qamar Javaid Bajwa, tsy maintsy tonga eto Quetta manao fanamiana sivily izahay hihaino ny kiakiaky ny mananon-tena 3000 sy ny kamboty 10.000.

Efa ela ny Hazaras no nanao fihetsiketsehana mitaky zo hiaina lavitry ny tahotra ho faty. An-jatony ny Hazaras no maty nisy namono tao anatin'ny taona maromaro ao Pakistan, lasibatry ny vondrona milisy tahaka ny  Tehreek-e-Taliban Pakistan (TTP) noho ny fivavahany (Islam Shiita) na noho ny firazanany.

Tsindraindray tadiavina ny mpamono olona no entina eny amin'ny fitsarana, ka mahatonga ny maro hihevitra fa tsy miraharaha na mpiray tsikombakomba amin'ny herisetra ny herim-panjakana.

Manao fitokonana tsy hanendry hanina ho fanoherana ny fandripahana Hazara eo anoloan'ny Klioban-gazety ao Quetta ny vehivavy Hazara, tarihan'ny namana mpisolovava Jalila Haider.
Ny fampitam-baovao pakistaney mitady vaovao any Palestina, mitsambikina ambonin'ny faty maro eo an-tokonam-baravarany.
Mangina toy maty araka ny mahazatra ny politisiana.

Eo anoloan'ny mpitarika voalohany ny tontolon'ny ISI, niatrika fandripahana hatrany nanomboka tamin'ny taona 1999 ny vondrom-piarahamonina Hazara ao Quetta ary mihoatra ny 2500 ny olona ao amin'ny vondrom-piarahamonina no maty fa tsy nisy na dia mpampihorohoro iray aza nentina teny amin'ny fitsarana, ka tena mampanontany tena izany?

Ny ISI, voatonona amin'ny sioka etsy ambony, dia hoe Inter-Services Intelligence [Sampam-pitsikilovana Iraisan'ny Servisy], izay ny sampam-pitsikilovana ambony indrindra ao Pakistan.

Nantsoin'i Haider ny famaranana ny fitokonana tsy hanendry hanina tamin'ny 2 May 2018 rehefa nanaiky ny hanao fitsidihana ny lehiben'ny komandin'ny tafika. Namoaka lahatsoratra tao amin'ny Facebook i Haider:

Hunger strike has been called off from my side on the request of [Interior Minister] Ehsan Iqbal and Army chief after ensuring and promise of making the law and order situation better in Quetta for Hazara Tribe. Thank you all for your support.

Nantsoin'ny avy aty amiko ny hamaranana ny fitokonana tsy hanendry hanina noho ny fangatahan'i [minisitry ny atitany] Ehsan Iqbal sy ny lehiben'ny Tafika rehefa niantohana sy nampanantenaina ny hanatsara kokoa ny fanjakana tan-dalàna ao Quetta ho an'ny foko Hazara. Mankasitraka anareo rehetra noho ny fanohananareo.

‘Miantso ny rehetra mino ny zo hiaina izahay’

Haider's protest was spurred by the Ny fitifirana avy eny am-pamiliana nataon-dehilahy roa tsy fantatra nitaingina môtô tamin'ny Hazara mpiasa eo am-pivarotany tao Quetta tamin'ny 28 avrily 2018 no nandrisika an'i Haider hanao fihetsiketsehana. Niara-dalana taminy hanao ny fitokonana tsy hanendry hanina ny vehivavy mpiray vondrom-piarahamonina taminy.

Nitaky valiny ny mpanao fihetsiketsehana toy ny hoe nahoana no ny vondrom-piarahamonina misy an-dry zareo no lasibatra, nahoana ry zareo no tsy afa-misitraka ny “zo hiaina” ary nahoana no tsy miaro azy ireo ny polisy.

Nisy tobim-pitokonana tsy hanendry hanina najoro tany amin'ny 900 kilaometatra any an-tanànan'i Islamabad, izay nohatevenin'i Ismat Shahjahan, mpikatroka demaokraty tafiditra lalina ao amin'ny Hetsika Pashtun Tahafuz, izay miady ho amin'ny zon'ny vitsy an'isa Pashtun ao Pakistan.

Talohaloha kokoa tamin'ny Avril, nanatevin-daharana ny sit-in naharitra herinandro niaraka tamin'ny mpamily taksi tao Quetta izy ary naneho firaisankina tamin'ny Hetsika Pashtun Tahafuz nandeha tamin'izany tamin'ny filazana fa hetsika mitaky ny zo hiaina izany. Tany izy no niteny, araka ny nolazain'ny seha-baovao liam-pandrosoana NayaDaur, hoe :

About 3,000 Hazaras who were also workers, taxi drivers, vegetable vendors, daily wagers, have been killed. I will not call them martyrs because they were cold-blooded murders. We were killed. We are here to demand an end to these murders and to the politics of war.

The Hazara community has faced violence for years. They are attacked due to their faith & ethnicity. After a spate of targeted killings recently they are staging a sit-in at Alamdar Rd. Jalila Haider, a Hazara activist & lawyer, speaks about the protest.https://t.co/Q5x8mMYxV8pic.twitter.com/U1dzkuEHmv

— NayaDaur (@nayadaurpk) 5 de abril de 2018

Tokotokony ho Hazara 3000 izay mpiasa, mpamily taksi, mpivarotra anana, mpandray karama isan'andro, no maty. Tsy hilaza azy ireo ho maritiora aho satria novonoina tamin'ny fomba tsimifaditrovana. Novonoina izahay. Eto izahay hitaky ny hamaranana izany famonoana izany sy ny politikan'ny ady.

Niatrika herisetra nandritra ny taona maro ny vondrom-piarahamonina Hazara. Tafihana noho ny finoany sy ny fokony ry zareo. Rehefa maromaro ny andiam-pamonoana tao ho ao dia nanangana sit-in tao amin'ny Lalana Alamdar. Miresaka momba ny hetsi-panoherana i Jalila Haider, Hazara mpikatroka sady mpahay lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.