Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2010

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2010

26 Janoary 2010

Haiti: Olo-malaza Haitiana nambara fa maty

Mbola sarotra dia sarotra ny fifandraisana anatiny sy ivelan'i Haiti ary maro amin'ny olona no mbola tsy afaka nahazo vaovao - raha misy - momba ireo tapaka sy namana, tonga ireo vaovao, mahaliana ihany, avy amin'ireo mpitoraka blaogy ivelan'i Haiti, momba ireo olo-malaza tsy hita na efa voalaza fa maty.

22 Janoary 2010

Congo (RDC): Ny vokatry ny tsy firaharahiana

Mahafinaritra ny Congoblog. Mendrika daholo ny lahatsoratra tsirairay, indreto ny tena nanaitra hatramin'ny fiatombohan'ny volana janoary teo: avy any Kisangani, Boyomais mitaraina ny amin'ny zavatra mampalahelo iainana any amin'ny toeram-pitsaboana  ao amin'ny fireneny, tafiditra amin'izany ny teny baiko fantatry ny rehetra hoe: “tsy misy vola, tsy misy fitsaboana”. Nataon'i Luba...

16 Janoary 2010

Karaiba: Jeritodika isam-paritra 2009

Amin'izao fankalazan'ny Global Voices ny faha-dimy taonany izao, dia izao no fotoana hanararaotina hanazavàna ny antony anaovantsika izay ataontsika sy izay fiovana vitan'ny asantsika.  Araka ny namintinan'ny mpiara-miasa amiko Jillian York azy hoe, “Mampiely tantara isika. Mampiely teny.”  Miezaka ny ho amin'izany tokoa izahay noho ireo olona marobe miketrika amin'ny...

13 Janoary 2010

Kazakhstan: Resaky ny mpitoraka blaogy momba ny firaisana fadintseranana sy ny harem-pirenena

Miady hevitra amin'izay ho azon'i Kazakhstan noho ny Fikambanana anatina fadintseranana iray hiraisany amin'i Rosia, Belarosia ary Kazakhstan, izay hanankery nanomboka tamin'ny 1 Janoary 2010 teo, ireo mpitoraka blaogy. Jeren'ny governemanta ho dingana voalohany hisian'ny fidirana lalina kokoa min'ny Fikambanana ara-toe-karena Eoropeana sy Aziatika ity vondrom-barotra iray iraisan'ny firenena telo...

11 Janoary 2010

Iran: tolona iraniana tohanan'ny mpiserasera shinoa

Hatramin'ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fitondrana islamika tany Iran nandritra ny fankalazana ny Ashura, dia mpiserasera Shinoa ampolony ny niditra tao amin'ny valam-piaraha-monina Twitter #iranelection. Ary dia nampiany hashtag vaovao, #CN4Iran, izany sy vohikala vaovao hanohanana ny tolon'ny vahoaka Iraniana, mitondra ny anarana hoe CN4Iran.org. Niresaka tamin'ny iray amin'ireo mpiserasera nanangana izao...

07 Janoary 2010

Madagasikara tamin'iny taona iny – Fizarana fahatelo -

Teo alohaloha teo moa i Lova Rakotomalala no nanoratra ho antsika ny Madagasikara nandritra ireo volana niatombohan'ny taona 2009 izay tonga hatrany amin'ny fanonganam-panjakana nataon'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan’ Antananarivo teo aloha, ka nahatafakatra azy ho eo amin'ny fitondrana. Narahin'i Mialy tamin'ny volana vitsivitsy manaraka ny fitantarana, izay mbola nahitana...

04 Janoary 2010

Tamberina 2009 teto Madagasikara – fizarana faharoa -

Lova Rakotomalala, tao amin'ny topimaso nosoratany nandritra ny volana vitsivitsy fiandohan'ny taona 2009 teto Madagasikara, tapany voalohany amin'ny fizarana telo nosoratany, no nitantara ny nahatongavan'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo teo aloha, hahazo ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Hotohizantsika teo amin'ny niatoan'i Lova ny raharaha. May 2009 no nahitana ny fanoherana...

01 Janoary 2010

Tamberina 2009 Azia Atsimo

Nivalona hatreo ny taona 2009 ary izao no fotoana hitodihana izay nitranga tany Azia atsimo. Ao anatin'ny tamberina misy fizarana roa no ijerentsika ireo fotoan-dehibe nanamarika io taona io ho an'ny firenena atsimon'i Azia amin'ny alalan'ny mason'olo-tsotra tia mampita vaovao. Isaorana manokana ireo mpanoratry ny Global Voices ho an'i Azia...