Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2022
Fikisahan'i Nepal hampiasa fitaovam-pitaterana mandeha amin'ny herinaratra
Tonga ao Nepal ary hanomboka hiasa ato ho ato ny telo amin'ireo fiarabe miisa 40 mandeha amin'ny vatoaratra nafaran'ny Sajha Yatayat (orinasa misahana fitateram-bahoaka) avy any Shina
Mandraki-peo: Ny toetoetry ny fahalalaham-panaovan-gazety
Tamin'ity herinandro ity isika mitodika any Shina, India, Colombia, Indonesia ary Serbia hihaino avy amin'ireo mpanao gazety/mpikaoka momba ireo fanamby atrehin'ny fampitam-baovao any amin'ireo firenena ireo.
Ny fomba ampiasain'ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr'andro Fiji ny tambajotra sosialy
Niantsafa tamin'ny Sampan-draharaha Famantarana ny Toetr’andro Fiji momba ny anjara asan’ny tambajotra sosialy amin'ny fanomezam-baovao ny olom-pirenena momba ny toetr'andro sy ny siansan’ny toetany ao amin'ny firenena Pasifika Atsimo ny Global Voices.
Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Tatitra iray avy amin'ny fikambanana pakistaney mpiaro zo "Freedom Network" no nampahafantatra fa iharan'ny herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, fitazonana am-ponja ary fandrahonana ireo mpanao gazety any an-toerana, indrindra fa avy amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny fitondrana.
Famonjàna ankizy : nahoana ireo olon-dehibe Salvadoriana no tsy miraharaha an'ireo tanora voarohirohy anaty asan-jiolahy
Fotoana izao hanovàna ny fomba fijerintsika an'ireo ankizy taiditra anaty andian-jiolahy.
Pôlitisiàna Nizeriàna mifantoka amin'ny fampielezankevitra fifidianana, manadino ireo mpampianatra mitokona eny amin'ny anjerimanontolo
Mampiseho ny tsy firaharahiana tanteraka ny fanabeazam-bahoaka ny firaharahian'ny governemanta nizeriàna ny fitokonan'ireo mpampianatra eny amin'ireo anjerimanontolo feredaly. Kanefa, tsy misy fiantraikany amin'ilay governemanta marenina ireo fitokonana, fa mitazona fotsiny ireo mpianatra hijanona an-tokantranony.
Mpanoratra Malayziana iray miatrika fanadihadiana noho ny fanevatevana tao amin'ny ranty Facebook
"Manasongadina ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Malezia momba ny olana toy ny fivavahana ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy."
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony ao Armenia no mitaky ny fialàn'ny Praiminisitra Pashinyan
Nanomboka tamin'ny volana Aprily ny fihetsiketsehana fanoherana ny governemanta rehefa heno siosio fa mety handefitra ny Praiminisitra Nikol Pashinyan mikasika ny sata faran'ny faritra Haut-Karabakh.
Lesoka eo amin'ny fanadinana fidirana ao amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa ao Trinite sy Tobago ahariharin'ny tsy fahombiazan'ny maripakasitrahana
Mampametra-panontaniana momba ny tsy fitanilàna sy ny tena ilàna azy ny fahavotsavotsàna eo amin'ny fizotry ny fanomezana naoty amin'ny Fanadinana fitsapàna hidirana eo amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa (SEA) ao Tobago sy Trinidad