Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2022
Mpanao tolona Superstar nogadraina noho ny famonoana olona indrindra fa manaitra ny Mongoliana ny tahan'ny heloka bevava ao amin'ny fireneny
Nomelohin'ny fitsarana ao amin'ny distrikan'i Khan-Uul ao Ulaanbaatar renivohitra Mongoliana higadra 16 taona an-tranomaizina ilay tompondaka judoka sady filohan'ny komity olaimpika nasionaly Mongoliana teo aloha, Tüvshinbayar.
Sri Lanka: Ny fivoaran'ny toeram-pihetsiketsehana Gotagogama sy ny manodidina azy, an-tsary
Mpaka sary Sri Lankey Sandesh Bartlett maka sary ny fomba nisian'ny fihetsiketsehana am-pilaminana manohitra ny governemanta Rajapaksa tao amin'ny Galle Face Green ao an-drenivohitra Colombo, nanomboka ny Marsa ka hatramin'ny Jolay 2022.
Tatitra Unfreedom Monitor: Brezila
Anaty tati-pikarohan'ny Advox ankehitriny ny tsirefesimandidy ankihin'i Brezila. Vakio ny tsonga ary trohy ny pdf feno.
Miditra vanim-potoana vaovao ara-politika ny ao Sri Lanka
Ny fitroarana faobe milamina tamin'ny 9 Jolay 2022 no nitondra ny fiafaran'ny vanim-potoana ara-politika iray izay nanomboka tamin'ny famoahana ny lalàmpanorenan'i Sri Lanka tamin'ny taona 1978, lalàm-panorenana izay nanimba tanteraka ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna ary ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.
Nitambotsotra ho firenena tsy milamina mampatahotra i Nizeria
Samy mampisy fiantraikany amin'ny filaminana sy ny fiainan'ny olompirenena manerana ny firenena ireo andian-jiolahy mitam-piadiana, ny fakana an-keriny ary ny herisetra mifandraika amin'ny fanatanjahantena.
Miteraka olana ara-piarovana ao Kosovo ny firohotry ny fandrahonana baomba mamitaka
Nahazo an'i Kosovo ihany koa ny fanairana baomba nanerana an'i Balkana. Nahazo hafatra fandrahonana avy amin'ny adiresy tsy fantatra ny Oniversite, ssekoly, seranam-piaramanidina sy fandraisina bus.
Polisin'i Trinidad & Tobago miisa valo no voahazona noho ny raharaha nahafatesana olona
Nolazain'ireo mpisolovava miaro ny fianakavian'ny roa tamin'ireo nodimandry fa “tsy ara-dalàna”, “an-tondromolotra” ary “famonoana tsotsotra izao” ny fahafatesan'izy ireo
Mifandona amin'ny fitsarana tampony eoropeana amin'ny resaka zon'olombelona i Torkia
Tamin'ny 11 Jolay, nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona (ECtHR) fa tsy nahatanteraka ny andraikiny araka ny Andininy 46/1 amin'ny Fifanarahana Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona i Torkia tamin'ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana tamin'ny taona 2019 hamotsorana an'i Kavala.
Nahazo fampiantsoan'ny polisy ireo Mpahay lalàna Malayziana nanao ny ‘diaben'ny fahalalahana ara-pitsarana’
"Nametraka ohatra ratsy ho an’ny olom-pirenena ny fihetsiky ny polisy, satria mampita hafatra fa tsy afaka mampiasa ny zony araka ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena na dia manaja ny lalàna aza ..."
Mizaha ny fahamarinana ao amin'ny kabarim-panokafan'ny Filohan'i Filipina Ferdinand Marcos Jr.
"Mampanahy ny amin'ny fomba hijerena ny zava-misy ao anatin'ny enin-taona manaraka ilay kabary fanokafana."