Nitambatambatra ho fanilikilihana ireo lalàna fanitsiana ny zom-pirenena ao India

The Citizenship Amendment Act (Bill) protests, also known as CAA Protests, occurred after the Citizenship Amendment Act (CAA) was enacted by the Government of India on 12 December 2019. Image via Wikipedia by Dr Vikramjit Kakati. CC BY 4.0.

Nitranga ny hetsi-panoherana ny Lalàna Fanitsiana ny  Zom-pirenena (CAA) (Volavolan-dalàna), fantatra ihany koa amin'ny hoe Hetsi-panoherana CAA, taorian'ny nandanian'ny Governemanta India ny Lalàna Fanitsiana ny zom-pirenena (CAA) tamin'ny 12 Desambra 2019. Sary tao amin'ny Wikipedia, avy amin'ny Dr Vikramjit Kakati. (CC BY-SA 4.0 DEED4.0).

Tamin'ny 11 Martsa, nampihatra ny Lalàna Fanitsiana ny maha-olom-pirenena 2019, niteraka adihevitra be, ny governemanta Indiana tarihin'ny Antoko Bharatiya Janata (BJP). Mikendry ny hanome zom-pirenena mifototra amin'ny antony ara-pivavahana ny lalàna, na izany aza; voatsikera noho ny fisian'ny fitongilanana manohitra ny Silamo izany.

Nampihatra ny lalàna herinandro vitsivitsy talohan'ny fifidianana ankapobeny ho avy any India ny governemantan'ny elatra havanana BJP an'i Narendra Modi, izay no nahatonga izany ho zava-dehibe amin'ny rivo-politika efa mitambesatra ao amin'ny firenena. Maro ireo mpandinika ara-politika sy mpitarika ny fanoherana milaza fa niniana natao izany mba hampifanolana ny mpifidy amin'ny resa-pinoana mba hahazoan'ny BJP tombony amin'ny fifidianana.

Inona ny CAA?

Ny Lalàna fanitsiana ny zom-pirenena ankehitriny, 2019 (CAA) dia fanitsiana ny lalàna 1955 momba ny zom-pirenena ao India. Nampidirina tao amin’ny parlemanta ny taona 2016 izany ary nolaniana tamin’ny volana desambra 2019.

Araka ny lalàna teo aloha, ny teratany vahiny mikasa hanana zom-pirenena Indianina amin'ny alàlan'ny fahazoana zom-pirenena dia tsy maintsy nonina 11 taona tao amin'ny firenena vao azo ekena. Na izany aza, manova io lafiny io ny lalàna vaovao.

Manome zom-pirenena ho an'ny vondrom-pinoana enina ankehitriny ny CAA, anisan'izany ny Haindò, Parsis, Sikhs, Bodista, Jains ary ny Kristiana, izay nandositra nankany India noho ny fanenjehana ara-pivavahana tany Pakistan, Afghanistan ary Bangladesh izay maro Silamo talohan'ny 13 Desambra 2014. Mikendry ny hanome zom-pirenena ireo mpangataka avy amin'ireo finoana ireo izay mipetraka tsy ara-dalàna tany India na manana visa maharitra mandritra ny dimy taona ihany ny lalàna. Afaka mamoaka taratasy fanamarinana azo atao hanamarinana ny fivavahan'ny mpangataka mitady zom-pirenena amin'ny alàlan'ny CAA ihany koa ny pretra eo an-toerana (pujari amin'ny teny Hindi) . Ity taratasy fanamarinana ity no anisan'ny antontan-taratasy tsy maintsy omen'ny mpangataka mitady zom-pirenena.

Nahoana no kianina ho lalàna manohitra ny Silamo izy io

Mandra-pahatongan'ny CAA, tsy nanana fitsipika momba ny fivavahana ho anton'ny fahazoana zom-pirenena i India. Ireo izay nonina ara-dalàna tany India nandritra ny 11 taona fara-fahakeliny no afaka mangataka zom-pirenena amin'ny alàlan'ny fahazoana zom-pirenena (naturalisation), na inona na inona fivavahany.

