Mampiseho ny Tatitra fa Mahazo “Tiako” Betsaka Kokoa ny Kandidà Mpanohitra ao Ghana ao amin'ny Facebook, Ny Filoha Am-perinasa Kosa no Mitarika ao amin'ny Twitter

The cover page of the Governance Social Media Index.

Pejy Rakotry ny Tondrom-Pitantanana Media Sosialy.

Namoaka ny tatitrany andiany fahatelo momba ny Tondro Fitantanana Media Sosialy (GSMI) ny Penplusbytes, fikambanana tsy mitady tombontsoa mampiroborobo ny fitantanana mahomby amin'ny fampiasana ny teknolojia ao Afrika, manombana izay antoko politika sy mpitarika manana fisiana indrindra ao amin'ny media sosialy sy ny tahan'ny fandraisan'izy ireo anjara toy ny tamin'ny 4 Desambra 2016.

Namoaka ny andiany voalohany tamin'ny 30 Jona ny fikambanana, izay nandinika ny fisian'ireo lehiben'antoko politika, antoko politika ary ireo andrim-pitantanana fifidianana ao amin'ny Twitter sy Facebook, raha nandrefy ny fomba fampiasan'ny antoko politika sy ny kandidàny ny fitaovana media sosialy ho amin'ny tombontsoan'izy ireo mialoha ny fifidianana 2016 kosa ny fizarana faharoa nivoaka tamin'ny 30 Septambra .

Nifidy ny Ghaneana tamin'ny 7 Desambra, fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka. Ny tena mpifaninandrina ho filoham-pirenena dia ny filoha am-perinasa John Dramani Mahama avy ao amin'ny Kongresim-pirenena Demokratika (NDC) sy ny kandidàn'ny mpanohitra Nana Akufo-Ado ao amin'ny Antoko Vaovao Tia Tanindrazana (NPP).

Mampiseho ny fizarana fahatelo ny Fanondroana (fampilaharana) fa i Akufo-Ado, lehiben'ny Antoko Vaovao Tia Tanindrazana, antoko mpanohitra lehibe indrindra ao amin'ny firenena no mitarika amin'ireo kandidà fito nirotsaka hofidiana filoham-kandidà, izay manana “tiako” 1.253.452 ao amin'ny Facebook, fiakaran'ny “tiako” 200.000 mahery raha oharina tamin'ny tatitra farany [mg]. Ny filoha Mahama kosa no faharoa izay manana “tiako” miisa 1.073.088 ao amin'ny Facebook, fiakarana maherin'ny 60.000 tiako raha oharina amin'ny tatitra farany [mg]

Mampiseho fiovana tsy toy ny tamin'ny andiany faharoa izay nitarihan'ny filoha Mahama tamin'ny “tiako” 1.007.595 ity. Nahazo “tiako” bebe kokoa (272,395) i Akufo-Addo raha ampitahaina amin'i filoha Mahama (65,493) tao anatin'ny roa volana farany.

Na izany aza, mitarika ao amin'ny Twitter, manana mpanjohy 303.924 ny Filoha Mahama, arahin'i Akufo-Addo izay manana mpanjohy 119.725. Manamarika ny tatitra fa na dia manana mpanjohy marobe aza ny Filoha Mahama, i Akufo-Addo no mavitrika kokoa amin'ny firesahana ny mpanjohy azy, namoaka sioka miisa 5.372.

Nanazava tao amin'ny tranonkalan'izy ireo ny tale mpanatanteraky ny Penplusbytes, Kwami Ahiabenu II:

the report has shown that social media has become a normal and central form of communication for all segments of the population, particularly, political parties and their leaders who increasingly rely on this new media for constant engagement with their constituents because it provides direct, cheap platform, and a two-way information dissemination in real time about their programs ahead the 2016 Ghana elections.

Nampiseho ny tatitra fa lasa foiben'ny endrim-pifandraisana ho an'ny karazana mponina rehetra ny media sosialy, indrindra eo amin'ireo antoko politika sy ny mpitarika azy ireo izay miantehitra hatrany amin'ity media vaovao ity amin'ny firotsahana an-tsehatra miaraka amin'ny mpifidy azy ireo satria manome sehatra mivantana sy mora vidy izy ary koa fanapariahana vaovao ara-potoana momba ny fandaharan'asanizy ireo mialoha ny fifidianana 2016 ao Ghana.

Tany am-piandohan'ity taona ity no namoahan'ny Tondro Media Sosialy (SMI) voalohany [mg] ny  Penblusbytes, tatitra momba ny tranon-gazety, fampielezam-peo sy fahitalavitra ao Ghana.

Trohy ato ny Tondro [fampilaharana] momba ny Fampiasana Media Sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.