Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2023
Nosakanan'i Torkia ny fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16
Milaza ireo manam-pahaizana fa ny tanjon'ny fandraràna dia ny hisakanana ny fidirana amin'ireo tranonkalam-baovao efa voasakana ao amin'ny firenena izay tsy azo nidirana afa-tsy tamin'ny fampiasana ny tolotra VPN.
Voarohirohy tamina resaka kolikoly ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoham-pirenen'i Azerbaijana
Misy tantara mampiahiahy ilay Hotely InterContinental ao Baku. Rehefa natao lavanty ny tany manodidina an'ilay hotely dia niniana nafenina tsotra izao ny antsipirihany momba ny adiresy sy ny haben'ilay tany.
Mandrahona ny FTMF-ONG ny lisitra ‘masombahiny’ ao Kazakhstan
Rehefa nivoaka tamin'ny septambra ny lisitra, ONG-FTMF iray farafahakeliny no voasingana hahazo fanadihadiana ara-bola fanampiny manokana.
Raha manomboka ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy Fanonerana ny COP28 dia nasongadin'ny orambe mivatravatra kosa ny fitomboan'ny faharefoan'ireo Nosy Karaiba manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Mitovy tahaka ny any amin'ny faritra hafa any Karaiba ny toe-javatra any Jamaika, izay atahorana ny tsy fanjariana ara-tsakafo noho ny "loza voajanahary" miverimberina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny ataon'ny olombelona.
Tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny fiantraikan'ny fidiran'i Afrika ho mpikambana amin'ny G20
" Maminavina fitomboana ara-toekarena tsara sy fiarahamiasa ireo manampahaizana sasany, raha toa ireo hafa kosa maneho fisalasalana, mametraka olana amin'ny fahombiazan'ny Firaisambe Afrikàna sy ny fahafahan'ny G20 hamaha ireo fanamby miavaka ao Afrika."
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Filohan'i Kazakhstan teo aloha Namoaka boky tsiaro mampiady hevitra
Nohamafisin'i Nazarbayev ny tsaho efa hatry ny ela ary nekeny fa nanana fisakaizana ivelan'ny fanambadiana tamin'i Asel Isabayeva izy.
Ny mahatonga ilay “lalàn'ny aterineto tsy liberaly” ao Indonezia hanimba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'olombelona
"Malahelo izahay hoe nolanin'ny parlemanta indôneziàna ny fanitsiana ilay lalàna ITE, izay miaty andalana mahabe olana sy manimba ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety."
Andry Rajoelina voafidy indray ho filoha ao Madagasikara, sangy toherin'ny mpanohitra ny maha-ara-dalàna ny zotram-pifidianana
Andry Rajoelina, 49 taona, voafidy indray hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny fepotoam-pitondràna haharitra 5 taona, taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 16 Novambra izay nanaovan'ireo mpirotsaka avy amin'ny fanoherana ankivy
Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024
Tsy mifaninana ho filoham-pirenena ao Sénégal intsony i Ousmane Sonko, kandidà voalohany an'ny mpanohitra, saingy nanondro an'i Bassirou Diomaye Faye, sekreteran'ny antokony ho kandidà.