Tsy manan-kialofana, tsy manan'asa, tsy manam-bola, toherin'ny mponina ny fanakatonana ny nosy Boracay ao Filipina
Miaka-peo ny mponina sy ny mpiasa ao amin'ny nosy Boracay any Filipina mba hanohitra ny baikon'ny governemanta hanakatona ny toeram-piala-tsasatra malaza manerana izao tontolo izao mandritra ny enim-bolana mba hanatanterahana ny asa fanavaozana ahitana ny fanatsarana ny fanariana maloto efa antitra ao amin'ny nosy.
Tamin'ny fanasoniavana ny Fanambaran'ny filoham-pirenena 475 tamin'ny 26 aprily 2018, nametraka ny Boracay eo ambanin'ny voina ny filoham-pirenena, Rodrigo Duterte – fanapahan-kevitra izay nitarika tamin'ny fomba ofisialy ny fanakatonana vonjimaika ny nosin'ny mpizahatany, ary vondrona marobe no nangataka tamin'ny fitsarana mba tsy hankatoa izany.
Nanontany ireo mpangataka tao amin'ny Fitsarana Tampony raha mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny heverin'izy ireo fa fanapahan-kevitra be fahantany noraisin'ny filoha. Nangataka baiko fampiatoana vonjimaika ny fanakatonana sy fanesorana ireo fihariana ao amin'ny nosy ihany koa izy ireo.
Nanamarina ny fanakatonana ho ampahany amin'ny ezaka voalaza fa “fanavaozana” ny nosy ao anatin'ny olana ara-tontolo iainana ny manampahefana. Saingy taorian'ny nitaterana fa efa nankatoavin'ny governemanta tany am-boalohany ny fananganana casino goavana roa ao Boracay, maro ny olona nanontany ny anton'izany.
Na izany aza, terena atao ny fanakatonana kanefa tsy misy ny rafitra tari-dalana ho amin'ny fanavaozana, na paikady hafa hampihenana ny fiantraikany amin'ny fiveloman'ireo olona monina sy miasa ao Boracay, izay maro amin'izy ireo no voatery hafindra toerana. Efa nisy fiantraikany teo amin'ireo mpiasa an-jatony sahady ny fandroahana faobe.
Nanasongadina ny voka-dratsin'ny fanakatonana eo amin'ny fiainan'ny olona – sy ny fiveloman'izy ireo ny pejy Facebook Friends of Boracay (Naman'i Boracay). Tafiditra ao anatin'ireo fanambarana nangonin'ny fikambanana fiarahamonina sivily nandritra ny iraka fanadihadiana sy firaisankina nataon'izy ireo tany amin'ny faritr'i Boracay sy ny faritany Aklan tamin'ny 16-19 aprily 2018 ireo fijoroana vavolombelona an-tserasera ireo.
Ny sasany amin'ireo fikambanana ireo dia: Bayan-Aklan, Naman'i Boracay, Tabang Aklan Action Center, Gabriela Panay-Guimaras, Foibe momba Fiahiana ny Tontolo iainana, ny Ekipa Iloilo Pride, ary ny Sendika Nasionalin'ny Mpisolovavam-bahoaka..
Mpitari-dia iray nizara ny fiantraikan'ny fanakatonana an'i Boracay eo amin'ny fianakaviany:
Boracay Tour Guide ako. 11 years na ako sa Boracay. Masakit ang nangyayari sa amin; 2000 kaming mga tour guides. Wala kaming regular na sahod dahil commission basis lang kami. Pumunta ako sa DOLE dahil may closure. May SSS ako at 6 years na akong may contribution. Nagtanong ako kung pwedeng mag apply ng calamity loan, para lang may pangkain, budget. Sa Wetland ako nakikitira sa barong- barong. Ang tanong namin, may ipapalit bang trabaho? Nakatenga kami, araw araw kaming kumakain may tatlo akong anak at pinapadalhan ko sila sa Bacolod. Kailangan namin ng financial assistance.
Mpitari-dalana ao Boracay aho. Nandritra ny 11 taona aho no teto Boracay. Tena mavesatra ny zava-mitranga aminay; mpitari-dalana 2.000 izahay. Tsy mandray karama ara-potoana satria mandray vola amin'ny asa vita. Nankany amin'ny Departemantan'ny Asa aho noho ny fanakatonana ny Boracay. Manana fiahiana ara-tsosialy aho, izay nandraisako anjara nandritra ny enin-taona. Nangataka aho raha afaka mahazo fampindram-mbola, amin'izay mba manam-bola hisakafoanana. Monina amina trano baoritra ao amin'ny Wetland (tany mando) aho. Ny fanontanianay dia, hisy asa hafa ho azo atao ve? Tsy an'asa izahay, kanefa mila misakafo isan'andro. Manan-janaka teo aho ary mandefa vola azy ireo any Bacolod aho. Mila fanampiana ara-bola izahay.
