Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Avrily, 2015
Nepal : Tendrombohitra Rakotra Ranomandry Sy Renirano Misasasasa Fa Tsy Misy Rano Fisotro Ny Renivohitra
Raha toa ka manomboka any Korea Atsimo amin'ity herinandro ity ny vovonana Maneran-tany faha-7 momba ny Rano, Nepal kosa dia manolotra trangamba hatao fanadihadiana ny momba tsy fahampiana eo anivon'ny fahafenoana tsy mahazatra .
Fihaonambe Faha-7-n'Ireo Firenena Any Amerika Ao Anatin'ny Bitsika 35
Manangona bitsika 35 avy amin'ny solontenan'ireo firenena 35 izay nandray anjara tamin'ilay Fihaonam-be fahafiton'ireo firenena any Amerika natao tany Panama ny Global Voices.
Tsy Midina An-dalam-be Fotsiny Ihany Ireo Kroaty Mpiaro Ny Zon'ny Vehivavy Fa Manova Anarana Azy Ireny Ihany koa
Ny andron'ny 8 Martsa, Andron'ny Vehivavy Maneran-tany,teom-pifohazana no nahalalàn'ireo vahoakan'ny Rijeka Kroasia fa novain'ireo mafana fo ny anaran'ny làlana maro tao an-tanàna, ho fanomezam-boninahitra ireo vehivavy nànana ny naha-izy azy nefa toa hadinodino.
Resabe Taorian'ny Fandresen'ilay Sarimihetsika Timbuktu
Niteraka adihevitra marobe taty amin'ny tanibe afrikana ilay sarimihetsika Timbuktu. Ny sasany tia, ny kiana sasany miezaka manazava io fahombiazana io amin'ny fisian'ny dindo avy any ivelany
Mitady Olom-Pirenena i Liberland, Firenena Bitika Vaovao Indrindra ao Balkan
Raha hangataka zom-pirenena dia mandefa imailaka voapaingotra saritapaka sy taratasy fangatahana fotsiny. Fa ho tena lasa firenena fahatelo kely indrindra ao Eoropa ve i Liberland, miorina anelanelan'i Croatia sy Serbia ity?
‘Fonja Misokatra’ Ao Finland, Ireo Mpifonja No Tompon'ny Fanalahidy
Ahoana no fomba nataon'i Finland hialana amin'ny maha-tompon'ny taha ambony indrindra azy tao Eoropa raha resaka fampidirana am-ponja, ho lasa ny manana ny taha ambany indrindra? Ireo 'fonja misokatra' natsangany no ampahany amin'ny valinteny azo aroso.
Mivoaka Miditra Aloha Ireo Mpanohitra Ao Ginea Mialoha Ny Fifidianana Filoham-pirenena.
Nifamory tany Parisy ireo filohan'ny mpanohitra, izay niampangan'izy ireo ny governemantan'ny Filoham-pirenena Alpha Condé ho "manitsakitsaka miverimberina" ny lalàm-panorenana.
Ampitson'ny Nanesorana Ny Lalàna Miaramila, Mpianatra Patani Nosamborina Tao Atsimon'i Thailandy
"Manantena hahita antso maro ho fanafahana ireo mpiara-mianatra aminay izahay."
Nizeriana Mpisera Amin'ny Aterineto, Manana Sahady #LisitryNyHoAtao (#ToDoListForBuhari) Ho An'i Buhari, Filoham-pirenena Vao Lany Teo
Miainga avy any amin'ny fampitomboana ny famatsiana vola ny tafika ka hatrany amin'ny fihenàn'ny kolikoly, tenenin'ireo Nizeriana ao amin'ny Twitter amin'ny filohany voafidy ny zavatra tian-dry zareo hataon'ny governemantany
Ginea: Mitotongana be ny famokarana ara-pambolena ary Manambana ny Mosary noho ny otrikaretina Ebôlà
Manomboka mampitanondrika ny toekaren'ireo firenena niharany ny areti-mifindra Ebolà, izay iharan'ny fatiantoka goavana izay hitontaly 1,6 lavitrisa dolara.