· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2017

Shina: Hetsi-panoherana Am-pilaminana

Toa mitohy hatrany ny olan'ny mponina ao amin'ny tanànakely ao Huacao any ambanivohitra distrikan'i Minxing ao Shanghai. Nampiseho ny tatitra avy amin'ny fampitam-baovao tao tanibe roa taona mahery lasa izay fa rehefa niandry nandritra ny taona maro ireo mponina dia tsy mbola nahazo ny onitra tamin'ny fivarotana ny taniny

30 Oktobra 2017

Miresaka Momba Ny Fandresen'i Obama Tao Iowa Ny Bilaogera Iraniana

Bilaogera Iraniana maromaro no miresaka momba ny fandresen'ilay kandidà ho filoha amerikana, Barack Obama, tao Iowa. Ity no fifaninanana fanendrena voalohany amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena taona 2008. Faly tamin'ny fandresen'i Obama ny sasany, raha nanombana mikasika ny fiantraikan'ny "Obama ho filoha" amin'ny fiainana ara-politika Iraniana kosa ny hafa.

26 Oktobra 2017

Iran: Fihetsiketsehana Noho Ny Fandraràna Gazetiboky Momba Ny Vehivavy

Noraràn'ny governemanta Iraniana roa herinandro lasa izay ny Zanan Magazine (midika hoe "gazetim-behivavy"), taorian'ny 16 taona nivoahany. Tato anatin'ny taona vitsy, nofoanan'ny manampahefana Iraniana ny fahazoan-dalana an'ireo gazety sy gazetiboky marobe, saingy ny fanakatonana an'i Zanan no tena niteraka fanoherana lehibe tao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena.

25 Oktobra 2017

Filipina: Ilay Rivodoza Tonga Lafatra

Rivodoza mihoatra ny roapolo no miditra ao Filipina isan-taona. Fa ny rivodoza mahery Milenyo (anarana iraisam-pirenena: Xangsane) izay vao avy namely ny faritra avaratry ny firenena dia nahatohina ny olon-drehetra niaraka tamin'ny herisetrany sy ny halehiben'ny fahavoazana navelany.  Simba tanteraka i Metro Manila.

24 Oktobra 2017