Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2021
Mitaky ny fanivanan-tena avy amin'ireo sehatra media sosialy ny lalàna Rosianina vaovao
Mino ireo manampahaizana fa ny antony lehibe nahatonga an'io lalàna vaovao io dia ny fanirian'ny fanjakana hampihena ny tsy fankasitrahana sy ireo hetsika fanoherana mitombo ao amin'ny firenena.
Misaona ny fahafatesan'ny mpanoratra an-gazety iray i Georgia
Lesko no amantaran'ny mpiara-miasa aminy azy ao amin'ny TV Pirveli, hita faty tao an-tranony tamin'ny 11 jolay tao Tbilisi ny mpanoratra an-gazety sady cameraman Aleksandre Lashkarava, 37 taona.
Maraoka: Polisy noratrain'ny fianakavian'ny mpanjaka
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Tranga roa no nampisokatra indray ny adihevitra mafana rehefa nangingina am-bolana maro ny tontolon'ny bilaogy maraokana. Ilay tranga vao haingana momba ilay bilaogera nogadraina Mohammed...
Ny sarivongan'ny tanàndehibe mahavariana any Torkia – zavatra kanto sa rafitra kanto tsy mahomby?
Manerana ny firenena no mety hahitana sarivongana tongolo gasy, akoholahy, hena baolina, tsindrin-tsakafo eo an-toerana, noa, tanimanga, ary ny maro hafa, manamarika izay mampalaza ilay faritany.
Lazain'ireo mpanorina tanàna hoe maty ny vatohara ao amin'ny Helodrano Indiàna any St. Vincent. Mifanohitra amin'izay no asehon'ireto sary ireto
"Izaho vavolombelon'ny fitsiriana indray teo amin'ireo vatohara elkhorn tany amin'ireo faritra manandanja ao amin'ilay helodrano. Alaivo sary ao an-tsaina ny mety ho azao atao raha toa isika tena mametraka tokoa ny ezaka araham-piniavana ataontsika, na tsia. Tsy vahaolana ny haran-dranomasina voatrolombelona."
Nanao fihetsiketsehana manoloana ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Harena Voajanahary ao Azerbaijan ireo mpiaro ny tontolo iainana
Nanao fihetsiketsehana nanoloana ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary ao Baku ny mpiaro ny tontolo iainana, nitanisa ny fandringanana ala mitohy sy ny fifanarahana fampanofana maharitra ny tany misy ala amin'ireo mpihazona tsy miankina izy ireo.
Nofoanana tao anatin'ny fanafihana mahery vaika ny diabem-pireharehana tao Tbilisi
Diaben'ny Fahamendrehana, Diabem-pireharehana nokarakaraina tao Tbilisi no nofoanan'ny mpikarakara tao anatin'ny herisetra sy fanafihana ny mpikarakara ny hetsika sy ny mpanao gazety.
Sarivongana roa hafa ankalazan'i Kazakhstan ny mpitarika azy
Taona roa taorian'ny ny nialàna, mitohy ny fanindrahindràna olona ataon'i Kazakhstana an'i Nazarbayev. Ho fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany, nanangana sarivongana roa ny governemanta, ny iray ao Turkistan, ary ny iray ao Nur-Sultan renivohitra
Mitolona amin'ny fanenjehana noho ny fanaovana tatitra momba ny fanonganam-panjakana ny mpanao gazety ao Myanmar
"Miandry ny dom-baravarana fotsiny izahay rehetra. Indraindray ianao maheno olona miakatra amin'ny tohatra, ary toy ny hoe ho any aminao izy: manana izany fahatsapana izany foana ianao."
Niala tamin'ny fomba ofisialy tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul i Tiorkia. Mihetsika ny vehivavy manerana ny firenena
An'arivony maro ireo vehivavy nanao diabe namakivaky ireo tanàna lehibe indrindra ao Tiorkia ny 1 Jolay teo, hanohitra ny fisintahan'i Tiorkia tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istambul.