Fihetsiketseham-panoherana tarihin'ny tanora ao Thailandy mahazo fanohanana avy amin'ny olom-pirenena mitaky ‘demaokrasia tena izy’

Vahoaka mivory manodidina ny Tsangambaton'ny Demaokrasia nandritra ny hetsika 16 aogositra. Sary sy pika avy amin'i Prachatai

Ny lahatsoratra etoana dia avy amin'i Prachatai, tranonkalam-baovao mahaleotena any Thailandy, nahitsy sy navoakan'ny Global Voices indray ho ao anatin'ny fifanekena hifampizara votoaty.

Lazaina ho fihetsiketseham-panoherana lehibe indrindra taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ny fihetsiketseham-bahoaka notontosaina teo amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia tao Bangkok tamin'ny 16 aogositra. Mihoatra ny 20.000 ny vahoaka nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana izay nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro ary nizotra mandra-pahatonga ny manodidina ny tamin'ny 11 ora alina.

Teo ambonin'ny lampihazo lehibe, nifandimby ny mpikabary niresaka olana maro manomboka amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any an-tsekoly, ny fitoviana ara-karazana (lahy/vavy), ny zon'ny mpiasa ka hatramin'ireo olana atrehin'ny olona any amin'ny faritany atsimo. Nanohy tamin'ny fanerena ho amin'ny fitakiana telo [mg] natao nandritra ny hetsi-bahoaka tamin'ny 18 jolay ihany koa ry zareo: fampitsaharana amin'ny fanorisorenana ny olompirenena, fandrafetana lalampanorenana vaovao, ary fandravàna ny parlemanta.

Nanampy ihany koa ny vondrona fa natao ny fitakiana amin'ny fepetra fa tsy tokony hisy ny fanonganam-panjakana ara-miaramila na governemantan'ny fampiraisam-pirenena ary misy ny “nofinofy tokana,” izay anantenan-dry zareo hahita demaokrasia ahitana ny mpanjaka ho eo ambanin'ny lalampanorenana.

Niresaka tamin'ny mpandray anjara vitsivitsy nanatrika ilay hetsi-bahoaka ny Prachatai.

“Hijoro hiaraka amin'ny demaokrasia izahay”

Nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana azy ireo amin'ny maha-mpanaramaso, nanangana latabatra manaraka ny lalana Ratchadamneon hanome akanjo aro orana, rano ary sakafo maivana ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpianatra misy telo avy ao amin'ny Oniversiten'i Chulalongkorn : sendikàn'ny mpianatra ao amin'ny falkiolten'ny siansa politika, ny komitin'ny mpianatra ao amin'ny fakiolten'ny zavakanto, ary ny governemantan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Chulalongkorn.

Mpianatra iray no nilaza fa tsy nahita fanoherana avy amin'ny mpampianatra na fitantanan'ny oniversite ry zareo raha nanapa-kevitra ny hanao fihetsiketsehana. Nilaza izy fa vonon-kanampy ny mpampianatra, nilaza tamin'ny mpianatra fa afa-miantso ry zareo raha misy ny fanampiana manokana, saingy tsy naneho fanohanana ankarihary kosa ry zareo.

The standpoint of all three organizations is always to support democracy, therefore, whatever we do, we will stand on the side of democracy, and help those who share our ideology here.

Ny iraisan'ny fikambanana telo hatrany dia ny hanohana ny demaokrasia, avy amin'izany, na inona na inona ataonay, hijoro eo amin'ny demaokrasia izahay, ary hizara izay mitovy ideolojia aminay eto.

“Eto ho amin'ny hoavin'ny zanakay”

Ankohonana iray niaraka tamin'ny ankizy iray avy any Pathum Thani [afovoan'i Thailandy, avaratr'i Bangkok renivohitra] no tonga tao amin'ny fihetsiketsehana, mihazona sora-baventy manao hoe “Eto ho amin'ny hoavin'ny zanakay”. Rehefa nanontaniana amin'ny nofinofin-dry zareo amin'ny hoavy, dia nilaza ny ray aman-dreny fa te-hahita tontolo mitovy tantana kokoa ry zareo sy governemanta vaovao.

Raha tsapa heo matetika no mpianatra ireo mpanao fihetsiketsehana, dia nanamarika izy mivady fa misy ihany koa ireo mpiasa sy olona efa lehibe manatevin-daharana ny hetsika. Milaza ihany koa ry zareo fa sariaka ny mpanao fihetsiketsehana ary tonga eo ry zareo noho ny zavatra inoan-dry zareo.

It’s time that change needs to happen. Right now, frankly, we’re not here for our own future, but for our child’s future. He shouldn’t have to grow up with something like this, so we have to join and show our power. Even if we’re just a small voice, we want to come and encourage everyone.

Fotoana izao ilaina ny fanovana. Amin'izao fotoana izao, tsorina, tsy ho tonga eto noho ny hoavinay izahay, fa ho an'ny hoavin'ny zanakay. Tsy tokony hihalehibe ao anatin'ny zavatra tahaka izao izy, ka mila tonga eto izahay ary haneho ny fahefanay. Eny fa na dia feo kely aza, tia ho tonga eto izahay ary handrisika ny rehetra.

“Mila demaokrasia tena izy izahay”

Zokiolona mpanao fihetsiketsehana mitazona sora-baventy eo amin'ny tsangambaton'ny demaokrasia. Saripikan'i Prachatai.

Nahitana zokiolona teo amin'ny Tsangambaton'ny demaokrasia mihazona taratasy iray ahitana hafatra manao hoe : “We need real democracy” [Mila demaokrasia tena izy izahay]. Raha nanontaniana izy hoe nahoana no nanatevina ny hetsika, dia nilaza:

I came to the protest because I have never seen any prime minister lie to the people this much in my life. He lied to other countries that we don’t have violations of rights. He lied that he will listen to the young people, but people still get harassed. What I would like to see the country change is that it has to follow the students’ 10 demands. Those 10 demands are the best. If we could do it, then the country will really be a democracy.

Tonga eto amin'ity hetsika ity aho satria tsy mbola nahita praiminisitra nandainga tamin'ny vahoaka tahaka izao teo amin'ny fiainako. Mandainga amin'ny firenenkafa izy fa tsy manitsakitsaka ny zon'olombelona. Nandainga izy fa hihaino ny tanora, saingy mbola tratran'ny fanorisorenana ihany ny olona. Ny tiako ovain'ny firenena dia ny hanarahany ny fitakiana folo. Ireo fitakiana folo ireo no tsara indrindra. Raha afa-manao izany isika, dia ho anjakan'ny demaokrasia tokoa ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.