Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2019
Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir
Tohin'ny fahasimban'ny fifandraisana ao Kashmir anatiny, nampiasain'ireo mpanao Aterineto avy any ivelany ny Twitter mba hanohitra ny fanafoanan'i India ny zo fizakan-tenan'ny faritra.
Mpikambana ambony amin'ny governemanta nosamborina tao Trinite & Tobago, masiaka ny adihevitra momba ny kolikoly
Fa maninona i McDonald no imbetsaka loatra no mandroaka sy manendry indray? Fa manana kolontsaina mahatonga kolikoly ve i Trinite sy Tobago? Niteraka adihevitra bebe kokoa ny fisamborana minisitra.
Topi-maso momba ireo fitokonana amin'ny toetr'andro manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana
Maro ireo hetsika nokarakaraina manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 septambra 2019 ho fanohanana ny Global Climate Strike (Fitokonana momba ny Toetrandro Manerantany).
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."
Efa noderain'i Homer indray maka, mihavery hazo ka mihasola ny tendrombohitra Ida ao Torkia
Mamondrona ny heriny ny mpikatroka sy ny artista ao Torkia hiadiana amin'ny fandripahan'ny orinasa mpitrandraka ny ala.
Ejipta: Bilaogera misalasala (2009)
Mitaky fahaizana mandanjalanja, fandeferana, ary fahamarinana ny fisalasalana. Nisafidy ny hisalasala i Mona Eltahawyary ary mangataka amin'ny olona mba hisafidy vahaolana i Amr Gharbeia.
Mpivarotra lamba ‘kanga’ mampiavaka an'i Zanzibar nandritra ny 30 taona nasaina niala eny amoron'ny arabe
Nolazaina ireo mpivarotra Kanga ao Stone Town, Zanzibar, fa "fandraharahana tsy nahazo alalana, tsy ara-dalàna" ny toeram-pivarotan'izy ireo eny amoron-dalana satria manelingelina ny fidirana sy ny hankaton'i Stone Town ary mampihena ny lanjany ihany koa, ka nasaina niala tao izy ireo.
Matahotra ny handefa ny ankizy hiverina an-tsekoly ao anatin'ny ady mitam-piadiana ireo ray aman-dreny Kameroney
Any Kamerona, nampiasa ny fanaovana ankivy ny sekoly ireo separatista ho adi-varotra. Namono sy naka an-keriny ireo mpampianatra tany amin'ny faritra miteny Anglisy ireo mpiady mba tsy hanokafana indray ny sekoly raha tsy voavaly ny fitakiana.
Mety hiatrika “sazy ho faty” ny Kameroney satria mandrahona hanala ny fanafody antiretroviral ny Global Fund
Matahotra ny tsy fisian'ny fanafody ARV intsony ireo Kameroney miaina amin'ny VIH satria mandrahona hanala izany ny Global Fund noho ny fitomboan'ny trosan'i Kamerona efa ho 47 tapitrisa dolara.
Mamely mafy an'i Chennai ao India ny tsy fisian'ny rano madio
Voakasika ny fiainan'ireo olona 9 tapitrisa ao atsimon'i India satria miatrika krizin-drano tsy mbola nisy toy izany i Chennai, iray amin'ireo tanàna mitombo haingana be indrindra manerantany.