Brezila: Fomba fitokonan'ny vazimba naharitra valo volana

Nilasy efa hatramin'ny voalohandohan'ny volana Janoary tamin'ity taona ity eo anoloan'ny Minisiteran'ny fitsarana any Brazilia D.F. ireo vondrom-piarahamonina vazimba (nahitsin'i Jentilisa ho vazimba ny teny hoe Indigène eto) breziliana maro.  Melohin'ny Vazimba breziliana ho mpamadika noho ny tsy nakana ny hevitr'izy ireo amin'ny zavatra mahakasika azy ireo ny governemanta sy ny FUNAI (Fundação Nacional do Índio) [pt] – Ivotoeram-pirenena mpanohana ny vazimba) – ary ireo Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG). Nanangana bilaogy [pt]ny AIR (Acampamento Indígena Revolucionário – Filasiana revolisionera vazimba), hamoahany ny fitakiany .

Nós guerreiros e guerreiras das etnias Pankararu, Korubo, Mundurucu, Krahô-Canela, Fulni-ô estamos há mais de 70 dias acampados na frente do Congresso Nacional, em Brasília, com o objetivo da revogação do Decreto 7.056/09 da Funai e da saída da cúpula mafiosa da Funai, CNPI, ISA e demais Ong's, que têm como finalidade exterminar os indígenas no Brasil.
O decreto 7.056 foi publicado no dia 28 de dezembro de 2009, de forma autoritária, em que os líderes não foram ouvidos e o presidente da Funai junto com as Ongs passaram por cima dos direitos indígenas e em leis internacionais como o artigo 169 da OIT, que redige que os indígenas têm que ser escutados em quaisquer decisões relacionados à eles.

“Índio é terra e não dá para separar.”

Nilasy efa ho 70 andro mahery teo anoloan'ny Kongresy Nasionaly eto Brezila izahay mpiady lahy sy vavy avy amin'ny fokon'ny Pankararu, Korubo, Mundurucu, Krahô-Canela ary Fulni-ô , mikendry ny hanafoana ny didy hitsivolana 7.056/09 mifandraika amin'ny Funai, sy handroahana ny mafia aoamin'ny filankevim-pitantanana ao amin'ny FUNAI, CNPI, ISA ary ireo ONG hafa izay mitady handringana ny Vazimba Breziliana .

Navoaka an-terisetra tamin'ny 28 Desambra 2009 ny didy hitsivolana 7.056 izay tsy nakana ny hevitry ny mpitondra anay;  tsy niraharaha ny zon'ny vazimba sy ny lalàna iraisam-pirenena toy ny andalana 169 ao amin'ny OIT, izay milaza ny tokony hihainoana hatrany ny vazimba amin'ny raharaha mahakasika azy ireo ny Filohan'ny FUNAI miara-dalana tamin'ireo ONG.

Vazimba ny Tany ary tsy misy na inona na inona afaka hanasaraka azy ireo amin'izany.

Filasiana revolisionera vazimba

Noraisin'ny kongresy ny didy hitsivolana voalaza teo ambony 7.056/09 ho fandrafetana indray ny FUNAI nefa milaza ny vondron'ny vazimba fa, raha ny zava-misy , manakatona biraom-panjakana 24, toeram-piasana 9 ary ireo birao rehetra any ambanivohitra izany [pt]:

A ausência desses postos foi severamente prejudicial a todas as comunidades de todo o território nacional, pois, o único apoio vindo da Funai – ainda que precário – vinha das administrações e postos.

Mampandringa ny fokonolona rehetra manerana ny firenena ny fanafoanana ireo andraikitra ireo indrindra ny fahalalana fa ny fanohanan'ny Funai irery – izay efa kely dia kely – dia avy amin'ireo biraom-panjakana sy ireo andraikitra ireo  .

Anisan'ireo fangatahana 11 [pt] izay natolotry ny solontenan'ireo vazimba ireo ny hoe: ny fananganana ny CNDI (Conselho Nacional de Direitos Indígenas – Filankevi-pirenena momba ny Zon'ny vazimba) – izay hanomezana ny vazimba ny fizakan-tenany amin'ny fitantanana ny hareny, ny zony ary ny tombontsoany -, ny fakana ny hevitry ny vazimba amin'ireo resaka mahakasika ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny zon'izy ireo ara-tsosialy, ara-koltoraly ary ara-pivavahana, ny fanajana ny tanin'ny vazimba ary ireo vokatra ara-boajanahary eo aminy . Mangataka ihany koa ny vazimba ny hanalana ny Filohan'ny FUNAI, Márcio Meira, sy ny ekipany , noho ny tsy fahombiazany tamin'ny fanomezana fahafaham-po ireo fangatahana voalaza ireo. . Eo amin'ny bilaoginy kosa no miaro tena ny FUNAI milaza fa efa nikarakara ireto zavatra 30 manaraka ireto tao anatin'ny 3 taona nisiany toy ny [pt]:

