Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2013
Lasa Tsenaben'ny Fanaraha-maso Ara-Teknolojia i Brezila
Fanararaotran'ireo goavana iraisampirenena momba ny fanaraha-maso nomerika indray i Brezila noho izy mampiatrano ny Mondialy sy ny Lalao Olaimpika.
Zambia: Ny Filoha Mampitombo Ny Karamany, Ireo Depiote Mpanohitra Manameloka
Nofongarin'ny tranonkalan'ny mediam-bahoaka "Zambian Watchdog" ny Didy Fampiharana iray nanondrotana ny karaman'ny Filoha Michael Sata taorian'ny tsy fanetsehana ny karaman'ireo mpiasam-panjakana nandritra ny roa taona.
Morontsiraka Katalana Niharan'ny Fihovitry Ny Tany In-300
Horohorontany maherin'ny 300 no namely ny morontsirak'i Catalogne. Mety misy ifandraisany amin'ireo asa fitehirizana entona avy amin'ilay tetikasa Castor izany.
Michael Urtecho, i Mpikambana Ao Amin'ny Kongresy Peroviana Voaheloka Ho Nanao Kolikoly
Ampiatona amin'ny asany mandritry ny 120 andro i Urtecho ary hosaziana araky ny lalàm-panorenana. Raha toa ka voaporofo fa tafiditra aminà raharaha maro izy dia ho gadraina 15 taona an-tranomaizina.
Lavin'ny Filohan'i Panama Ny Mahavoarohirohy Ny Zananilahy Amin'ny Afera Maizina Italiana
Miditra amin'ny Twitter ny Panameana hitsipahana ny fomba fandavan'ny filoha Ricardo Martinelli ny mahatafiditra ny zananilahy amin'ny aferan-kolikoly Italiana.
Tsy noraharahian'ny Media Ireo Mpamboly Sy Sembana Nibodo Ny Gara Fiaran-dalamby Tao Mumbai
Nampiteraka fitohanana tao amin'ny toby fiantsonan'ny fiaran-dalamby ireo vondrona, tsy mba notaterin'ireo fampahalalam-baovao sy media sosialy izany tranga izany.
Rivo-doza Mahafaty, Fanampiana Tara Fahatongavana Nameno Ilay Tanana Rava Ao La Montaña Ireo
Araky ny tatitra maro voaray, andro maromaro vao tonga ireo fanampiana ary tsy ampy ihany koa. Maherin'ny 200 ireo vondrom-piarahamonina no mitoka-monina.
Ny Olana Rehefa Voafidy Ho Ben'ny Tanàna Any Rosia
Taorian'ny fampielezan-kevitra henjana tany Yekaterinburg, niatrika fisedrana iray vaovao indray i Evgeny Roizman: fahasarotan'ireo didim-pitsarana manelingelina ny faharaiketan'ny toerany, ny Douma am-panjakana ao an-toerana.
Nodimandry Ilay Zaza Nipoiran'ny ‘Babylution’ Tao Bosnia
Nodimandry tao amin'ny hopitaly iray tao Alemana i Belmina Ibrišević, zaza vao fito volana monja. Ny tsy nahavitàn'ny famoahan'i Bosnia lalàna manokana mikasika ny Pasipaoro no nahatara ny fitsaboana azy
IBM Sy Cisco, Mamatsy Fitaovam-panaraha-maso An'i Brezila Ho An'ny Fiadiana Ny Tompon-daka Eran-tany.
Miaraka amin'ilay vinavina hanao seho goavana, lasa zava-dehibe ho an'ny orinasa misahana ny fanaraha-maso i Brezila.