Niova Hevitra Momba Ny Fanerena Ny Google Ny Mpandrindra Ny Fampahalalam-baovao Rosiana

Source: Google Images

Sary: Google

Ora maro taorian'ny nitateran'ny [mg] fampahalalam-baovao fa namoaka toromarika ny sampan-draharaham-panjakana mpandrindra ny fampahalalam-baovao, Roskomnadzor, hanerena ny Google hisoratra anarana indray ao Rosia na ho voasazy, dia niova hevitra ny solontenan'ny sampan-draharaha, nilaza tamin'ny roem.ru fa nandiso vaovao ny Izvestiya, gazety namoaka ny vaovao.

Nanonona an'i Vadim Ampelonsky tamin'ny vaovaon'izy ireo voalohany ny Izvestiya, nilaza izy fa tsy maintsy misoratra anarana amin'ny maha orinasa mpanangom-baovao (ny fandraharahany momba ny dokambarotra ihany no voasoratra anarana ankehitriny) amin'ny faran'ny volana Martsa 2017 ny Google, izay tafiditra ao anatin'ny sokajy vaovaon'ny mpanangom-baovao ary hiharan'ny fanarahamaso akaiky kokoa rehefa manan-kery ny lalàna vaovao manomboka amin'ny fiandohan'ny taona, raha tsy izany voasakana na mandoa lamandy. «Raha vahiny no tompon'ny [orinasa], manana telo volana izy hisoratana anarana amin'ny maha vondrona ara-dalàna azy ao Rosia,” hoy ny gazety araka izany nolazain'i Ampelonsky.

Afaka kelikely tamin'io andro io ihany, anefa, dia nilaza tamin'ny roem.ru i Ampelonsky fa mbola tsy namantatra izay isan'ny mpiserasera mandalo isan'andro amin'ny mpanangom-baovao na nifanakalo hevitra momba ny raharaha tamin'ny Google momba izany ny Roskomnadzor.

Мы озвучили общие подходы. Как и к кому они будут применены станет ясно только после вступления закона в силу. Мы не оценивали пока аудитории новостных агрегаторов, а с Google вообще не общались на тему агрегаторов.

Nilaza ny fomba hatao amin'ny ankapobeny izahay. Hazavazava kokoa ny hoe ahoana ary amin'iza no hampiharana [ireo toromarika ireo] rehefa manan-kery ny lalàna. Tsy mbola nanombana ny isan'ny mpijery ny mpanangom-baovao izahay, ary mbola tsy niresaka momba ny milina mpanangom-baovao mihitsy tamin'ny Google.

Ny toromariky ny sampan-draharaha—sy ny fiovan-kevitra—dia nilatsaka volana maromaro taorian'ny nandanian'ny Duma-m-panjakana Rosiana ny lalàna hametrahana ireo milina mpanangom-baovao manana mpiserasera mihoatra ny 1 tapitrisa isan'andro ao anatin'ny bokim-panjakana ary manery azy ireo hanamarina ny lahatsoratra navoaka indray tao amin'ny tranonkalan'izy ireo. Google sy Bing no mpanangom-baovao vahiny hany hiharan'ny lalàna vaovao, satria izy ireo ihany no orinasa manana mpitsidika ahitana mpiserasera maherin'ny 1 tapitrisa isan'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.