Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Septambra, 2013
‘Karamaina Ohatrinona Ianareo?’ Hoy Ireo Tanora Nizeriana Manontany Ny Mpikambana Ao Amin'ny Parlemantany
Fanontaniana henjana no apetraky ny tanora Nizeriana ety anaty sy ivelan'ny aterineto amin'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieran-dry zareo.
SARY : Fanaparitahana Amin-Kerisetra Ireo Mpanohitra Ny Fifidianana Any Kambodza
Nomelohin'ny mpiaro ny zon'olombelona ny fanaovana herisetra nataon'ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra ny fifidianana any Kambodza. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tena bala ihany koa ny mpitandro filaminana
Mibilaogy Ho An'ny Fahafahana Amin'ny Fetim-pirenen'i Arabia Saodita
Nanamarika ny fetim-pireneny i Arabia Saodia tamin'ny 23 Septambra. Nibilaogy ny fanantenanan'izy ireo hanana firenena manaja sy mifankatia amin'ny vahoaka ary koa ny fanirian'izy ireo ny bilaogera.
Mampizarazara An'i Malezia Ny Sondro-bidin'ny Solika
Atahoran'ireo mpanara-maso hitondra mankany amin'ny sondro-bidim-piainana ny fiakaran'ny vidin-tsolika ao Malezia, raha ny sasany indray milaza fa ara-drariny ny fiakarana satria ny an'i Malezia no iray amin'ireo vidin-tsolika ambany indrindra eran'izao tontolo izao
Mitohy Ny Tolon'ny Mpamboly Fingotra Thailandey Na Dia Eo Aza Ny Vatsy Avy Amin'ny Governemanta
Nametraka sakan-dalana teny amin'ny arabe sy lalamby ireo mpamboly fingotra voakasiky ny fihenam-bidy tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Nanoaka fanampiana ara-bola ny governemanta saingy notsipahin'ireo mpamboly mpanao fihetsiketsehana sasany izany.
Nisoratra Anarana Tao Amin'ny Facebook Ny Polisy Ao Andrenivohitr'i Bangladesh, Dhaka
Vao voalohany no nitsofoka tao amin'ny Facebook ny sampan'ny polisy, saingy tsy voalohany kosa amin'ny fidirana amin'ny teknolojia vaovao.
Indiana Mpiambina Sisintany Afaka Madiodio Tamin'ny Fitifirana Tovovavy Avy Ao Bangladesh
Niparitaka nandritra ny fotoana nitrangàn'ny loza ireo sary misy ny vatany rotidrotiky ny fefy tariby. Niteraka fanehoa-kevitra maro feno fahatezerana tao Bangladesh ny didy navoakan'ny fitsarana, indrindra tao amin'ny media sosialy.
Handràra Ny Fizaram-baovao Antserasera Ve Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Aterineto Ao Vietnam?
Nilaza ny governemanta fa ny hiarovana ny zon'ny mpamorona no tanjon'ny lalàna saingy namaritra kosa ny tsikera fa "famelezana henjana indrindra atao amin'ny fahalalahan'ny vaovao izany”
Mitaky Ny Fahaleovantenany Ny Katalàna Maneran-Tany
Fifampitantanana no nankalazan'ny vondrom-piaraha-monina Katalana era-tany mba hitakiany ny fahaleovantenany amin'i Espaina.
An'arivony Ireo Tsy Manaiky Ny Valim-pifidianana Tany Kambodza
Manome toky ny mpanohitra fa hanao filatsahana an-dàlabe hafa amin'ny herinandro ambony ary nandrahona ny hanembatsembana ny fotoam-panokafana ny Parlemanta.