Kolombia: miteraka resabe ny horonantsary mikasika ny fanipazana saka iray navoakan'ny Radio DJ

Nahatezitra ny mpitia biby tany Medellin, Kolombia ny video iray navoakan'i DJ Yohan Melguizo tao amin'ny valan-tseraseran'ny Facebook roa volana lasa izay .  Miasa ao amin'ny Energia ity DJ ity, tobina radio iray mpandefa reggae tsy ankiato, ary ao anatin'ilay horonantsary dia toa misy olona telo ao anatin'ilay izy izay ny iray amin'izy ireo dia hita manipy saka velona eny anabakabaka sady mihira ny Chombo's The Flying Cat. Ireo roa hafa tao anatin'ilay izy kosa dia voamarika ho Danny Lopez sy Santiago Agudelo Gutierrez, ary tao amin'ireo tsikeran'ilay horonantsary dia voalaza fa toa i Agudelo no nanipy raha ireo hafa kosa nijery sy nitahiry ity zava-nitranga ity.

Ao amin'ny Facebook, manomboka mizara ity horonantsary ity ny olona ary manao antso avo amin'ny manampahefana handray ny andraikiny. Raha raisina ilay tranga nahasarika ny saina vao haingana izay mikasika ilay vehivavy Anglisy nalaina horonantsary tamin'izy nanary moramora saka tao anaty fanariam-pako, dia iriana fa ireo mpanipy saka any Medellin dia handray ny andraikiny amin'ireny fihetsiny ireny.

Nampiana:

Hatramin'ny namoahana an'ity lahatsoratra ity, maro ireo vaovao azo any amin'ny facebook. Namoaka fanamarihana i Julian Ortega:

Me enteré hace un momento (por esta página de FB) de que el video que publicaron los reguetoneros ya circulaba desde antes en la red. Mira: http://www.cronica.cl/noticias/site/artic/20100202/pags/20100202164430.php y http://www.facebook.com/video/video.php?v=1362072454224 (total, los tipos aparecieron lavándose las manos y diciendo que eso era ‘de un HP costeño’.

Nahita aho fotoana vitsy lasa izay (tao amin'ity pejy FB iy) fa efa nivezivezy tao amin'ny aterineto amin'izao ilay horonantsary navoakan'ireo mpankafy reggae. Jereo eto: http://www.cronica.cl/noticias/site/artic/20100202/pags/20100202164430.php y http://www.facebook.com/video/video.php?v=1362072454224 (amin'ny faran'ilay horonantsary dia nampiseho an'izy ireo manasa tanana amin'ity raharaha ity ilay lehilahy ary miteny fa ny iray amin'ireo olona tao amin'ilay horonantsary dia ‘F-ing costeño’ [mponina avy any amorontsirak'i Kolombia]

Misy vondrona mitsangana ao amin'ny Facebook manontany an'i Melguizo hanazava ny antony namoahany iny horonantsary iny (na dia tsy hita anaty sary aza izy) ka tsy nanisy teny fanamelohana na iray aza. Namoaka dikan'ity horonantsary voalaza ity ihany koa ilay vondrona, izay efa voafafa tao amin'ilay pejin'ilay DJ io amin'izao fotoana izao. Tao amin'ity vondrona ity no namalian'ilay DJ mikasika ity raharahan'ilay horonantsary ity ora vitsy lasa izay:

Señores 1ro Que Todo Saludo Recargado De Energia segundo heyy El del
Video no soy Yo, 1ro ese Hp es costeño y ese fukcing video me lo
mandaron por coreo y simplente lo comparti en el facebook por que me
parecio asqueroso, y ay dejen de andar mandando mensajes sin saber bn las cosas

Tompoko, ny voalohany ny fiarahabana rehefa nahazo tanjaka tanteraka indray faharoa e! tsy izaho ilay iray ao anatin'io horonantsary io, ny voalohany dia avy any amorontsiraka i SoB ary ity horonantsary nanalika ity dia nisy nandefa tamin'ny imailaka ho ahy ary dia nizara izany tao amin'ny facebook fotsiny aho satria nieritreritra aho fa valavala izany ary nijanona tsy nandefa hafatra intsony izy ireo nefa tsy nahalala ny tena nisy marina akory.

Namafa ireo hafatra tao amin'ny ity horonantsariny tao amin'ny facebook ity ihany koa i Melguizo izay milaza fa voarohirohy tamin'ity fanipazana saka ity izy ireo, kanefa araka ny zavatra navoakan'i Juan David Hurtado tao amin'ny blaoginy, nalaky kokoa ny fafana nipika ny diatanana:

Dejo aquí el video y capturas de pantalla obtenidas por dos usuarios en las cuales se ve claramente algunos comentarios ya borrados en los que incluso, uno de sus compañeros tilda a “La rata” como el autor material del hecho. Por ahí dicen que el que nada debe, nada teme… ¿por qué habrán borrado esos comentarios?

Havoakako ilay horonantsary sy ireo sary azon'ny mpampiasa izay ahafahanao mahita tsara ireo tsikera izay efa voafafa tao amin'ny tamin'ireo fanambaran'ny iray amin'ireo mpiara-miasa aminy milaza fa “Ravoalavo” no tena tompon-keloka voalohany. Manodidina eto dia miteny izy ireo fa izay tsy matahotra na inona na inona izy satria tsy nivoady na inona na inona… maninona no nofafan'izy ireo ireo tsikera raha izany?

Any Antofagasta any Chili, olona iray izay namoaka horonantsary mitovitovy amin'io ihany koa dia nifona tamin'ny besinimaro taorian'ny nanamelohana azy ho nanipy ilay saka avy teny amin'ny lavarangany. Nanoratra tamin'ireo gazety izy manambara fa tsapany fa nanao zavatra tsy nety izy tamin'ny famoahany ity horonantsary ity tao amin'ny Facebook, fa tsy nanan-kevitra ny hampaharary olona maro ary nanamarina fa nizara ity horonantsary ity fotsiny izy, fa tsy nisy nidirany tamin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.