Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2019

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2019

Nitombo ny fihetsiketsehana manohitra ny trano foibe famoaham-baovao iray any Pakistan

Miha-mahazo fandrahonana hatrany ho voatafika noho ny antony politika ilay gazety lohalaharana amin'ny teny Anglisy mpivoaka isan'andro Dawn.

Tena zavadoza tokoa ve ireo vaksiny andrana hanoherana ny Ebola?

Manamafy ny hetsika ataony ny vondrompiarahamonina iraisampirenena mba hamongorana ilay valanaretina. Marobe ireo firenena nilaza fa nahita vaksiny na fanafody ary efa nampiasainy sahady tsy nanaraka ny zotra fanao takiana ho an'ny fanafody rehetra.

Ginea: noho ny viriosy Ebola, hopitaly iray manontolo no nakatona

Antokon-draharaha iray manontolo any anatin'ireo hôpitaly lehibe ao Kônakry no tsy miasa intsony rehefa nahitàna tranga vaovao-nà viriosy Ebola

Fahalalahana # Fanarahamaso : Toerana toy inona no homena ny fifampiresahan'ny kolontsaina isankarazany ao amin'ny Vovonana Erantany ho an'ny Demaokrasia?

Vovonana Erantany ho an'ny Demaokrasia tao amin'ny Filankevitr'i Eoropa tao Strasbourg, 18-20 nov., Lohahevitra: "Fahalalahana # fanarahamaso : mba hahazoana valiny demaokratika".

Tsy azo antoka ny ho avin'ireo mpitady fialokalofana ao Sri Lanka

Tokony handray haingana fanapahankevitra ireo manampahefana mba hiantohana ny fiarovana, ny haja sy ny zon'ireo mpitsoaponenana ary ireo mpitady fialokalofana, amin'ny fiantohana ny fitonian-dry zareo sy ny hananan'izy ireo fepetram-piainana mifanaraka amin'ny maha olombelona azy

Ny tanànan'i Siberie mikasa ny hifidy saka ho ben'ny tanàna

Manalavitra azy ireo ny politika monisipaly, nanomboka nanome marika tsy fahafaliana amin'izay ireo olom-pirenena tsotra Saka iray tohanan'ireo mpanao aterineto ny firotsahany ho kandidà ho ben'ny tanàna.

Diabe iray mba hanomezana aina indray an'ireo sendikan'ny mpianatra ao Pakistana

Tsy marin-toerana ireo fepetra ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-toekarena ao Pakistana izay hery manosika an'ireo mpianatra hanomana ity diabe ity mba hitakiana ny famelomana indray an'ireo fikambanan'ny mpianatra.

Mampivarahontsana ao Bangladesh ny fiakatry ny vidin'ny tongolobe

Miha-ratsy ny krizinà tongolo ao Bangladesh miaraka amin'ireo fahatarana misy amin'ireo mpiara-miasa hatrizay tamin'ny fanafarana sy ireo vidiny mitombo avo enina heny. Maka an'ireo tongolo entina amin'ny fiaramanidina ny governemanta mba hamaliana ny tinady.

Satria mankalaza ny faha-15 taona ny Global Voices, ireto ny lahatsoratra notsongain'ny ekipa Karaiba

Tsingerintaona faha-15, GV! Nisafidy ny lahatsorany 15 tsara indrindra tamin'ity taona 2019 ity ny ekipa Karaiba, manomboka amin'ny fihetsiketsehana mahery setra an-dalambe, ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ary ny tantaran'ny rariny. Fizarana voalohany amin'ny dimy.

Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi

Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Citizenship Amendment Act.