Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2021
Mandray ny asa maha-filohampirenena azy i Ebrahim Raisi, mitombo ny famoretana
Ilay lehiben'ny fitsaràna fahiny tao Iràna, sady lehiben'ny sampandraharaham-pitsaràna ao anatin'ny fitondràna no nandresy tamin'ny fifidianana ho filohampirenena natao ny 19 Jona. Fandresena niezinezina
Manome tsiny an'i Azerbaijan noho ny fanitsakitsahana ny fampitsaharana ady i Rosia
Niampanga an'i Azerbaijan ho nanitsakitsaka ny fampitsaharana ady tany Nagorno-Karabakh ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana satria nitombo hatrany ny fifandonana teo amin'i Armenia sy Azerbaijan.
Ampamoahan'ny fitsarana rosiana trosa matevimbe ny orinasa media sosialy lehibe noho ny fanitsakitsahana ny fitsipiky ny famangitana
Takian'ny lalànan'ny famangitana lahatahiry, nolaniana tamin'ny taona 2015, ny orinasan'aterineto rehetra mikirakira lahatahirin'ny mpisera rosiana hitahiry izany lahatahiry izany amin'ny boatin-drakitra (servers) hita maso miorina ao anatin'i Rosia.
Ny ratsy ateraky ny sivana mahazatra
Sarina mpanao hetsipanoherana am-pilaminana, tsy mifanaraka amin'ilay fitantaràna izay manohy mandoko ireo mpanao hetsipanoherana ho olona mahery setra, tsy misaina, entin'ny fo.
Tsy azo itokiana ve? Mitombo ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19 ary ny fifidianana ao Amerika Latina sy Karaiba
Mifangarika amin'ny fitobahan'ny vaovao diso sy ny fanelezana tsaho mandifotra ilay faritra ny tsy fahampian'ny torohay azo itokiana momba ireo olana saropady, tafiditra amin'izany ny ady atao amin'ny COVID-19.
Mangataka ny famotsorana an'i Cheng Lei izay voatazona herintaona an-tranomaizina tany Shina ireo mpanao gazety
"Manahy ny fiantraikan'ny fisamborana azy amin'ny asa fanaovan-gazety izahay, izay tsy mbola nampanahy toy izany hatramin'izay."
Mamely mafy an'i “Khuzestan main'ny hetaheta” ny fanjakana iraniana
Telo taona lasa izay, nipoaka tao Khuzestan, faritra manankarena indrindra ao Iran, ny hetsika anoherana ny tsi-fisian-drano. Tahaka ny amin'izao fotoana, hery no avaly ny fitakiana noho ny fanakianan'ny mpanao fihetsiketsehana ny kolikoly sy ny tsi-fahaiza-mitantana ataon'ny governemanta.
Nisy nandrovitra tamin'ny andron'ny herisetra an-dalambe faharoa avy amin'ny ankavanana hiringiriny ny sainan'ny Vondrona Eoropeana tao amin'ny Parlemanta Zeorziana
Vahoaka an'arivony maro, anisan'izany ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny pelaka sy ireo mpanohana ary ny mpitarika ny mpanohitra, no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta tao Tbilisi hanohitra ny herisetra atao amin'ireo LGBTQI+ sy ny mpikarakara ny Fireharehana.
Hetsika #Lawan mitaky ny fialan'ny praiminisitra Malayziana amin'ny fiatrehana ilay valan'aretina
"Ahitana tanora maro ny mpanomana ity hetsi-panoherana ity, ary derainay ny fitiavana sy ny fanoloran-tenan-dry zareo ho an'ny firenentsika."
Notendrena ho praiminisitra any Armenia indray i Nikol Pashinyan
Taorian'ny fandresen'ny Antokon'i Pashinyan Fifanarahana Sivily tamin'ny fifidianana mialoha ny fotoana tamin'ny volana Jona ny fanendrena. Niasa ho praiminisitra mpisolo toerana i Pashinyan hatramin'ny fanendrena ofisialy azy tamin'ny 1 aogositra lasa teo.