Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Janoary, 2014
Iza No Miantoka Ny Vola Lanin'ny Lalao Olaimpika Rosiana?

Mbola manohintohina ny fikarakaraka ny lalao olaimpikan'i Sochi ny fiampangana fisian'ny trangan-kolikoly.
Nankatoavin'ny Kongresy Ao Meksika Ilay Volavolan-Dalàna Fanavaozana Ny Angovo Izay Hamarana Ny Amphimamban'ny Fanjakana Amin'ny Solika
Nanaiky ny fanovan-dalàna mikasika ny Angovo ny Antenimieran-doholona tao Meksika, izay heverina fa hampiato ny ampihimamban'ny fanjakana nandritry ny 75 taona tamin'ny tsenan'ny solika, lalàna izay hanokatra ny varavarana ho an'ireo mpampiasa vola avy ao an-toerana sy ny iraisam-pirenena.
Ejipta : Ho Toy Inona ny Hoavin'i Maréchal El Sissi?
Maréshal (-n'ny Kianja???) ankehitriny no galonan'ilay Jeneraly teo aloha lehiben'ny tafika Ejiptiana, Abdel Fattah El Sissi. Tsy dia mazava loatra ny mikasika ilay fisondrotana, na efa fisavàna làlana sahady amin'ny ho fihazakazahany hirotsaka ho filoham-pirenena na tsia.
Fampielezankevitra Politika Any Anaty Pasipaoro Panameana Vaovao?
Ilay pasipaoro vaovao elektronika navoakan'i Panama dia mirakitra ny zavabitan'ny governemantan'i Ricardo Martinelli any anatin'ireo pejiny. Niteraka hatezerana sy fanehankevira samihafa ilay hetsika
Koreana Tatsimo 20 Tapitrisa Iharan'ny Halatra Mombamomba Azy Amin'ny Karatra Fakàm-bola
Anatin'ny ezaka ho fampitoniana ny hatezeran'ny olona, namoaka fepetra ny manampahefana, saingy mbola bora menan'ny hatezerana ny olona
Fototra 3 Enti-manakatra Ireo Hetsi-panoherana An'i Compaoré Ao Burkina Faso
Nisy hetsi-panoherana goavana nitranga ny Sabotsy 18 Janoary 2014 teo hanoherana ny fanavaozana ny Lalàm-panorenana naroson'ny Filoha Blaise Compaoré. Inona no dikan'ireny hetsi-panoherana ireny?
Mitaraina Amin'ny Fihisatry Ny Asa Famonjena Sy Ireo Fialofana Tsy Manara-Penitra Ireo Traboinan'ny Rivomahery Haiyan Ao Filipina
Mbola an-dalam-panangonana azy foana ireo razana ao Visayas efa ho volana roa aty aorian'ny namelezan'ilay rivomahery Haiyan an'i Filipina. Voalaza ihany koa ho tsy taka-bidy sy tsy manara-penitra ireo trano fialofana vonjimaika naorina
Notsikilovin'i Aostralia i Timor-Leste Mba Hahazoany Tombontsoa Ara-toekarena
Tahaka ny tia mitsikilo ireo namany sy ireo manodidina azy i Aostralia. Taorian'i Indonezia, anjaran'i Timor Atsinanana indray no nitsikera an'i Aostralia noho ny fitsikilovany ireo mpitondra azy.
Ratsy Vintana Ny Mariazin'ilay Rosiana Biraokraty Miliaridera

Niteraka onja indray ny asa an-tserasera nataon'ilay Bilaogera mpitari-dalana amin'ny ady amin'ny kolikoly ao Rosia, Alexey Navalny, tamin'ny randra-tariham-pilazana mamely an'i Maxim Liksutov, lehiben'ny departemantan'ny fitaterana ao Moskoa.
Boky Maimai-poana No Nanombohan'Ireo Mpianatra 37 Tapitrisa Ny Taona Vaovao Tao Bangladesh
"Ity ny karazana Bangladesh tiantsika hananana…. Ankizy falifaly miaraka amin'ny bokiny vaovao ary mangetaheta fahalalàna….fa tsy Ankizy milalao vanja sy mianatra mitono olona"