Na izany aza, nanova izany rafitra izany ny CAA, ka nahatonga ny fivavahana ho ao amin'ny lalàna momba ny zom-pirenen'India ho toy ny fepetra voalohany indrindra. Mametra ny mpifindramonina avy amin'ny fivavahana hafa ihany koa izany, indrindra fa ny Silamo, mba tsy hahazo zom-pirenena Indiana, ary takiana amin'izy ireo ny antontan-taratasy sy ny antony sahaza hanamarinana ny fisiany ao India.

Manitsakitsaka mazava ny andininy faha-14 ao amin'ny lalàmpanorenana Indiana, izay miantoka ny fitovian'ny tsirairay sy ny fiarovana mitovy eo anatrehan'ny lalàna ao amin'ny zaratanin'India ny lalàna.

Tamin'ny volana Desambra 2019, taorian'ny fandaniana ny lalàna tao amin'ny parlemanta, nanatri-maso fihetsiketsehana goavana nanohitra ity lalàna manavakavaka ity ny firenena. Nahasarika fandraisana anjara avy amin'ireo mpiantsehatra rehetra ao amin'ny fiarahamonina ny fihetsiketsehana, ka anisan'izany ny mpianatra sy ny vehivavy.

Tamin'ny 11 Martsa, nanoratra tao amin'ny X (Twitter taloha) momba ny toetran'ny CAA “manavakavaka” ny mpiaro ny zon'olombelona Amnesty India:

Lalàna manavakavaka izay mifanohitra amin'ny soatoavin'ny lalàmpanorenana momba ny fitoviana sy ny lalàna iraisampirenena momba ny zon'olombelona ny Lalàna fanitsiana ny zom-pirenena (CAA). Hampanan-kery ity lalàna mampisara-bazana ity manomboka androany ny fampahafantarana ny fitsipika navoakan’ny minisiteran’ny Atitany. #CAA

Ahoana no ifandraisan'ny CAA amin'ny rejisitra nasionalin'ny olom-pirenena?

Mitahiry vaovao momba ny olom-pirenena Indiana ara-dalàna rehetra ny Rejistra Nasionaly momba ireo Olom-pirenena (NRC) mba hamantarana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna.

Nanomboka voalohany tany amin'ny fanjakana Indiana avaratra atsinanan'i Assam ny fangatahana NRC marina sy nohavaozina. Tamin'ny taona 1980, fikambanana indizeny Assamese maromaro, notarihin'ny Sendikan'ny Mpianatra Assam rehetra  (AASU), no nanomboka ny “Hetsika Assam,” milaza ny fisian'ireo Bangladeshita tsy ara-dalàna maro ao amin'ny fanjakana. Nifarana tamin'ny fanaovan-tsonia ny “Fifanarahana Assam” teo amin'ny AASU sy ny governemantan'India ny hetsika, mametraka ny fampiharana ny NRC nohavaozina feno tao Assam.

Tamin'ny taona 2016, sambany nanangana ny governemanta tao Assam ny BJP. Nanomboka haingana ny dingana fanavaozana ny NRC ny governemantam-panjakana tarihin'ny BJP, mitaky ny olom-pirenena rehetra hanaporofo ny zom-pireneny. Tsy maintsy afaka nanaporofo ny mponina fa tonga teto amin'ny fanjakana tamin'ny 24 Martsa 1971, roa andro talohan'ny nanambaran'i Bangladesh ny fahaleovantenany avy tamin'i Pakistana. Tamin'ny 31 aogositra 2019, navoaka ny volavolan-dalàna farany momba ny ny NRC, ka olona efa ho 1,9 tapitrisa no lasa tsy manan-tanindrazana.

Rehefa nolaniana tao amin'ny parlementa ny CAA, nanomboka nanahy ny ankamaroan'ny mpitsikera fa miezaka hanambatra ny NRC amin'ny CAA ihany koa ny governemanta tarihin'ny BJP. Maro amin'ireo mpanao politika ao amin'ny BJP, anisan'izany ny praiminisitr”i Assam, Himanta Biswa Sarma, no nitaky mihitsy ny hampiharana ny NRC manerana ny firenena ary tokony hamantatra ireo olom-pirenena tsy ara-dalàna sy handroaka azy ireo ny governemanta.

