Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2016
Saika Nifarana Tamin'ny Famongorana Ny Governemantan'i Aostralia Eo Amin'ny Fitondràna ny Fifidianana Nampitebiteby
"Te hisaotra ny Praiminisitra Hajaina aho amin'ny fanomezany ny Fanjakàna farafahakeliny 3 taona feno hatsikana ao amin'ny Antenimierandoholona"
Nandray An-tanana Ny Olan'ny Governemanta Ao An-toerana Momba Ny Fisotroan-dronono Ny Mpanao Gazety Olom-pirenena Iray ao India Ka Nandresy
"I know how important are a few hundred rupees in an impoverished person’s life. It means food, medicine and security." "Fantatro fa zava-dehibe ny ropia an-jatony vitsivitsy amin'ny fiainan'ny olona mahantra. Midika sakafo, fanafody ary filaminana izany."
Tsy Mba Nalaza Ny Tranonkalan'ny Fanisam-bahoaka Ao Aostralia Talohan'ny Fanafihana Azy Antserasera
Noesorin'ny Biraon'ny Antontan'iasa Aostraliana ny tranonkalany Census Night (Fanisam-bahoaka Alina) taorian'ny fanafihana antserasera DDos, ka nahatonga ahiahy momba ny fiainana manokana, ny fiarovana ary ny tsy fitononana anarana.
Manangoly Loatra? Tsy Ampy Anarana? Manasongadina Vehivavy Atleta ao India Ny Dokambarotra Nike
"Mampiseho ny tsy fahafantarana ireo mpanao fanatanjahantena vehivavy na atleta eto amin'ity firenena ity ilay dokambarotra Nike ."
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Na Eo Aza Ny Fahasimbàna Vokatry ny Tondra-drano, Mbola Mandany An-tapitrisany Amin'ny Kodiarana Lehibe Ihany Ny Governemanta Makedoniana
Farafahakeliny 21 ireo maty, ary ampolony ireo tsy hita sy naratra, tamin'ilay tondradrano nikapoka an'i Skopje renivohitr'i Makedonia, taorian'ireo orambe nivatravatra ny 5 Aogositra.
Mamadika Ny Ligin'ny Tanora Kaominista Natanjaka Fahiny Ho Fitaovana Fampielezan-kevitra Amin'ny Aterineto i Shina
Nialoha ny nidiran'ny Filoha Xi tamin'ny fitondrana, natao hanosehana ny lohandohany ara-politika tao Shina ny Ligin'ny Tanora Kaominista.
Manintona Ny Fijery Ho Amin'ny Fahorian'ireo Trà-boina Nohon'ny Tohodrano Any India Ny #RallyForTheValley
"Voalohany indrindra,tokony hoe nanomboka ny fanorenana vaovao ho an'ireo olona ao amin'ireo toerana iharan'izany aloha izy ireo izay vao nanomboka ny asa..."
Ao Anivon'ny Raharaham-Pitoriana Kolikoly Amina Miliara Dolara Ao Etazonia Ve Ny Praiminisitr'i Malayzia?
"Tezitra aho fa ampiasaina tahaka ny kaontin'ny banky manokana ny vola. Vao maika mahatezitra ny fahitana fa tsy azo kitihina eto ny manampahefana malayziana voalohany.."
Mihamafy Ny Antso Fanaovana Fanadihadiana Amin'ny Faneriterena Atao Amin'ny Vondrom-piarahamonina Tharu Any Amin'ny Farany Andrefan'i Nepal
"Voalohany, nalaina ny tanin'izy ireo, avy eo ny fahalalahana miaina, ary izao, kendren'ireo vato nasondrotry ny tany mpanavakavaka ireo ho foanana ny Tharus"