Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2014
Lehilahy Makedoniana Iray: 65 Taona Niadiana Mba Hamerenana Ny Fananany
Nalefan'ny mpitoraka bilaogy teo amin'ny bilaoginy ny momba an'i Dushko Brankovikj, izay efa indroa lasa fananam-panjakana izay ny fananany. Nandresy tamin'ny fitsaràna rehetra izy teo aloha, fa mbola tsy naverin'ny fanjakana taminy ihany izany.
Tondradrano Any Serbia : Noraisin'ny Serba An-tànana Ny Famonjena Ireo Tra-Boina An'Aliny
Koa satria niaina tao anaty tondradrano nahatsiravina izay tsy fahita tao anatin'ny 120 taona i Serbia sy i Bosnia dia ny olon-tsotra sy ny fiarahamonim-pirenena no nitarika vonjy taitra sy fanampiana.
Minitra Farany Hiainan'ny Twitter Ao Rosia
Nandrahona tale lefitry ny sampan-draharaha voalohany misahana ny sivana ao Rosia, Roscomnadzor, fa azon'ny governemanta sakanana manontolo ao anatin'ny minitra vitsivitsy ny Twitter na ny Facebook.
Jamaika: Andao Hiaraka Ary Hahatsapa Ho…Mahantra?
Nametraka an'i Jamaika ho firenena faha dimy mahantra indrindra eran-tany ny filaharan'ny firenena notontosain'ny Fikambanana "Cato", izay nandray ny fahantrana ho mari-pandrefesana, firenena izay mahita ny zava-drehetra ho "mahafinaritra avokoa".
Mpanao Lalàna Avy Amin'ny Malayziana Mpanohitra Voampanga Ho Manao Asam-Panakorontanana Amin'ny Video YouTube
Malayziana mpanao lalàna ao amin'ny faoherana voampanga ho manao asam-panakorontanana, telo volana taorian'ny namoahany lahatsary YouTube manala azy amin'ny governmanta sy ny politikany sasantsasany
Enim-bolana Aty Aoriana, Manohy Mitaky Famonjena Sy Ny Rariny Ireo Niharam-boina Tamin'ny Tafio-drivotra Haiyan Tao Filipina
Enim-bolana taorian'ny tafio-drivotra mahery vaika namindra toerana ireo mponina an'arivony ao afovoan'i Filipina. Mbola manohy mitaky fanampiana sy ny rariny ireo nieren-doza. Mampihisatra ny fanampiana ny tsy fisian'ny drafitr'asa matipaika avy amin'ny governemanta.
Tsy i Igor Sechin Tsy i Dick Cheney: Ny Fiafaran'ny Tantaran'ilay “Zuckerberg Rosiana”
Tantaran'ny any Eoropa Atsinanana izay mety ho tsy fandrentsika loatra nefa raha Tandrefana ilay olona, dia efa be no nahalala azy ity!
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...