Nitantara ny fihetsika mahery setra nataon'ny manampahefana nalefa hampahafantatra ny taratasy fandroahana ho an'ireo orinasa madinika sy ireo tompon'ny toeram-pialatsasatra ao amin'ny nosy ny mponina iray:
Sir, gusto ko ikwento ang ginagawa sa amin dito. Sinerbihan kami bg DENR ng Show Cause Order at Notice to Vacate. At sa pagpunta nila may kasama silang masobra sa 5 na pulis na naka fatigue at kargadang mahahabang baril. NAGPAPANIC NA KAMI DAHIL MAY MGA BATA. At pabalik balik sila sa mga kabahayan. Binigyan lang kami nang 15 days para umalis sa mga bahay namin.
Tompoko, te hizara ny tantara nataon'izy ireo taminay teto izahay. Nampahafantarina Baiko Mampiseho ny Antony sy Fanamarihana Hiala ny Toerana izahay [avy amin'ny minisiteran'ny ny tontolo iainana]. Rehefa tonga izy ireo, dia niaraka tamin'ny polisy dimy manao fanamiana miaramila sady mitondra basy. Natahotra izahay satria teo ny ankizy. Niverimberina teo amin'ireo trano tao izy ireo. Nomeny 15 andro izahay hialàna ny tranonay.
Niaina toe-javitra mitovy amin'izanyavy tamin'ny polisy ihany koa ny mpandraharaha iray mpitondra mpandeha:
Napapatanong kami, Kasama ba kami sa demolition? Wala nang pasahero, ikot ng ikot wala namang kita. May pasahero ako dalawang pulis, narinig kong sabi nila pag may lumaban gagawin nilang susunod na Marawi. Natatakot na kami, wala na nga kaming makain. Bubuldosin kami na parang aso at patutulugin sa lupa? Hindi naman kami lalaban kung i de demolish kami, armado sila. Wala kaming malilipatan. May damdamin kami at takot na takot dahil armado sila.
Efa tsy manana asa ny olona, kanefa mbola manao zavatra amin'ny alalan'ny fandrahonana ihany izy ireo. Izay no mahatonga anay hanontany hoe, ao anatin'ny fandravàna ihany koa ve izahay? Tsy dia misy intsony ny mpandeha; mivezivezy izahay saingy tsy misy fidiram-bola. Horavàn'ny “bulldozer” tahaka ny alika ve izahay ary avela hatory eny an-dalana? Eny tokoa, tsy hanohitra izahay raha potehina, satria mitam-piadiana be izy ireo. Tsy manan-kaleha izahay. Manana fahatsapana izahay ary tena matahotra mafy izahay satria mitam-piadiana izy ireo.
Nanizingizina ireo mpanakato momba ny Fasika fa ny fihetsika manokan'ny governemanta no niteraka olana voalohany indrindra:
Apat na taon na kaming magpipinsan na gumagawa ng sand art. Taga Boracay kami. Hindi kami ang sumisira sa Isla. Ang mga nagpatayo ng mga malalaking building na pinayagan naman ng DENR ang sumira sa Boracay.
Manao zava-kanto (asa-tanana) amin'ny fasika nandritra ny efa-taona izahay mirahalahy avy. Avy ao Boracay izahay. Tsy manimba ny nosy izahay. Ireo manangana tranobe nahazo alalana avy amin'ny [minisiteran'ny tontolo iainana ao amin'ny governemanta] no manimba an'i Boracay.
Lahatsoratra Facebook iray nampalaza ny fomba fijerin'ny maro izay miahiahy momba ny manjo ireo afindra toerana:
As an advocate for the environment I want it rehabilitated too… BUT I BLEED MORE for the people who are affected by the closure because of lack of planning and foresight on the part of the government in ensuring that safety nets are in place prior to closedown.
Amin'ny maha mpiaro ny tontolo iainana ahy, tiako havaozina ihany koa izany…..SAINGY MARARY KOKOA AHO noho ireo olona iharan'ny fanakatonana kanefa tsy misy ny fandaminana sy ny vinavina avy amin'ny governemanta amin'ny fiantohana ny fiarovana azy ireo alohan'ny fanakatonana
Araka ny tatitra tamin'ny iraka firaisan-kina sy fanadihadiana voalohany, nahazo taratasy mba handrava sy hiala ny tranon'izy ireo ny 40% n'ny mponina ao amin'ny nosy. Avy amin'ny mpiasam-panjakana izay narahin'ny polisy mitam-piadiana be ireo taratasy fanamarihana ireo, izay polisy 600 mahery no naparitaka tao amin'ny nosy andro vitsy mialoha ny fanakatonana voatendry.
Ho setrin'ny tabataba, nandrahona hanakatona an'i Boracay mandritra ny fotoana maharitra ela ny filoha Duterte — saingy tsy manaiky lembenana ireo mpiasa, mponina sy ny mpanohana azy ireo. Manohy miaro ny fivelomany izy ireo ary manohitra ny fidiran'ireo casino goavana ao amin'ny nosy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...