Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2019
Oganda: Nandrava ny tsenan'i Owino ny afo
Afo goavana no nandevona ny tsenan'i Owino tao Kampala tamin'ny alarobia maraina, ka olona dimy no naratra mafy ary trano an'arivony no simba. Tombanana ho niharan'ny fatiantoka ireo mpivarotra miisa 25 000, izay vehivavy no ankamaroany.
Gazety aostraliana manohitra ny lalànan'ny governemanta momba ny tsiambaratelo amin'ny alalan'ny sivana ny lohatenim-pejiny
"Saingy miaina anatin'ny tahotra fiampangana heloka bevava ny mpanao gazety sy ny mpitsikera any Aostralia, amin'ny fanafihana ataon'ny polisy sy ny ady ara-pitsarana izay mandrahona ny asan'izy ireo sy ny fahalalahan'izy ireo manokana."
Mahafaty olona ny firotsahan'ny polisy an-tsehatra ao Ginea, mifikitra amin'ny fitondrana i Alpha Condé
Manao herisetra mahafaty olona ny polisy ao Ginea raha miezaka manova ny lalampanorenana ny filoha ao mba hifikirana eo amin'ny fahefana
Thailandey mpitsara nitifi-tena tao amin'ny efi-pitsarana taorian'ny filazany fa misy fitsabahana ara-politika amin'ny famoahana didim-pitsarana
"Avereno amin'ny mpitsara ny didim-pitsarana. Avereno amin'ny vahoaka ny rariny. Mety ho maivana tahaka ny volomborona ny fanambaràna ataoko, saingy tokony ho mivaingana tahaka ny tendrombohitra ny fon'ny mpitsara."