Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2016
Nahazo Sazy 10 Taona An-tranomaizina Tsirairay Avy Ireo Tanora Roa Mpikatroka Nanao Graffiti Tamin'ny Sarivongan'ny Patriarkan'i Azerbaijan
" Tsy tiako ny ho tsarovana amin'ny fialan-tsiny amin'ny teniko farany .Tsy manaiky ny fanagadrana ahy aho. Mankafy ny fahafahana aho."
Mampiseho ny Tatitra fa Mahazo “Tiako” Betsaka Kokoa ny Kandidà Mpanohitra ao Ghana ao amin'ny Facebook, Ny Filoha Am-perinasa Kosa no Mitarika ao amin'ny Twitter
Nampiseho ny tatitra fa lasa foiben'ny endrim-pifandraisana ho an'ny karazana mponina rehetra ny media sosialy, indrindra eo amin'ireo antoko politika sy ny mpitarika azy ireo izay miantehatra hatrany amin'ity media vaovao ity amin'ny firotsahana an-tsehatra miaraka amin'ny mpifidy azy ireo.."
Nanatontosa Fanentanana Hanafoanana Ny Lalàna Manenjika Mpitrifana Nanamelohana Azy Ilay Bilaogera Rosiana
Nanao fanangonan-tsonia hanafoanana ny lalàna andininy faha- 282 ao amin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava Rosiana ilay bilaogera malaza, Nossik, voaheloka tamin'ity lalàna ity."
Niova Hevitra Momba Ny Fanerena Ny Google Ny Mpandrindra Ny Fampahalalam-baovao Rosiana
Ora maro taorian'ny nitateran'ny fampahalalam-baovao fa namoaka toromarika ny sampan-draharaham-panjakana mpandrindra ny fampahalalam-baovao, Roskomnadzor, hanerena ny Google hisoratra anarana indray ao Rosia na ho voasazy, dia niova hevitra ny solontenan'ny sampan-draharaha, nilaza tamin'ny roem.ru fa nandiso vaovao ny Izvestiya, gazety namoaka ny vaovao.
Manamafy Ny Fanereny An'I Google I Rosia
Namoaka toromarika manery ny Google mba hanova ny fisoratany anarana hatramin'ny faran'ny volana Martsa ny Roskomnadzor, sampan-draharaha mifehy ny fampitam-baovao Rosiana.
Tsy Mampino, Nandresy Tamin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena Tao Gambia Ny Antoko Mpanohitra
Tsy nampoizina sy nahafaly ireo Gambiana maro sy izao tontolo izao ny valim-pifidianana niampy ny faneken'i Jammeh ny fahareseny.
Eo Ambany Fahefan'ny Biraon'ny Mpanara-maso ny Hetra, Tafakatra Avo Noho izay Nisy Hatrizay Ny Fandàvan'ny Mponin'i Puerto Rico Tsy Hifidy
"Raha voajery araka ny tokony ho izy ny olana, mety ho fotoana tsara hanombohana ny hetsika goavan'ireo olona tezitra manohana ny HANOVANA ny rafi-pifidianana ao Porto Rico ny fifidianana 2016."
Amerikàna iray Mpivezivezy, Manameloka ny Fombafomban'ny Fadin-tseranana Makedoniana Amin'ny Fanovana Kolikoly Taoriana ‘Sedra niainany’ Teny Amin'ny Sisintany
Nampakatra lahatsary izay i Ray nilazàny fa nalain'ny manampahefana taminy ny drôna -- tsy hoe nanao zavatra ratsy izy, fa satria te-hivarotra izany ho an'ny tombontsoany fotsiny ry zareo.
Manamafy Ny Fotodrafitrasany Amin'ny Teknolojia i Rosia, Manapaka Ny Fifandraisana Miaraka Amin'ireo Orinasa Amerikana
Satria mihamafy ny ahiahy momba ny mahatafiditra an'i Kremlin amin'ireo fanafihana amin'ny Aterineto atao amin'ny Tandrefana, ataon'i Maosko lasibatra ny Microsoft, Oracle ary IBM. Ho endrika fanehoana ve ireo ezaka ireo sa tetikady?