Na izany aza, feno tsy fetezana ny NRC ao Assam, satria maro ny olom-pirenena Indiana ara-dalàna tsy tafiditra tao anatin'ny volavolan-dalàna farany, ka niteraka krizy goavana momba ny maha-olompirenena. Na dia nolavin'ny praiminisitra India aza fa hanaraka ny CAA ny fizotry ny NRC, tamin'ny fifidianana 2023 tao amin'ny Antenimieram-pirenena Karnataka, dia nampiditra NRC nohavaozina ny antoko ho fampanantenana tamin'ny fanambarany tamin'ny fifidianana tao amin'ny fanjakana, ka mahatonga azy io ho laharam-pahamehana ho an'ny BJP tamin'ny volana Febroary 2020, ka nahafatesana olona 53, izay Silamo ny ankamaroany. Ary maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny CAA no nosamborina teo araka ny Lalàna Fisorohana hetsika tsy manara-dalàna (UAPA), lalàna henjana.

Inona koa ny manaraka ho an'ny CAA?

Nipoaka nanerana ny firenena ny hetsi-panoherana tsindraindray taorian'ny nampiharan'ny governemanta io lalàna mampiady hevitra io tamin'ny volana Martsa 2024. Tany Tamil Nadu, fanjakana atsimo indrindra ao India, nivoady ny tsy hampihatra ny CAA ny fitondrana tarihin'i Dravida Munnetra Kazhagam. Nanao fihetsiketsehana nanohitra ny CAA tamin’ ny 12 martsa 2024 ihany koa ny Antoko Komonista India (Marxist), antokon'ny fitondrana ao amin'ny fanjakan'i Kerala atsimon'i India.

Mafy kokoa ny hetsi-panoherana any amin'ireo fanjakana any avaratra atsinanan'i India, indrindra fa ao Assam, izay mizara sisintany amin'i Bangladesh. Fikambanana sosialy maro no nanohitra sy nanao famoriam-bahoaka, nivoady tsy hanaiky ny CAA ao amin'ny fanjakana. Nanao diabe fandrehetana labozia tao Guwahati ny Sendikan'ny Mpianatra Assam rehetra ary nanome anarana ny hetsika ho Anti-India sy Anti-Avaratra-Atsinanana. Tsara ny manamarika fa nanatri-maso fihetsiketsehana mahery setra manohitra ny CAA i Assam tamin'ny taona 2019. Mba hisorohana ny hetsi-panoherana miely patrana toy izany tamin'ity indray mitoraka ity, dia nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisin'i Assam fa handray fepetra ara-dalàna ary mandoa izay vidin'ny fahasimbana amin'ny fananam-bahoaka. Ny tale jeneralin'ny polisy, Assam, G. P. Singh, Nanoratra imbetsaka tao amin'ny X ary nandefa taratasy ho an'ny antoko mpanohitra ihany koa ho fampitandremana mba tsy hitarika fihetsiketsehana.

Nanoratra tao amin'ny X i Ripun Bora, filohan'ny Kongresin'ny Trinamool ao amin'ny fanjakan'i Assam ary nanohitra ny ezaky ny Polisin'i Assam hanakana ny hetsi-panoherana demaokratika:

Ry namana @gpsinghips, zonay ara-demaokratika ny fihetsiketsehana. Tsy hiankohoka eo anatrehan'ny jadon'ny governemanta BJP izahay.

Ny fandefasana taratasy fampitandremana/taratasy toy izany dia fikasana hanakanana ny zonay ara-demaokratika.

Hijoro miaraka amin'ny vahoakan'i Assam izahay, na inona na inona ho vokany.#CAA pic.twitter.com/fkWJhqMyI5

Ankoatra ny hetsi-panoherana an-dalambe, nametraka fanangonan-tsonia manohitra ny CAA manavakavaka tao amin'ny Fitsarana Tampon'India ihany koa ireo fikambanana sivily sy olon-tsotra. Amin'izao fotoana izao, misy fanangonan-tsonia 200 mahery  ao amin'ny Fitsarana Tampon'i India manohitra ny toetra tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana amin'ilay lalàna. Na izany aza, na dia taorian'ny fanangonan-tsonia sy ny hetsi-bahoaka aza, dia efa manan-kery ny lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.