Violência e criminalização de lideranças e comunidades indígenas; conflitos territoriais envolvendo indígenas; população carcerária indígena no Brasil; operações policiais em terras indígenas; a regularização fundiária de terras indígenas; o etnodesenvolvimento dos povos indígenas; o Estatuto do Índio; aproveitamento de recursos naturais, minerais, hídricos e florestais presentes em terras indígenas; educação indígena, pesquisa das línguas indígenas; a situação de extrema vulnerabilidade do povo Guarani Kaiowá; reformulação da política de atendimento e subsistema de saúde indígena; reestruturação, planejamento estratégico e Plano Plurianual do órgão indigenista.

Herisetra sy Famonoan'olona nihatra tamin'ny mpitarika ny vazimba; ady tany mihatra amin'izy ireo; ny vazimba voafonja any Brezila; polisy miasa any amin'ny faritany vazimba; fanomezana karatany ny vazimba; ny fampivoarana ara-poko ny vazimba; ny Satan'ny vazimba ; ny fampiasana ny harena ambanin'ny tany, ny rano azon'ny sambo izorana ary ny ala any amin'ny zaratany vazimba; ny fanabeazana vazimba, ny fikarohana momba ny  fiteny vazimba; ny toe-draharaha tsizarizary mahazo ny Guarani Kaiowá; ny fanavaozana ny politikan'ny fahasalamana sy ny fitsaboana ny vazimba ; ny fandrafetana sy ny fandravonana paika ary ny drafitra lavitrezaka ho an'ny vazimba.
Indigenous community demonstration Brasilia

Fihetsiketsehan'ny vazimba any Brazilia

Ao anatin'ny taratasy misokatra ho an'ny Breziliana , izay nivoaka ao amin'ny tranonkalan'izy ireo ary nadikan'ny blaogy hafa koa [pt] , no anamelohan'ny AIR ny FUNAI noho ny fandraisany anjara amin'ny fampivoaram-pirenena tsy ahazoan'ny vazimba tombontsoa ary ny mifanohitra amin'izany aza no mitranga :

Em nome de um crescimento econômico pleiteado por toda a Nação, temos nossos territórios impactados por estradas, ferrovias, hidrelétricas e outros empreendimentos, todos aprovados pela FUNAI com um simples “sem óbices ao empreendimento x ou y“, sem que nesse processo se garanta o pleno cumprimento da legislação ambiental e indigenista que ainda está em vigor.

Hoe mba hisian'ny fitomboan-karena izay dradrain'ny rehetra eto amin'ny firenena dia simban'ny arabe, lala-masinina, orinasa mpamokatra herinaratra sy orinasa hafa izay nankatoavin'ny FUNAI avokoa tsy nasiany “sakana amin'ny orinasa x na y ” na dia iray aza ny endriky ny firenena nefa tsy nisy antoka fa hanaja ny lalàna velona ho amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny vazimba izany fomba izany .

Nandritra ny volana May sy Jona , fokom-bazimba maro hafa no nanatona ireo mpilasy revolisionera, anisan'izany , Guajajaras 100 mahery sy ny solontenan'ireo vondrona avy any Kayapó, Tapayuna e Panará [pt]. Fa tamin'ny volana Jolay, nisy zava-nitranga nangidy nanampy trotraka ny krizy nisy teo amin'ny sefom-bazimba sy ny manam-pahefana lazaina fa natao hiaro ireo zon'ny vazimba. Tamin'ny 10 Jolay, polisy maro no niditra ny toby filasian'ny vazimba revolisionera, tsy misy taratasy fanapahana avy amin'ny fitsarana, nandrava ny tranolay ary naka fitaovam-pahandroana sy fitafiana. Nandritra ny fifanandrinana dia nampiasa etona dipoavatra izay nanempotra ny zaza amam-behivavy ka nahafa-jaza vehivavy bevohoka iray rehefa tonga tany amin'ny hopitaly ny polisy.

Fa nifikitra hatrany ny tobin'ny vazimba revolisionera, mijoro izy ireo mihaika ny Ministeran'ny Fitsarana, na dia nafindran'ny polisy vao haingana teo anoloan'ny lapan'i Itamaraty aza, dia mbola miandry ny fanafoanana ny didy hitsivolana 7.056/09 hatrany izy ireo

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.