Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Febroary, 2023
Fitambaran'ireo vondrona mpitaky fizakantena ao Mali, mety vao mainka hanasarotra ny olana pôlitika sy ny fiarovana
Mihamanalavitra ilay fanantenan'i Mali hahita fandriampahalemana rehefa nitambatra ireo vondrona mpihoko telo lehibe no sady nihataka tamin'ireo fifampiraharahàna tao Bamako
Ny zava-niainan'ilay mpitsoa-ponenana teo aloha Behrouz Boochani “tsy mampino” tao amin'ny parlemanta Aostraliana
"Tena hafahafa tamiko ny tao amin'ny toerana iray izay notsikeraiko nandritra ny taona maro avy any amin'ny fonja any ivelany."
Ao Senegaly, fifanenjanana eo amin'ny filoha Macky Sall sy ilay mpanohitra, Ousmane Sonko, herintaona mialoha ny fifidianana ho filohampirenena
Sénégal, ilay modely demokratika ao Afrika Andrefana, ho tratrin'ny tsimok'aretin'ny mandà faha-telo ve izy raha toa hilatsaka ny filoha Macky Sall nefa mbola manakombom-bava ny mpanohitra ?
Tsy hangina intsony: tonga hatrany an-kianja filalaovana baolina kitra ny ny tsikera momba ny fandraisana an-tànana ny horohorontany tao Tiorkia
Nikarakara hetsika ny klioba ho fahatsiarovana ireo ankizy rehetra namoy ny ainy nandritra ilay horohorontany, miaraka amin'ny fikasàna hanolotra kilalao ho an'ireo fianakaviana nafindra toerana sy sisimpaty tamin'ilay loza voajanahary.
Ny hoavin'ny fanarahamaso faobe ao Serbia?
Nisintona – fanindroany – ny volavolan-dalàna mifehy ny asan'ny polisy miaraka amin'ny fepetra ahafahana manalokaloka ny fiainana manokana ny governemanta Serba, taorian'ny fitarainan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanerena iraisam-pirenena.
Mitaky ny zony ety anaty tambajotra ry zareo Togoley
Ao Togo, mampiasa fikatrohana an-tserasera ireo tanora mba ho ren'ny mponina fa indrindra koa ny governemanta.
Fanolorana Loka “Félix Houphouët-Boigny” ho an'i Angela Merkel, hisy fiantraikany amin'ny dingana fampihavanam-pirenena ao Côte d’Ivoire ve?
Hafatra momba ny maha-olombelona manoloana ny adidy hitondra fanampiana ho an'ireo mpitsoaponenana ny fitsidihan'ilay chancelière alemàna fahiny, Angela Merkel, tao Côte d'Ivoire nandritra ny fanolorana azy ny loka FHB/ UNESCO
Manàla valo taona amin'ny fahelàna velona ao Bangladesh ny fahalotoana mampididoza eny amin'ny rivotra
Volana nahatsiravina ho an'ireo mponina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, iny Janoary iny, satria tena nampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra, nandritra ny sivy andro.
Zeorzia : ny COVID-19 ve no niteraka ny krizim-pinoana ao anivon'ny eglizy ôrtôdôksa?
Raha nanohy ny fikarakaràna fotoam-pivavahana ihany ny eglizy ôrtôdôksa zeorziàna nandritra ny fihibohana, ireo manenjika azy kosa manambara fisiana krizim-pinoana any anatin'ireo fifandraisan'ny eglizy amin'ny fanjakàna
Nanozongozona ny media sosialy ny fitovian'ny ben'ny tanàna tiorka iray amin'i Khaleesi (Game of Throne)
Tsy ilay fitsidihan'ny Ben'ny tanàna fa ny anaran'ilay ben'ny tanàna amperinasa Melek Mızrak Subaşı no nihaohao tao amin'ny Twitter.