Antso firaisankina amin'ny fankalazana ny fahaleovantenan'i Trinite & Tobago

Lapa Fotsy, miasa ho biraon'ny Praiminisitr'i Trinite sy Tobago. Photo avy amin'i Dan Lundberg ao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0.

Mankalaza ny faha-58 taonan'ny fahaleovantenany tamin'ny Vondronosy Britanika i Trinite sy Tobago tamin'ny 31 aogositra lasa teo, saingy noho ny areti-mandringana COVID-19, dia tsy nomarihana tamin'ny alalan'ny matso ny fotoanafanintelony teo amin'ny tantaran'ny firenena izany no nitranga. Nofoanana ny afomanga, izay tontosaina takariva sady mahangona olona maro dia maro.

Mbola mizàtra ny fielezan'ny viriosy eny amin'ny fiarahamonina ihany koa ny firenena, Misy ny famerana eny amin'ny toerana sasantsasany eo amin'ny lafiny famoriam-bahoaka. Ampirisihana ihany koa ny fepetram-pihatakatahana ara-piarahamonina sy ny fitsipika vaovao, izay tsy maintsy hanaovana eny ankalamanjàna ny arotava, nihatra nanomboka tamin'ny fetin'ny fahaleovantena.

Tao amin'ny kabary atao amin'ny firenena fanao isaka ny fetin'ny fahaleovantena, nanamarika ny praiminisitra Keith Rowley fa fanamby “mivantana sy henjana” ny COVID-19. “Fitiavan-tanindrazana” ny fiantsoana ny ezaka ataon'ny vahoaka hisorohana ny fielezan'ny viriosy, hoy izy nanampy, ary “eo ampelatananao ara-bakinteny […] ny fandrahonan'ny COVID-19″.

Na izany aza, na dia niaiky ny fomba nitantanan'ny governemanta ny valan'aretina tany amin'ny dingana voalohandohany tany aza ny mpanabe sady mpanao matoandahatsoratra, Debbie Jacob, dia diso fanantenana tamin'ny fanangonan'ny antoko lehibe roa vahoaka nialoha ny fifidianana ankapobeny tamin'ny 10 aogositra, nefa tsy nanery ny mpanohana azy hanao arotava sy hihataka araka ny tokony ho izy:

Both parties let us down and endangered us with their lackadaisical attitude in these political gatherings. You can’t expect us to listen to what you have been preaching about safety and then ignore what you did with senseless political meetings. […]

The least you could do now is admit you set a bad example while you complain daily about those not complying with your COVID-19 rules.

Samy namela anay sy nampididoza anay tamin'ny fihetsika tsy miraharaha fihatahana amin'ireo famoriam-bahoaka ireo ny roa tonta. Aza manantena anay hihaino izay torianareo amin'ny resaka filaminana nefa avy eo tsy mijery izay ataonareo amin'ny fivoriana politika tsy misy dikany ataonareo. […]
Ny kely indrindra azonareo atao izao dia ny fanekenareo fa ohatra ratsy ianareo raha mimenomenona amin'ireo tsy manaraka ny fepetra manoloana ny COVID-19 amin'ny fiainana andavanandro.

Tao amin'ny lahateniny ny praiminisitra manondro ireo fitantarana rasista nivoaka nandritra ny fanentanam-pifidianana, olana iray nanintona ny fifantohan'ny mpanabe, mpaneho hevitra ara-piarahamonina ary mpahay ara-politika.

Fa nolazain'ny praiminisitra kosa fa fotoana ireny hiantsoana firaisankina:

This is a time for coming together, a time for being responsible and being our brother’s keeper. This is a time for love.

Izao no fotoana hiarahana, fotoana ho tompon'andraikitra sy miahy ny rahalahintsika. Izao no fotoana itiavana.

Noresahan'ny Filoha Paula-Mae Weekes ihany koa ny lohahevitra fanavakavaham-bolonkoditra tamin'ny kabariny fetin'ny fahaleovantena:

The General Election 2020 flipped Trinidad and Tobago over and exposed what can be described as its ugly underbelly […] laid bare seething tensions that have simmered between ethnicities, in particular Indo-Trinbagonians and Afro-Trinbagonians, albeit below the surface. […]

We would all have noticed the recent reduction in acrimonious cyber traffic, but the underlying issues and feelings have not magically disappeared. They have only been driven back underground to smoulder and foment continued bitterness until the next explosion.

Our only hope of treating with this scourge once and for all is to attack it at the root, recognising that it is the result of our histories—our origin, our arrival, our incorporation into the society and our politics.

Nampivadika tanteraka an'i Trinite sy Tobago ny fifidianana ankapobeny ary nampiharihary izay azo hazavaina ho endriny ratsy amin'ny ambany foitrany[…] fa hita maso amin'izay ny fifanenjanana mikotrika eo amin'ny samy foko, indrindra fa eo amin'ny Indo-Trinbagonianina sy ny Afrô-Trinbagonianina.[…]

Samy nahatsikaritra avokoa isika rehetra ny fihenan'ny fanaratsiana an-tserasera, saingy tsy nanjavona miaraka amin'izay tsy akory ny olana sy ny fihetseham-po miafina lalina. Nasitrika ambanin'ny tany fotsiny hilevona sy hikotrika mandra-pahatonga ny fipoahana manaraka.

Ny hany fanantenantsika hiatrehana ity loza ity indray mandeha tsy miverina dia ny mamely azy any amin'ny fakany, manaiky fa seho avy amin'ny tantarantsika izao—ny fiaviantsika, ny fahatongavantsika, ny fiatiantsika ao amin'ny fiarahamonina sy ny politikantsika.

Manondro ny fihaonambe manana ny lohahevitra hoe “Mahatakatra sy mampihavana ireo Foko eto Trinite sy Tobago”, izay nalefan'ny Oniversiten'i Antilles mivantana an-tserasera tamin'ny 30 aogositra, nolazain'ny filoha ho “fanombohana tsara” izany fisantaran'andraikitra izany, saingy nanolo-kevitra fa “tsy maintsy volavolaina ho vaindohan-draharaha ny fandaharanasa azo ampiharina sy lovainjafy ambany elon'ny lasitrasam-pirenena”:

A foundation of accurate, historical information is critical and safe spaces need to be created to facilitate the conversations, which ought to be cross-generational. […]

As disturbing as it was to witness the regrettable outpouring of hatred and intransigence over the last six weeks, it has afforded us the opportunity to bring intolerance out of the shadows and deal with it decisively.

Without blaming and shaming, let us at every level—personal, institutional, political, governmental, social—commit to consciously, resolutely and patriotically ridding our society of this divisive affliction.

Iankinan'ny ain-dehibe ny fanorenana torohay marina, manantantara ary ilaina atsangana ny tahala azo antoka hanamoràna ny resaka, izay natao ho tsimialonjafy. […]

Manahirana tahaka ny nanatreha-maso ny fielezan'ny fankahalàna sy ny kiribiby mampalahelo nandritra izany enina herinandro farany izay, afa-mahasahana ho antsika izany ho hirika hitondra kiribiby hivoaka ny aloka sy hiatrika izany anaty fahatapahan-kevitra.

Tsy mila mibedy sy manao izay hampahamenatra, andao isika amin'ny ambaratonga rehetra—tsirairay,sokajin-draharaha,politika,sampandraharaham-panjakana,fiarahamonina—hitarika amim-pieritreretana, amim-pahatapahan-kevitra ary amim-pitiavantanindrazana hivoaka amin'izany zava-mampalahelo mampisaraka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.