Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Aogositra, 2020
Haïti, mitombo ny fiampangàna ny governemantan'i Jovenel Moïse ho mifandray tendro amin'ireo mpanomana heloka bevava
"[...] andian-tafika mpandeha an-tongotra tsy mivadi-belirano no ijeren'ny governemantan'i Moïse azy ireo, izay mamoritra ny tsy fandriampahalemana, manakenda ireo feo mpanohitra ary manamafy ny fanohanana ara-pôlitika manerana ny renivohitra."
Azia Atsimo Atsinanana: Tafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy mpanao gazety
Tao anatin'ny roa herinandro farany no nahitana tranga mampiahiahy momba ny fisamborana, fanamelohana ary fanaovana bemidina mikendry ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy mpanao gazety ao Thailandy, Kambodza, Malayzia ary Vietnam.
Pakistan: Maty voatifitra tao amin'ny efitrano fitsarana ny lehilahy iray voampanga ho manevateva an'Andriamanitra. Noderaina ho maherifo ilay namono azy
Tsy vaovao any Pakistan ny famonoana olona tsy mandalo fitsarana voampanga tamin'ny fanevatevana.
Ny tantara mahatsiravin'ny fanarahamaso faobe sy fitsikilovana ao Roandà
Entin'i Roandà manamarina ny fanarahamaso henjana ataony amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra aminy, ary ny habibiana atao amin'ny mpanohitra ny resaka firaisankinam-pirenena, ny fiarovana
Nanery an'i Pakistan hihiboka indray ny OMS rehefa nitombo ny trangana coronavirus
Nametraka ny fepetra fihibohana vaovao i Pakistan taorian'ny taratasy avy amin'ny OMS nandrisika ny firenena hanatsara ny fanaovana fitiliana sy ny famehezana ny fitomboan'ny isan'ny trangan'ny valan'aretina.
Iharan'ny fihazana tsy ara-dalàna ny biby mpirenireny srilankey mandritra izao areti-mandringana izao
Ny fitomboan'ny tsy fananana asa mandritra ny fisian'ny valan'aretina COVID-19 no ampangaina ho niteraka fihazana tsy ara-dalàna ny biby mpirenireny.
Filankevitra Vaovao Mpanaramaso ao amin'ny Facebook, tsy maintsy hanaisotra votoaty an'ilay milisy sodaney malaza
“Na teo aza ireo fanitsakitsahana nahatsiravina, mbola hita ao amin'ny media sôsialy hatrany ny RSF, indrindra fa ny Facebook izay tena sehatra fototra fampiasan'ilay milisy mba hanapariahana ny hafatra alefany...”
Mpanao fihetsiketsehana “Manila Pride” mamaly bontana sy mitantara ny fijaliana iaretana rehefa ahiboky ny polisy
"Midrikina isika manohitra ny sedra rehetra. Fanoherana ny androm-piainantsika. Eto isika handrava ireo rafitra mpamoritra, hanova ny zavatra tsy azontsika ekena." hoy i Carla Nicoyco, Filipiana mpikatroka avy amin'nyvondrompiarahamonina LGBTQ+.