
Rehefa avy nitondra nandritra ny 22 taona, nanaiky ny fahareseny i Yahya Jammeh . Sary ho an'ny daholobe avy amin'ny Trano Fotsy nalain'ny mpisera Wikipedia Alifazal .
Nanaitra izao tontolo izao tamin'ny fifidianana filoham-pirenena manan-tantara izay niafara tamin'ny faharesen'ny filoha nitondra naharitra indrindra tao amin'ny faritra i Gambia, firenena kely ao Afrika Andrefana. Niaiky ny fahareseny ny Filoha Yahya Jammeh, izay nitondra an'i Gambia efa ho 22 taona mahery, ary nampanantena famindram-pahefana milamina. Tamin'ny fanambarana nataony tao amin'ny fahitalavitra nasionaly, niarahaba ny Filoha voafidy Adama Barrow i Jammeh noho ny “fandreseny mazava” ary nitso-drano azy. Jammeh, izay nanambara ny tenany ho mpino miozolomana , nilaza hoe: tsy hanohitra ny fanapahan-kevitr'i Allah (Andriamanitra) mihitsy izy. Nilaza ihany koa izy teo aloha fa hitondra an'i Gambia mandritra ny iray miliara taona “raha sitrak'Allah”, ary Andriamanitra, fa tsy araka ny lalàm-panorenana, no mametra ny fe-potoana maha-filoham-pirenena azy.
Tsy nampoizina sy nahafaly ireo Gambiana maro sy izao tontolo izao ny valim-pifidianana niampy ny faneken'i Jammeh ny fahareseny. Taorian'ny fanambarana ny vokatra farany, naneho hevitra momba ny fandresen'ny mpanohitra sy nizara ny lahatsary nisy an'i Jammeh nanaiky ny fahareseny ireo Gambiana tao amin'ny firenena sy tany ivelany, izay ahitana ny ampahany amin ‘ny antso an-telefaonina nataony tamin'ny filoha voafidy:
Naneno fihetseham-po tao amin'ny sioka izay namerina ny hevitry ny maro i Muhammad Sanu Jallow:
I couldn't hold back the tears. I'm almost 30, and I've known only 1 President this whole time. Good time to be alive. #GambiaDecides
— Muhammad Sanu Jallow (@msjallow) December 2, 2016
Tsy tanako ny ranomasoko. Efa ho 30 taona aho izao, ary Filoha iray ihany no fantatro hatramin'izay. Fotoana mamy iainana. #NanapakevitraGambia
Ansu, Gambiana mpisera ao amin'ny media sosialy, nihaika ny fiheverana fa hoe tsy afaka hanaisotra ny mpanao didy jadona amin'ny fitondrana ny fifidianana. Nisioka izy hoe:
Who says election cannot remove a dictator? Ask #Gambia for a blueprint! #AdamaBarrow just defeated Africa's most brutal dictator #JammehOut
— Ansu (@nfansu) December 2, 2016
Iza no milaza fa tsy afaka hanaisotra ny mpanao didy jadona ny fifidianana? Anontanio an'i #Gambia ny planina! Vao avy nandresy ny mpanao didy jadona mahery vaika indrindra eto Afrika #MialaJammeh i #AdamaBarrow
Nanampy ny mpisera Twitter iray hafa hoe:
I can't help but keep thinking about our fallen heroes and the ones serving time across the US/ #Gambia Thank you for your sacrifice #Africa pic.twitter.com/79kdowAgAM
— YesWe Can (@YesWeCan_Gambia) December 2, 2016
Tsy haiko ny tsy hieritreritra ireo maherifontsika lavo sy ireo izay nandany andro nanavatsava an'i Etazonia / Misaotra anareo noho ny fanaovanareo ho sorona ny tenanareo #Gambia #Afrika pic.twitter.com/79kdowAgAM
Namoaka ny karatra maha-mpifidy Gambiana ny Tha Scribbler Bah, milaza izany ho “Ilay fiadiana izay tokony hatahoran'ny mpanao politika rehetra , kely izy kanefa mampijaly mpanao politika mihoatra noho ny bala. Mitandrema aminy ! “.
Ankoatra ny fankalazana eny an-dalamben'i Banjul, nisioka ny mpisera tao amin'ny media sosialy iray hoe:
Africa's SMALLEST country #Gambia, has given the continent its BIGGEST step forward in democracy this year#GambiaHasDecided#GambiaDecides
— Zuwa Matondo (@ZuwaMatondo) December 2, 2016
Ilay firenena KELY INDRINDRA ao Afrika #Gambia, nanome ny kaontinanta ny dingana LEHIBE INDRINDRA amin'ny demaokrasia tamin'ity taona ity #NanapakevitraGambia #ManapakevitraGambia
Resy teo anatrehan'i Adama Barrow, kandidà mahaleontena tohanan'ny fiaraha-mitantan'ny antoko politika fito ny Filoha Jammeh. Andrasana hitarika ny governemanta fiaraha-mitantana tetezamita izy mandritra ny telo-taona, ao anatin'izany fe-potoana izany no ametrahan'izy ireo fanavaozana maro, mifandraika amin'ny dingana demaokratika. Tsy fantatra teo amin'ny sehatra politika Gambiana i Barrow, mpandraharahan'ny fanorenan-trano raha tsy vao haingana . Nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny 45,5%-n'ny vato izy raha 36,7% ny an'i Jammeh , ary ny kandidà fahatelo , Mama Kandeh kosa nahazo ny 17.8%-n'ny vato.