Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2016
Tapitra Ny Hetsipanoherana Lavareny Nataon'i Irom Sharmila, Fa Mitohy Kosa Ny Tsimatimanota Miaramila Any Avaratra Atsinanan'i India
"Nampiasain'ireo media nasionaly [...] ho seho ny fifadiany sakafo, isantaona. Ny fifadiana hanina no nananganan-dry zareo tantara, fa tsy izay antony nifadiany hanina"
Nahoana Ary Ireo Fiaran-javamanenon'ny Fifidianana Any Japana No Mikiakiaka Be, No Sady Tsy Misy Ilàna Azy?
Fotoanan'ny fifidianana indray izao any Japana, ary ho an'ireo Japoney maro izay midika ho fiverenan'ny hamohamon'ny Japoney indrindra: 'fiaran-javamaneno' izay mamerina hafatra tsy misy dikany sy mitovy foana.
Tsikera Momba Ireo ‘Miaramila Tsimatimanota’ ao Kashmir Tantanin'ny Indiana
Tato anatin'ny herinandro vitsy, ankoatra ireo toeran-kafa, nisy ny hetsi-panoherana tao Delhi sy Calcutta, notakian'ny ny mpanao fihetsiketsehana ny fanafoanana ny AFSPA sy PSA sy fanesorana tsy misy hatak'andro an'ireo miaramila ao amin'ny faritra Kashmir.
Soritroritan'i Prof. Fatoumata Harber, Psikology Sady Bilaogera Ny Fiainana Andavanandron'ny Mpitolona Iray Ao Tombouctou
Ny ankamaroan'ny vahoaka any avaratr'i Mali dia tsy mifamatotra amin'ireny vondrona mitam-piadiana ireny, tsy mpitaky fahaleovantena.
Taorian'ny Fanafihana Tao Nice, Efa Tsapa Sahady Ny Voka-dratsiny Eo Amin'ny Fizahantany
Hanao randra-tarihana ara-toekarena goavana ao amin'ny faritra PACA ao Frantsa ny voina nitranga tamin'ny 14 jolay.
Manohy Ny Famoriam-bahoaka Ireo Mpanohitra Ao Maldiva Na Dia Teo Aza Ny Fanakanana Nataon'ny Governemanta
"Manao ny tsikera ho heloka bevava i Yameen ....ao anatin 'ilay drafitra fanavaozana ."
Mpahandro Sakafo “Tian” i Valdimir Putin Indrindra: Voarohirohy Amin'ny Fanafihana Mpanao Gazety sy Mpikambana Amin'ny Mpanohitra
Mieritreritra ireo niham-boina fa voakendry noho ireo lahatsoratra sy sary nozarainy tany amin'ny tambajotra sosialy izy ireo. Io, araka ny fahitana azy, dia ampy nandranitana ireo sasany tsy mitonona anarana, milaza ny tenany ho ''tia tanindrazana.''
Nanendry ny Vadiny, sy Ireo Mpitarika Mpanohitra Ho Amin'ny Toerana Ambony Ny Filoha Ogandey
"Mitandrema fotsiny amin'ny firodanan'ny fanabeazana tanteraka ao Oganda. Tsy manana fitondra-tena tsara ity vehivavy ity."
Tsy Manaiky Resy Tsy Miady Amin'ny Fepetram-Pitsitsiana Henjana Napetrak'i Etazonia Ireo Pôrto Rikana
Nidina an-dalambe ireo Pôrto Rikana sy ny media sosialy hanao hetsi-panoherana noho ny fanaovan-tsonia ho lalàna manan-kery ny PROMESA vao haingana izay mametraka ny kabinetra federaly mpanara-mason' ny hetra .
Manana Mponina Iray Tapitrisa Ve Ny Renivohitr’ i Kazakhstan ? Tsia Kosa Angamba
"Iray tapitrisa hoy ny filoha. Ary tsy manao fahadisoana na oviana na oviana ny filoham-pirenena ."